Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-26
36 Tamin'izay Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemaný, ary hoy izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto hianareo, raha mbola mankany hivavaka aho.37 Ary nitondra an'i Piera sy izy roalahy zanak'i Zebede hiaraka aminy izy, dia nanomboka nozoin'alahelo sy fahoriana mafy. 38 Ka hoy izy tamin'ireo: Ory ny fanahiko ka ila hahafaty ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko. 39 Ary nony nandroso kely izy, dia nihohoka tamin'ny tany ka nivavaka nanao hoe: Raiko, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka, fa ny anao. 40 Dia nankeo amin'ny mpianany izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy izy tamin'i Piera: Hay hianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory? 41 Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin'ny fakam-panahy hianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa. 42 Dia nandeha fanindroany izy ka nivavaka hoe: Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitra-ponao. 43 Ary niverina izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony; 44 dia nilaozany ireo ka nandeha indray izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny. 45 Izay vao nankeo amin'ny mpianany izy ka nanao taminy hoe: Matoria amin'izao hianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona. 46 Mitsangàna hianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika ahy. 47 Raha mbola niteny izany izy, dia indro tamy Jodasy isan'ny roa ambin'ny folo lahy, arahin'ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona.
48 Efa nomen'ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: Izay horohako no izy, ka sambory. 49 Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa izy ka nanao hoe: Arahaba, Raby; dia nanoroka azy. 50 Ary hoy Jesoa: Ry sakaiza, haninona aty hianao? Tamin'izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an'i Jesoa sy nihazona azy. 51 Ary indro ny anankiray amin'izay teo amin'i Jesoa nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona ka nahafaka ny sofiny anila. 52 Fa hoy Jesoa taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin'ny sabatra dia ho fatin'ny sabatra. 53 Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko aho, ka haniraka anjely tsy omby lejiona roa ambin'ny folo izy ho eto amiko? 54 Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao? 55 Ary tamin'izay dia hoy Jesoa tamin'ireo vahoaka ireo: Mova tsy ny hisambotra jiolahy hianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra ahy; nipetraka isan'andro teo aminareo aho, nampianatra teo an-tempoly, nefa tsy nosamborinareo; 56 fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany. Ary tamin'izay dia nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra. 57 Ary izay nisambotra an'i Jesoa dia nitondra azy tany amin'i Kaifa lehiben'ny mpisorona, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
58 Nanaraka azy teny lavidavitra teny Piera, hatrany an-tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany. 59 Tamin' izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an'i Jesoa hamonoana azy, 60 fa tsy nahita izy na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga, 61 ka nanao hoe: Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra aho, ary mahay manangana azy amin'ny hateloana indray. 62 Dia nitsangana ilay lehiben'ny mpisorona, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy valianao izany fiampangan'ireo anao izany? 63 Fa tsy niteny Jesoa. Ary hoy ilay lehiben'ny mpisorona taminy: Mandidy anao amin'ny anaran'Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha hianao no Kristy Zanak'Andriamanitra. 64 Dia hoy Jesoa taminy: Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any hianareo hahita ny Zanak'olona mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra be fahefana sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. 65 Tamin'izay dia notriarin'ilay lehiben'ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: Niteny ratsy an'Andriamanitra izy, ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an'Andriamanitra: 66 ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika ho faty izy. 67 Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry izy; 68 ary ny sasany sady namely tehamaina azy no nanao hoe: Vinanio, ry Kristy, iza no namely anao? 69 Tamin'izany Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jesoa Galileana;
70 fa nolaviny teo anatrehan'izy rehetra izany ka hoy izy: Tsy fantatro izay lazainao. 71 Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan'ny ankizivavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin'ny olona teo hoe: Ity koa naman'i Jesoa Nazareana; 72 fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe: Tsy fantatro izany lehilahy izany. 73 Nony afaka kelikely dia nohatonin'ny olona teo Piera, ka nilazany hoe: Marina tokoa raha tsy namany hianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany. 74 Ary tamin'izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin'izay naneno ny akoho, 75 ka tsaroan'i Piera ny tenin'i Jesoa nanao hoe: Alohan'ny maneno akoho, handà ahy intelo hianao. Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.
Toko faha-27
1 Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an'i Jesoa ny lohandohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona;2 ary rahefa nafatony izy dia nentiny ka natolony an'i Pontsy Pilaty governora. 3 Tamin'izay Jodasy ilay namadika azy, raha nahita fa nohelohina izy, dia nanenina ka namerina ny farantsa kely telopolo tamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona 4 nanao hoe: Nanota aho fa nanolotra ny rà marina. Ahoanay izany? hoy ireo, fa asanao. 5 Dia natsipiny tao anatin'ny tempoly ny vola, ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena. 6 Ary nalain'ny lohandohan'ny mpisorona ny vola ka hoy izy: Tsy azo alatsaka ao amin'ny rakitra masina izany, satria vidin-drà; 7 ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanao vilany ny vola hatao tany fandevenam-bahiny. 8 Izany no anaovana io saha io mandraka androany hoe Haseldamà, na hoe sahan-drà; 9 ary tanteraka tamin'izay ny tenin'i Jeremia mpaminany nanao hoe: Dia nalainy ny vola telopolo, vidin'ilay notombanan'ny zanak'Israely, 10 ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany, araka ny nandidian'ny Tompo ahy.
