Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-6
34 Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro izy. 35 Nony hariva ny andro dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Ny tany efitra; ny andro efa hariva,36 ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin'ny tanàna sy ny vohitra manodidina. 37 Fa izao no navaliny azy ireo: Omeonareo hanina izy; ka hoy ireo taminy: Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny? 38 Ary hoy izy taminy: Manana mofo firy hianareo? Mandehana hoe zahao. Ary rahefa nozahany, dia hoy izy: Mofo dimy sy hazandrano roa. 39 Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin'ny ahi-maitso izy ireo; 40 ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimam-polo. 41 Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra izy, ka nitso-drano. Rahefa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan'ny olona, ary nozarainy tamin'izy rehetra koa ny hazandrano roa. 42 Dia nihinana izy rehetra ka voky; 43 ary ny sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ka nentiny nody. 44 Dimy arivo lahy anefa no isan'ny nihinana tao. 45 Dia noteren'i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin'izay ny mpianany, mba hialoha azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka; 46 ary rahefa avy nanao veloma ny olona izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. 47 Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan'ny ranomasina, ary Jesoa irery no teny an-tanety.
48 Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain'ny rivotra, ka tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra tamin'ny alina, dia nandeha teny ambonin'ny ranomasina izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. 49 Kanjo nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy; 50 fa nahita azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin'izay dia niteny taminy izy nanao hoe: Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra. 51 Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, 52 fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin'ny mofo teo noho ny hadonton'ny fony. 53 Nony tafita izy ireo, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo.
54 Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an'i Jesoa niaraka tamin'izay ny olona, 55 ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa misy azy. 56 Na taiza na taiza nalehany, na tamin'ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran'akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry azy dia sitrana.
Toko faha-7
1 Ary niangona teo amin'i Jesoa ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,2 ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin'ny tànana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. 3 Fa ny Farisiana sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tànany, fa mitana ny fanaon-drazana izy; 4 ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. 5 Ka dia nanontany azy ny Farisiana mbamin'ny mpanora-dalàna nanao hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin'ny tànana tsy misasa? 6 Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian'Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony, fa manalavitra ahy ny fony; 7 koa foana ny ivavahan'ireo amiko satria didin'olombelona no ataony fampianarana. 8 Ny didin'Andriamanitra foinareo, fa ny fanaon'ny olona kosa tànanareo, toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa hianareo. 9 Dia hoy izy taminy: Marina fa nofoananareo tokoa ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo. 10 Fa hoy Moizy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. 11 Fa hoy kosa hianareo: Raha misy milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Ny zavatra izay tokony ho entiko manampy anao dia efa korbana izany hoe: fanatitra ho an'Andriamanitra, 12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy na ny reniny intsony, 13 ka dia foananareo amin'ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin'Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo. 14 Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy hianareo rehetra, ka mahafantara. 15 Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. 16 Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. 17 Nony niala teo amin'ny vahoaka izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian'ny mpianany ny amin'ilay fanoharana,
18 ary hoy izy taminy: Hay! hianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. 20 Fa izay mivoaka avy amin'ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona; 21 satria avy ao anaty, dia avy amin'ny fon'ny olona no ihavian'ny sain-dratsy: dia ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, 22 ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; 23 izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy. 24 Nony niala teo izy dia nankany amin'ny faritanin'i Tira sy Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr'olona, nefa tsy nahazo niery.
25 Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon'ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin'ny tongony. 26 Jentily avy amin'ny firenena Sirofenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin'ny zanany vavy. 27 Fa hoy izy taminy: Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.
