Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-22

18 Fa Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana hianareo no maka fanahy ahy? 19 Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin'ny hetra: dia nanasehoany denie iray izy. 20 Ary hoy Jesoa taminy: Sarin'iza, sy anaran'iza ity? 21 An'i Sezara, hoy ireo. Raha izany àry, hoy izy, dia aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. 22 Gaga ireo nony nandre izany, ka nandao azy dia lasa. 23 Tamin'io andro io ihany koa dia nisy Sadoseana, izay mandà ny fitsanganan'ny maty, tonga nanatona azy sy nanontany azy hoe:

24 Ry Mpampianatra ô, Moizy nilaza hoe: Raha misy lehilahy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. 25 Koa tany aminay nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny lahimatoa dia maty, ka noho izy tsy niteraka, dia navelany ho an'ny zandriny ny vadiny. 26 Ary toy izany koa no nitranga tamin'ilay faharoa sy fahatelo ka hatramin'ny fahafito; 27 ary faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 28 Raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty, iza amin'izy fito mirahalahy no ho tompom-bady? fa samy nanambady azy izy rehetra. 29 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Diso hevitra hianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30 Fa raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony; fa ho tahaka ny anjelin'Andriamanitra any an-danitra izy ireo. 31 Ary ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mba novakinareo va ny teny nolazain'Andriamanitra taminareo hoe: 32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona. 33 Gaga ny vahoaka nony nandre izany fampianarany izany. 34 Nony ren'ny Farisiana fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseana, dia nivory izy rehetra;

35 ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin'izy ireo nanontany azy mba haka fanahy azy hoe: 36 Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny Lalàna? 37 Ary hoy Jesoa taminy: Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. 38 Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; 39 ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 40 Ao amin'izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany. 41 Ary raha mbola nivory teo ny Farisiana, dia nanontanian'i Jesoa hoe:

42 Ahoana ny hevitrareo ny amin'ny Kristy? Zanak'iza izy? Zanak'i Davida, hoy ireo taminy. 43 Ka nahoana ary Davida, hoy izy tamin'ireo, raha tsindrian'ny Fanahy Masina no miantso azy ho Tompo, fa hoy izy hoe: 44 Andriamanitra nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako hianao ambara-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? 45 Raha antsoin'i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-zanany azy? 46 Tsy nisy nahavaly azy na dia teny iray akory aza; ka hatramin'izay dia tsy nisy sahy nanontany azy intsony.

Toko faha-23

1 Tamin'izay dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany Jesoa

2 nanao hoe: Efa mipetraka eo amin'ny fipetrahan'i Moizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana; 3 ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. 4 Fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany akory aza. 5 Ny mba ho hitan'ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an'ny olona no entiny. 6 Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin'ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin'ny sinagoga, 7 ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin'ny olona hoe Raby. 8 Fa hianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa hianareo rehetra. 9 Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. 10 Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia ny Kristy. 11 Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; 12 fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra. 13 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.

14 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny fivavahanareo lavareny no entinareo mihinana ny fananan'ny mpitondratena; izany no vao mainka hahamafimafy kokoa ny fanamelohana anareo. 15 Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, noho hianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo hianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen'afo mihoatra indroa noho hianareo. 16 Loza ho anareo, ry mpitari-dàlana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianina amin'ny volamena izay ao amin'ny tempoly, dia voafehy izy.

17 Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? 18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny otely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. 19 Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny otely izay mahamasina ny fanatitra? 20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny otely, dia mianiana aminy sy amin'izay rehetra eo amboniny; 21 izay rehetra mianiana amin'ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin'ilay mitoetra ao anatiny;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0937