Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-3
2 Ary nizaha taratra azy ny sasany na hanasitrana an'io amin'ny sabata izy na tsia, mba hiampangany azy. 3 Dia hoy izy tamin'ilay lehilahy maty tànana: Mitsangàna etsy afovoany. 4 Ary hoy koa izy tamin'ny olona: Inona no mety hatao amin'ny sabata, ny soa sa ny ratsy ny mamonjy aina sa ny mamono? Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. 5 Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana izy, sy nalahelo noho ny hajamban'ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany. 6 Ary lasa nivoaka ny Farisiana, ka niaraka tamin'izay dia niara-nihevitra tamin'ny Herodiana hanao izay hahavoazana azy.7 Fa niala teo Jesoa sy ny mpianany ka nankany amin'ny ranomasina, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka azy. 8 Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin'i Jordany, ary tamin'ny tany manodidina an'i Tira sy Sidòna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. 9 Ary nilaza tamin'ny mpianany izy mba hanomana sambo kely hiandry azy eo noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao dia poritin'ny olona izy. 10 Fa nahasitrana olona betsaka izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. 11 Ary raha mahita azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany, ka miantso hoe: 12 Hianao no Zanak'Andriamanitra; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy. 13 Ary niakatra tamin'ny tendrombohitra anankiray izy, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo.
14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, 15 sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. 16 Ary Simona nomeny fanampin'anarana hoe Piera; 17 ary Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahin'i Jakoba, izay nomeny fanampin'anarana koa hoe Boaneriesy, izany hoe zana-baratra; 18 ary Andre, sy Filipo, sy Bartelemy, sy Matio, sy Tomà, sy Jakoba zanak'i Alfe, sy Tade, sy Simona Zeloty, 19 ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy. 20 Niverina nankany an-trano izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
21 Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona azy, fa hoy izy ireo: Efa very saina izy. 22 Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: Efa azon'i Belzeboba izy, ary ny filohan'ny demony no androahany ny demony. 23 Nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: Hataon'i Satana ahoana no fandroaka an'i Satana? 24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; 25 ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: 26 koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satana, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. 27 Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon'ny mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. 28 Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak'olombelona amin'ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an'Andriamanitra; 29 fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. 30 Satria hoy izy ireo hoe: Manana fanahy maloto izy. 31 Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy.
32 Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana izy natao hoe: Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. 33 Fa novaliany hoe: Iza moa no reniko sy rahalahiko? 34 Dia nijery izay nipetraka nanodidina azy izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko; 35 fa na iza na iza manao ny sitra-pon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
Toko faha-4
1 Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin'ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana izy, ka nilaza tamin'ny fampianarany hoe: 3 Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, 4 ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. 5 Ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina; 6 fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian'ny hainandro izy no tsy latsa-paka ka maina. 7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. 8 Ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny. 9 Ary hoy izy: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino. 10 Nony efa nitokana izy, dia nanontany azy ny amin'ny fanoharana ireo momba azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
11 Ary hoy izy taminy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana, 12 mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony. 13 Dia hoy izy: Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra? 14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny. 15 Ireto eo amoron-dàlana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. 16 Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin'ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
