Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-27
61 Ary Maria Madelena, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana. 62 Ny ampitson'iny izay andron'ny fiomanana, dia nivory tany amin'i Pilaty ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana 63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: Rahefa afaka hateloana dia hitsangana aho. 64 Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao sokoin'ny mpianany ny fatiny, dia lazainy amin'ny vahoaka hoe: Nitsangana tamin'ny maty izy, ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. 65 Dia hoy Pilaty taminy: Manam-piambina hianareo, koa mandehana, ambeno araka izay hainareo. 66 Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombo-kase ny vato no nametrahany mpiambina teo mba hahazoany antoka marina ny amin'ny fasana.Toko faha-28
1 Tamin'ny alin'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana Maria Madelena sy ilay Maria anankiray.2 Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy anjelin'ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. 3 Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4 Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty. 5 Dia niteny tamin'ireo vehivavy ny anjely nanao hoe: Aza matahotra hianareo; fantatro fa mitady an'i Jesoa izay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo. 6 Tsy ato izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo. 7 Mandehana haingana milaza amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty izy, ary indro hialoha anareo any Galilea izy; any no hahitanareo azy; izany àry, fa efa nilazako hianareo izay. 8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin'ny mpianatra. 9 Ary indro Jesoa niseho taminy nanao hoe: Arahaba. Dia nanatona azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany. 10 Dia hoy Jesoa taminy: Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany ahy. 11 Mbola teny an-dàlana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin'ny lohandohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho.
12 Dia novorin'ireo ny loholona ka rahefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, 13 ary nilaza taminy hoe: Aelezo amin'ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra azy raha mbola natory izahay hoe; 14 ary raha sendra ren'ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo. 15 Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin'izy ireo izany no mbola inoan'ny Jody mandraka androany. 16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo nankany Galilea, any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesoa halehany.
17 Nony nahita azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka azy. 18 Ary Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; 19 koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; 20 ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.
Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko voalohany
1 Fiandohan'ny Evanjelin'i Jesoa-Kristy, Zanak'Andriamanitra.2 Araka izay voasoratra ao amin'Izaia mpaminany hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny làlanao; 3 injay misy feo miantso any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny alehany, 4 dia niseho tany an'efitra Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. 5 Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin'ny onin'i Jordany ireo, rahefa niaiky ny fahotany. 6 Volon-drameva no nitafian'i Joany, fehinkibo hoditra no nanodidina ny valahany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notoriny: 7 Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. 8 Izaho nanao batemy anareo tamin'ny rano, fa izy kosa hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina. 9 Ary tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan'i Galilea Jesoa, ka nataon'i Joany batemy tao Jordany.
10 Raha vao niala avy tao anaty rano izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny; 11 ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako. 12 Dia nentin'ny Fanahy ho any an'efitra niaraka tamin'izay izy, 13 ka nitoetra tany efa-polo andro dia nalain'i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin'ny bibidia, ary ny anjely nanompo azy. 14 Ary rahefa natao an-tranomaizina Joany, dia nankany Galilea Jesoa nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra
15 ka nanao hoe: Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ary minoa ny Evanjely. 16 Nony nandalo teny amoron'ny ranomasin'i Galilea izy, dia nahita an'i Simona sy Andre rahalahiny nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 17 Ary hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 18 Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka azy. 19 Nony nandeha kelikely izy, dia nahita an'i Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. 20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay izy, ka nilaozan'izy mirahalahy teo an-tsambo keliny Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an'i Jesoa izy. 21 Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin'ny sinagoga izy sy nampianatra ny olona.
22 Dia gaga izy ireo tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary tao amin'ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy 24 nanao hoe: Mifampaninona izahay sy hianao ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va hianao? Fantatro raha hianao, dia ilay masin'Andriamanitra.
