Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-5
27 Nony nahare ny amin'i Jesoa izy, dia nisisika tamin'ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, 28 fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho. 29 Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. 30 Teo no ho eo ihany dia fantatr'i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin'ny tenany, ka nitodika ny vahoaka izy nanao hoe: Iza no nanendry ny fitafiako? 31 Ary hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy? 32 Dia nijerijery manodidina azy izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. 33 Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. 34 Ary hoy izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin'ny aretinao. 35 Raha mbola niteny Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga ka nanao taminy hoe: Maty ny zanakao vavy, ka nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?36 Fa nony nandre izany teny izany Jesoa dia nilaza tamin'ilay lehiben'ny sinagoga hoe: Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany. 37 Ary tsy nisy navelany hanaraka azy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany rahalahin'i Jakoba. 38 Ary nony tonga tany an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan'i Jesoa. 39 Ary niditra izy ka niteny tamin'ireo hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40 Dia nihomehy azy fatratra ny olona; fa izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'ireo nanaraka azy niditra tao amin'izay niamparan-drazazavavy, 41 ary nandray ny tànany sy nilaza taminy hoe: Talita, komy, izany hoe: Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangàna. 42 Niaraka tamin'izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin'ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. 43 Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr'olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
Toko faha-6
1 Nony niala teo izy dia nankany amin'ny tany nahabe azy, ary nanaraka azy ny mpianany.2 Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagoga izy, ka be tamin'izay nihaino azy no gaga tamin'ny fampianarany sy nanao hoe: Taiza no nahazahoan'izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena azy izao, ary ahoana no ahefan'ny tànany izany asa lehibe izany? 3 Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, rahalahin'i Jakoba sy Josefa ary Joda sy Simona? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny? Dia tafintohina taminy izy ireo. 4 Fa hoy Jesoa taminy: Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakaviany ary amin'ny havany ihany. 5 Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin'ny fametrahan-tànana, 6 ary gaga izy noho ny tsy finoan'ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra izy. 7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy izy, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto.
8 Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dàlana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, 9 fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa izy taminy: Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin'izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. 11 Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo ho fiampangana azy. 12 Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin'ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, 13 sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy. 14 Nahare ny lazan'i Jesoa Heroda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny anarany. Ary hoy ny sasany: Joany Batista nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no iasan'ireo hery mahagaga aminy;
15 fa ny sasany kosa nanao hoe: Elia izay; ary ny hafa indray dia hoe: Mpaminany izay, dia toy ny iray amin'ny mpaminany. 16 Ary nony nandre izany Heroda dia nanao hoe: Joany izay e, dia ilay notapahiko ny lohany, fa efa nitsangana tamin'ny maty izy. 17 Fa Heroda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an'i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin'i Herodiada vadin'i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. 18 Satria Joany nanao taminy hoe; Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao hianao. 19 Koa tonga halan'i Herodiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izany 20 noho ny tahotr'i Heroda an'i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin'ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. 21 Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanaovany fanasana ho an'ny manamboninahiny sy ny tompon'arivo ary ny loholona tany Galilea.
22 Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, 23 sady nampiany tamim-pianianana hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza. 24 Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: Inona no angatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Joany Batista. 25 Dia nidodododo faingana nankao amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan'i Joany Batista. 26 Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, 27 fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan'i Joany amin'ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, 28 ka nitondra azy tamin'ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. 29 Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy. 30 Nony niverina teo amin'i Jesoa ny Apostoly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
31 Ary hoy izy taminy: Avia hianareo, ndeha mitokana any amin'ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. 32 Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin'ny tany mangingina. 33 Fa hitan'ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin'ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany.
