Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-21

14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona azy teo amin'ny tempoly ka nositraniny izy ireo. 15 Fa tezitra ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-tempoly nanao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida, 16 ka dia niteny taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Eny, hoy Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera? 17 Dia nilaozany teo ireo, ary niala tao an-tanàna izy ka nankany Betania, dia nandry tany. 18 Nony niverina maraina ho any an-tanàna izy, dia noana.

19 Ary nahita aviavim-bazaha anankiray teo amoron-dàlana izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita teo aminy afa-tsy ravina ihany; dia hoy izy taminy: Aza misy voa avy aminao mandrakizay. Niaraka tamin'izay dia maina ilay aviavy. 20 Ary gaga ny mpianatra nahita izany ka nanao hoe: Adre! nahoana re no dia maina vetivety foana teo ity aviavy e? 21 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izaho milaza marina aminareo, fa raha manam-pinoana hianareo ka tsy misalasala, dia tsy ny natao tamin'ny aviavy ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hilazanareo hoe: Mialà hianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. 22 Ary na inona na inona hangatahinareo amim-pinoana amin'ny fivavahana, dia ho azonareo. 23 Ary rahefa tafiditra tao amin'ny tempoly izy ka nampianatra teo, dia nanatona azy ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?

24 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Hanontaniako zavatra iray loha kosa hianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. 25 Avy taiza moa ny batemin'i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin'ny olona? Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: 26 Raha hataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy hianareo? Ary raha hataontsika hoe: Avy tamin'ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika; fa ataon'izy rehetra ho mpaminany Joany. 27 Dia izao no navaliny an'i Jesoa: Tsy fantatray. - Izaho kosa ary, hoy izy taminy, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao. 28 Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.

29 Tsy handeha aho, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. 30 Dia nankeo amin'ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io; kanefa tsy nandeha izy. 31 Iza moa amin'izy roa lahy no nanao ny sitra-pon'ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo. Dia hoy Jesoa taminy: Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra; 32 fa tonga teo aminareo tamin'ny làlan'ny fahamarinana Jonasy, nefa hianareo tsy nino azy; fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nino azy; ary hianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy. 33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin'ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.

34 Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony; 35 fa nosamborin'ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. 36 Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. 37 Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hanaja ny zanako izy, hoy izy. 38 Kanjo nony hitan'ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany, 39 Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. 40 Koa rahefa tonga ilay tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany? 41 Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin'ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin'ny fotoany. 42 Dia hoy Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin'ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? 43 Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra, ka hafindra amin'ny firenena hampahavokatra azy. 44 Izay ho lavo amin'ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran'ity vato ity dia ho mongomongo. 45 Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin'izany, 46 ka nitady hisambotra azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao azy ho mpaminany izy ireo.

Toko faha-22

1 Dia niteny indray Jesoa nanao fanoharana tamin'ireo hoe:

2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany lahy, 3 ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin'ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. 4 Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin'ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin'ny fampakaram-bady hianareo. 5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin'ny sahany, ny iray nankany amin'ny varony; 6 ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny. 7 Dia hoy izy tamin'ny ankiziny: Efa voaomana ny fanasana amin'ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. 8 Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany. 9 Koa mandehana hianareo any amin'ny fihaonan-dàlana, ary asao ho atý amin'ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. 10 Dia niely eran'ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. 11 Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady, 12 dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, nahoana hianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Fa sina ilay olona; 13 ka hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongotra aman-tànany, ka ario any amin'ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 14 14 Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina. 15 Ary tamin'izay dia lasa ny Farisiana niray tetika hamandrika azy amin'ny teniny.

16 Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin'ny Herodiana ho any aminy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina hianao, ary mampianatra ny lalàn'Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan'olona hianao. 17 Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin'ity: mety va ny mandoa hetra ho an'i Sezara sa tsia?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1805