Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-25

32 ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; 33 ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany. 34 Amin'izay ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo an-kavanany hoe: Avia hianareo, ry nohasoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. 35 Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo; 36 tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. 37 Ary dia hamaly azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroinao? 38 Oviana no hitanay nivahiny hianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay? 39 Oviana no hitanay narary hianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko. 41 Ary dia hiteny amin'ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin'ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an'ny demony sy ny anjeliny.

42 Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; 43 nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. 44 Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? 45 Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa. 46 Dia ho any amin'ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin'ny fiainana mandrakizay.

Toko faha-26

1 Ary rahefa tapi-niteny izany rehetra izany Jesoa, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe:

2 Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak'olona hatolotra hofantsihana amin'ny hazo fijaliana. 3 Tamin'izay dia nivory tao an-tranon'ny lehiben'ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona, 4 ary niara-nioko hisambotra an'i Jesoa am-pitaka, sy hamono azy izy ireo; 5 kanefa aoka tsy ho amin'ny andro fety, hoy izy ireo, fandrao mitabataba ny vahoaka. 6 Ary nony tany Betania Jesoa, tao an-tranon'i Simona boka,

7 dia nisy vehivavy anankiray nanatona azy, nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra saro-bidy, sy nanidina izany tamin'ny lohany raha mbola nipetraka nihinana izy. 8 Tezitra ny mpianany nony nahita izany ka nanao hoe: Nahoana re iny no lanina foana toy izao? 9 nefa lafo be iny raha namidy ka homena ny mahantra. 10 Nahalala izany Jesoa, ka nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no manao ny mpampalahelo an-dravehivavy io? Asa soa izay vao nataony tamiko: 11 ny mahantra moa dia misy eto aminareo mandrakariva, fa izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva. 12 Izy no mampidina izany zava-manitra izany tamiko, dia ny mba handevenana ahy no nanaovany an'izany. 13 Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin'izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy ho fankalazana azy. 14 Ary tamin'izay ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy atao hoe Jodasy Iskariota nankany amin'ny lohandohan'ny mpisorona,

15 ka nanao taminy hoe: Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo izy? Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. 16 Hatramin'izay dia nikendry izay hamadihana azy izy. 17 Ary tamin'ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka?

18 Dia hoy Jesoa taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan'androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro. 19 Nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. 20 Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana izy mbamin'ny mpianany roa ambin'ny folo lahy. 21 Teo am-pihinanana dia hoy izy: Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy. 22 Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko? 23 Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika ahy. 24 Ny Zanak'olona dia mandeha araka ny nanoratana azy; kanefa loza ho an'izay olona hamadika ny Zanak'olona! tsara ho azy ny tsy teraka. 25 Dia mba niteny Jodasy ilay namadika azy nanao hoe: Raby, moa izaho va izany? ka novaliany hoe: Voalazanao. 26 Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy izy: Raiso ary hano; ity no vatako.

27 Rahefa izany, dia nandray ny kalisy izy, ary rahefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: Isotroinareo rehetra ity; 28 fa ity no rako, dia ny ran'ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka. 29 Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin'itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony aho, ambara-pihavin'ny andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin'ny fanjakan'ny Raiko. 30 Ary rahefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitry ny Oliva.

31 Dia hoy Jesoa taminy: Ho tafintohina noho ny amiko hianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana; 32 fa rahefa tafatsangana aho, dia hialoha anareo any Galilea. 33 Fa Piera namaly hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana. 34 Ary hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan'ny maneno akoho, dia handà ahy intelo hianao. 35 Fa hoy Piera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà anao. Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0924