Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-27

11 Dia tonga teo anatrehan'ny governora Jesoa ka nanontanin'ny governora hoe: Hianao va no mpanjakan'ny Jody? Voalazanao, hoy Jesoa taminy;

12 fa ny fiampangana nataon'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona azy no tsy novaliany kely akory, 13 ka hoy Pitaly taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangana anao izany? 14 Fa tsy namaly izy na dia indraim-bava aza, ka gaga dia gaga ny governora. 15 Ary isaky ny fetin'ny Paka dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian'ny vahoaka. 16 Ary tamin'izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy, 17 ka rahefa nivory ny vahoaka, dia hoy Pilaty taminy: Iza no tianareo halefako ho anareo, Barabasy sa Jesoa izay atao hoe Kristy? 18 satria fantany fa fialonana no nanoloran'izy ireo an'i Jesoa. 19 Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: Aza manao na inona na inona amin'io Lehilahy marina io hianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako azy halina izay. 20 Tamin'izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an'i Barabasy sy hampamono an'i Jesoa. 21 Dia niteny indray ny governora nanao hoe: Iza no tianareo halefako ho anareo amin'izy roa lahy? Barabasy, hoy izy ireo. 22 Ary hoy Pilaty taminy: Ahoana kosa àry no hataoko amin'i Jesoa, izay atao hoe Kristy? 23 Aoka hofantsihana amin'ny hazo fijaliana izy, hoy izy rehetra. Fa inona àry no ratsy nataony e? hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe: Fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy. 24 Nony hitan'i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afa-tsiny amin'ny ran'io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.

25 Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Aoka ho aminay sy amin'ny zanakay ny rany. 26 Tamin'izay dia nalefany Barabasy, ary Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin'ny hazo fijaliana. 27 Tamin'izay dia nentin'ny miaramilan'ny governora ho any amin'ny toerana fitsarana Jesoa, sady novoriny hanodidina azy ny miaramila namany. 28 Dia nendahany ny fitafiany ka nampitafiny kapaoty jaky izy; 29 ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitaniny volotara ny tànany an-kavanana; rahefa izany dia nandohalika an-kila teo anatrehany izy ary naneso azy hoe: Arahaba, ry mpanjakan'ny Jody. 30 Dia nororany izy, ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany. 31 Nony efa nolalaoviny toy izany izy, dia nesoriny ilay kapaoty ka nampitafiny azy indray ny fitafiany, ary nentiny hofantsihana amin'ny hazo fijaliana izy. 32 Rahefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin'ny lehilahy Sireneana anankiray atao hoe Simona izy ireo, ka notereny io hilanja ny hazo fijalian'i Jesoa. 33 Ary nony tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgotà izany hoe tanin'ny karan-doha, 34 dia nomeny divay miharo afero izy hosotroiny; fa nony nandramany dia tsy nety nisotro izy. 35 Ary rahefa voafantsika tamin'ny hazo fijaliana izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain'ny mpaminany hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokàny ny akanjoko;

36 dia nipetraka niambina azy izy ireo. 37 Teo ambonin'ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana azy manao hoe: ITY NO JESO MPANJAKAN'NY JODY. 38 Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin'ny hazo fijaliana, ny anankiray teo an-kavanany, ary ny anankiray teo an-kaviany. 39 Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva azy 40 nanao hoe: Ialahy, ilay mandrava ny tempolin'Andriamanitra sy manangana azy anatin'ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny tenan'ialahy; raha Zanak'Andriamanitra ialahy, mialà amin'ny hazo fijaliana. 41 Ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona dia naneso azy koa nanao hoe: 42 Ny sasany novonjeny, fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan'Israely izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny, dia hino azy isika. 43 Natoky an'Andriamanitra izy, ka raha tia azy Andriamanitra dia aoka hanafaka azy ankehitriny, satria Zanak'Andriamanitra aho, hoy ny filazany. 44 Dia nandatsa azy toy izany iretsy jiolahy roa izay niaraka nofantsihana taminy tamin'ny hazo fijaliana. 45 Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia rakotry ny aizina ny tany rehetra.

46 Nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso mafy Jesoa hoe: Elia, Elia, lamma sabaktany! izany hoe: Ry Andriamanitro! ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho? 47 Raha nandre izany ny sasany tamin'izay teo dia nanao hoe: Miantso an'i Elia ilay ity. 48 Dia nihazakazaka niaraka tamin'izay ny anankiray tamin'izy ireo ka nandray sponjy; nony novontosany vinaingitra dia notohiziny volotara ka natohony azy hotsentsefiny. 49 Fa ny sasany nanao hoe: Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka azy Elia. 50 Ary niantso tamin'ny feo mahery indray Jesoa, dia niala aina. 51 Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin'ny tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy, 52 nisokatra ny fasana, ary betsaka ny fatin'ny olona masina efa nody mandry no nitsangana; 53 ka nony efa nitsangana tamin'ny maty Jesoa dia nivoaka tamin'ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin'ny maro. 54 Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an'i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin'ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io. 55 Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an'i Jesoa sy nanompo azy hatrany Galilea: 56 anisan'ireo Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba sy Josefa, ary ny renin'ny zanak'i Zebede. 57 Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Josefa, izay mpianatr'i Jesoa koa,

58 nanatona an'i Pilaty ka nangataka ny fatin'i Jesoa. Dia nasain'i Pilaty homena azy. 59 Noraisin'i Josefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio, 60 ary naleviny tao amin'ny fasana vaovao nolavahana tamin'ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an'ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin'ny varavaram-pasana, dia lasa izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2761