Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-24
33 Dia toy izany koa, rahefa hitanareo izany rehetra izany, fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana ny Zanak'olona. 34 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity, ambara-pahatongan'izany rehetra izany. 35 Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 36 Fa ny amin'izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny anjelin'ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany.37 Fa tahaka ny tamin'ny andron'i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38 Fa tamin'ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara, 39 ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fihavian'ny Zanak'olona. 40 Amin'izany, amin'ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; 41 amin'ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray. 42 Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hihavian'ny Tomponareo.
43 Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. 44 Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona. 45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren'ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin'ny fotoany? 46 Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; 47 lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48 Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, 49 ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, 50 dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany, 51 ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin'ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitoamaniana sy fikitroha-nify.
Toko faha-25
1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.2 Ny dimy tamin'izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; 3 ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika; 4 fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin'ny fitoeran-tsolika. 5 Ary noho ny fahelan'ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory. 6 Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy hianareo. 7 Tamin'izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. 8 Ary hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay. 9 Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, hoy ny navalin'ny hendry azy; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo. 10 Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. 11 Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay. 12 Fa hoy ny navaliny azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory hianareo. 13 Koa miambena hianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora. 14 Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
15 Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. 16 Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. 17 Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; 18 fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan'ny tompony. 19 Nony ela dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin'ny volany.
20 Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho. 21 Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. 22 Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho. 23 Dia hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho hianao nahatoky tamin'ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be hianao: miaraha mifaly amin'ny tomponao. 24 Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: Tompoko, fantatro fa olona lozabe hianao, fa mijinja amin'izay tsy namafazanao, ary manangona amin'izay tsy nanahafanao, 25 ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin'ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao. 26 Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona amin'izay tsy nanahafako; 27 koa tokony ho napetrakao tany amin'ny mpampanana ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. 28 Alao ary ny talenta folo; 29 fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin'izay ananany aza. 30 Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin'ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 31 Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy;
