Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka
Toko faha-14
37 Dia nankeo amin'ny mpianany izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin'i Piera hoe: Ry Simona, matory va hianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va hianao? 38 Miambena hianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin'ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa. 39 Dia lasa indray izy nivavaka, ka ilay teny teo ihany no nataony. 40 Nony niverina indray izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan'izy ireo izay havaly azy. 41 Ary niverina fanintelony izy, ka nanao taminy hoe: Matoria amin'izao hianareo, ary mialà sasatra. - Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona. 42 Mitsangàna hianareo, andeha isika: indro efa akaiky ilay hamadika ahy. 43 Niaraka tamin'izay raha mbola niteny izy, dia tamy Jodasy Iskariota isan'izy roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.44 Izy ireo dia efa nomen'ilay mpamadika azy famantarana toy izao: Izay horohako no izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana. 45 Vantany vao tonga izy dia nanatona an'i Jesoa ka nanao heo: Arahaba, Raby, dia nanoroka azy izy. 46 Ary nosamborin'ireo izy, dia nohazoniny. 47 Fa ny anankiray amin'izay teo aminy nanatsoaka sabatra, dia namely ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an'ila. 48 Ary niteny Jesoa ka nanao tamin'izy ireo hoe: Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fihavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra ahy! 49 Teo aminareo isan'andro aho, nampianatra teo amin'ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan'ny Soratra Masina. 50 Dia nandao azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra. 51 Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka azy, lamba fotsiny no teny an-kodiny, nosamborin'ireo koa; 52 dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy. 53 Ary Jesoa nentin'izy ireo ho any amin'ny lehiben'ny mpisorona izay nivorian'ny lohandohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
54 Piera kosa nanaraka azy teny lavidavitra eny hatrany an-tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin'ny mpanompo teo anilan'ny afo, sy namindro. 55 Tamin'izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra dia nitady izay hiampangana an'i Jesoa hamonoany azy, nefa tsy nahita; 56 fa maro no niampanga lainga azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany. 57 Nony inona dia nisy nitsangana niampanga lainga azy nanao hoe: 58 Renay izy io nanao hoe: Horavako ity tempoly nataon-tànana ity, dia hanangana hafa tsy nataon-tànana indray aho amin'ny hateloana; 59 fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin'izany aza. 60 Dia nitsangana teo afovoan'izy rehetra ny lehiben'ny mpisorona, ka nanontany an'i Jesoa hoe: Nahoana no tsy valianao izany fiampangan'ireo anao izany? 61 Fa tsy niteny izy, na namaly akory. Dia nanontany azy indray ny lehiben'ny mpisorona nanao hoe: Hianao va no Kristy Zanak'Ilay isaorana? 62 ka novalin'i Jesoa hoe: Izaho no izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo an-kavanan'ilay mahefa ny zavatra rehetra sy avy eo ambonin'ny rahon'ny lanitra. 63 Dia notriarin'ny lehiben'ny mpisorona ny fitafiany, ka hoy izy hoe: Inona indray no ilantsika vavolombelona? 64 Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an'Andriamanitra, ka ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa mendrika ho faty izy, 65 ka ny sasany nandrora azy, dia nanarona ny tavany, sy namely totohondry azy ary nanao hoe: Vinanio; ny mpanompo avy no namely tehamaina azy. 66 Ary raha mbola teo ambany amin'ny tokotany Piera, dia nankeo aminy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny lehiben'ny mpisorona.
67 Nony nahita an'i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe: Hianao koa naman'i Jesoa Nazareana. 68 Fa nolaviny hoe: Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao. Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho. 69 Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tamin'izay teo hoe: Naman'ireny koa io lehilahy io; 70 fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin'i Piera: Naman'ireny tokoa hianao, fa Galileana koa. 71 Tamin'izay sady niozona izy no nianiana hoe: Tsy fantatro akory izany lehilahy antsoinareo izany. 72 Niaraka tamin'izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan'i Piera ilay teny nolazain'i Jesoa taminy hoe: Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà ahy intelo hianao; ka dia nitomany izy.
Toko faha-15
1 Raha vao maraina koa ny andro, ny lohandohan'ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin'ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an'i Jesoa, dia nitondra azy sy nanolotra azy tamin'i Pilaty.2 Ary Pilaty nanontany azy hoe: Hianao va no mpanjakan'ny Jody? Dia namaly izy ka nanao taminy hoe: Voalazanao. 3 Ary maro ny zavatra niampangan'ny lohandohan'ny mpisorona azy, 4 ka nanontany azy indray Pilaty nanao hoe: Tsy mamaly akory va hianao? He izato hamaroan'ny zavatra iampangany anao! 5 Fa tsy namaly intsony Jesoa na dia kely aza, ka gaga Pilaty. 6 Ary isaky ny fetin'ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin'ny vahoaka ;
7 ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin'ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin'ny fikomiana. 8 Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy; 9 fa namaly Pilaty nanao hoe: Tianareo va raha ny mpanjakan'ny Jody no alefako ho anareo? 10 satria fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohandohan'ny mpisorona azy taminy. 11 Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo Barabasy no halefany ho azy. 12 Ka hoy indray Pilaty taminy: Inona àry no tianareo hataoko amin'ilay antsoinareo hoe mpanjakan'ny Jody? 13 Dia niantso indray izy ireo nanao hoe: Fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy. 14 Fa inona àry no ratsy nataony? hoy Pilaty taminy. Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe: Fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy.
