Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-23

22 ary izay mianiana amin'ny lanitra, dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, sy amin'izay mipetraka eo amboniny. 23 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin'ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

24 Ry mpitari-dalàna jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! 25 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana. 26 Ry Farisiana jamba, diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony. 27 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy hianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. 28 Toy izany koa, hianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason'ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. 29 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisiana mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan'ny mpaminany hianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton'ny olo-marina 30 ka manao hoe: Raha izahay no mba tamin'ny andron'ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran'ny mpaminany izahay. 31 Koa amin'izany ny tenanareo ihany no mitsanga-ko vavolombelona fa zanak'izay namono ny mpaminany hianareo. 32 Fenoy àry ny famaran'ny razanareo! 33 Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin'ny gehen'afo?

34 Koa amin'izany, indro fa anirahako mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna hianareo; fa ny sasany hovonoinareo sy hofantsihanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny sinagoganareo sy hoenjehinareo amin'izay tanàna halehany, 35 mba hanody anareo avokoa ny ra marina nalatsaka teto ambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela lehilahy marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny otely. 36 Izaho milaza marina aminareo fa tsy maintsy hihatra amin'ity taranaka ity izany rehetra izany. 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan'ny reniakoho ny zanany eo ambanin'ny elany, fa tsy nety hianao? 38 Indro fa avela aminareo ho trano lao ny tranonareo. 39 Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony hianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo.

Toko faha-24

1 Nony nivoaka avy tao amin'ny tempoly Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona azy ny mpianany hampijery azy ny rafitry ny tempoly;

2 fa namaly izy ka nanao taminy hoe: Hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanongoa eo izay tsy horavana. 3 Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva izy, dia nanatona azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao anay izay andro hahatongavan'izany, sy ny famantarana ny hahiavianao mbamin'ny hahataperan'izao tontolo izao. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo sao hisy hamitaka anareo, 5 fa maro no ho ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ary maro no ho voafitany. 6 Handre ady sy filazana ady hianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany. 7 Ho hita fa hitsanga-kiady amin'ny firenena ny firenena, ary amin'ny fanjakana ny fanjakana; hisy areti-mifindra sy mosary ary horohoron-tany amin'ny tany samihafa; 8 fa vao ho fiantombohan'ny fahoriana fotsiny izany rehetra izany. 9 Amin'izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina hianareo, ary ho hàlan'ny firenena rehetra noho ny anarako.

10 Amin'izany andro izany koa, dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany. 11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro. 12 Ary noho ny habetsahan'ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro; 13 fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany. 15 Rahefa hitanareo voatsangana amin'ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain'i Daniely mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky), 16 dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra, 17 ary izay any ambony tafontrano aoka tsy hidina haka ny zavany ao an-tranony, 18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny fitafiany. 19 Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely, amin'izany andro izany. 20 Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na amin'ny sabata no handosiranareo. 21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony; 22 ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany. 23 Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro atý ny Kristy, na hoe: arý izy, aza mino hianareo. 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany. 25 Indro voalazako aminareo rahateo izany. 26 Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro any an'efitra izy, aza mankany hianareo; indro any amin'ny efi-trano mangingina izy, aza mino izany. 27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 28 Fa na aiza na aiza hitoeran'ny faty, any no hiangonan'ny voromahery. 29 Ary raha vao afaka izany andron'ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin'ny lanitra.

30 Amin'izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran'ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe. 31 Haneno mafy ny trompetra, dia haniraka ny anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin'ny vazan-tany efatra, hatramin'ny fara vodilanitra rehetra. 32 Makà fanoharana amin'ny aviavim-bazaha; raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina izy, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0931