Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-4
17 nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18 Ireo mandray ny voa ao anatin'ny tsilo no izay mihaino ny teny; 19 fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin'ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. 20 Ary ireo mandray ny voa amin'ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telo-polo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny. 21 Ary hoy koa izy taminy: Moa entina hapetraka ao ambanin'ny vata famarana na ambanin'ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin'ny fanaovan-jiro va izy?22 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. 23 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 24 Dia hoy indray izy: Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. 25 Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy. 26 Ary hoy koa izy: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin'ny tany, 27 ka izy matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; 28 fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin'ny salohiny no farany. 29 Ary rahefa vokatra dia jinjana miaraka amin'izay, satria tonga ny taom-pijinjana. 30 Ary hoy indray izy: Amin'inona no hampitahantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
31 Tahaka ny voatsinapy izy, izay kely indrindra amin'ny voa rehetra ambonin'ny tany raha vao afafy, 32 fa tonga lehibe indrindra amin'ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon'ny voro-manidina ialofana ny alokalony. 33 Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain'izy ireo. 34 Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo. 35 Androtr'izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy izy taminy: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.
36 Dia nilaozan'izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin'izao tao an-tsambo kely Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. 38 Fa Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin'ny ondana, ka nofohazin'izy ireo izy nilazany hoe: Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona anao va raha maty izahay? 39 Dia nifoha izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitonia. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. 40 Ary hoy izy tamin'izy ireo: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo? Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky azy?
Toko faha-5
1 Nony tafita ny ranomasina izy ireo dia tonga tao amin'ny tanin'ny Geraseny;2 ka vao niala tao an-tsambo kely izy, dia inty nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona azy. 3 Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin'ny gadra aza, 4 fa matetika no nafatotra tamin'ny gadra sy tamin'ny rojo vy ny tongony aman-tànany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. 5 Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin'ny vato. 6 Fa nony nahatazan-davitra an'i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, 7 ary niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona izaho sy hianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin'ny anaran'Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy, 8 satria Jesoa efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. 9 Ary nanontany azy izy nanao hoe: Iza no anaranao? Dia novaliany hoe: Lejiona no anarako, fa betsaka izahay. 10 Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. 11 Ary teo akaikin'ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,
12 ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin'ny kisoa mba hiditra ao aminy. 13 Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin'ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao tamin'ny ranomasina. 14 Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. 15 Nankany amin'i Jesoa izy ireo, ary nahita an'ilay azon'ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terý. 16 Nony nolazain'izay nahita tamin'izy ireo izay nahazo ilay azon'ny demony sy ny kisoa, 17 dia nihanta tamin'i Jesoa izy ireo, mba hiala amin'ny taniny. 18 nony niakatra teo an-tsambo kely izy, dia niangavy taminy ilay azon'ny demony mba hanaraka azy; 19 fa tsy navelany izy, fa hoy izy taminy: Andeha ihany mody any an-tranonao any amin'ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao. 20 Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapaoly ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra. 21 Ary rahefa niondrana tamin'ny sambo kely Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan'ny vahoaka teo amoron-dranomasina izy.
22 Dia avy ny anankiray amin'ny lehiben'ny sinagoga atao hoe Jaïra, ka nony nahita azy dia niankohoka tamin'ny tongony izy, 23 sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tànana aminy hianao, mba ho sitrana sy ho velona izy. 24 Dia nandeha niaraka taminy izy, ary be ny vahoaka nanaraka azy sy nifanety taminy. 25 Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin'ny folo taona,
26 izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin'ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
