Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-15

15 Ary noho Pilaty te-hahazo sitraka amin'ny vahoaka, dia nandefa an'i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an'i Jesoa sy nanolotra azy hofantsihana tamin'ny hazo fijaliana. 16 Dia nentin'ny miaramila Jesoa ho ao amin'ny tokotany, izany hoe ao amin'ny fitsarana, sady novoriny ny miaramila namany.

17 Nony efa nampitafiny kapaoty jaky izy, dia nosatrohany fehiloha tsilo izay norandraniny ny lohany. 18 Ary dia niarahaba azy izy nanao hoe: Arahaba, ry mpanjakan'ny Jody. 19 Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora azy, ary nandohalika nitsaoka azy. 20 Nony efa nolalaoviny toy izany izy, dia nesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny azy indray ny fitafiany, vao nentiny hofantsihana amin'ny hazo fijaliana izy. 21 Ary nisy lehilahy Sireneana atao hoe Simona, rain'i Aleksandra sy Rofosy, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren'izy ireo hilanja ny hazo fijaliany, 22 ary izy dia nentiny tao amin'ny tany atao hoe Golgota izay adika hoe tanin'ny karan-doha. 23 Dia nomeny divay miharo mira izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro.

24 Nony voafantsika tamin'ny hazo fijaliana izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. 25 Ary tamin'ny ora fahatelo no namantsihana azy tamin'ny haso fijaliana. 26 Ny filazana ny anton'ny namonoana azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN'NY JODY. 27 Ary nisy mpangalatra roalahy niara-nofantsihany taminy tamin'ny hazo fijaliana: ny anankiray teo an-kavanany, ary ny anankiray teo an-kaviany; 28 ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Natao isan'ny ratsy fanahy izy. 29 Ary izay nandalo dia sady nanevateva azy no nanakifikifi-doha nanao hoe: Hia! ry ilay mandrava ny tempolin'Andriamanitra, sy manangana azy indray amin'ny hateloana ity! 30 Vonjeo ilay ity ny tenan'ialahy, ka mialà amin'ny hazo fijaliana! 31 Ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia naneso azy toy izany koa, fa izao no resany eo: Ny sasany novonjeny, fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena. 32 Aoka ny Kristy mpanjakan'Israely hidina hiala amin'ny hazo fijaliana amin'izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika. Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso azy. 33 Nony tamin'ny enina, dia rakotra aizina ny tany rehetra hatramin'ny sivy;

34 ary tamin'ny sivy, dia niantso mafy Jesoa nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany? izany hoe: Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nilaozanao aho? 35 Nony nandre izany ny sasany tamin'izay teo, dia nanao hoe: Indro miantso an'i Elia izy. 36 Dia nihazakazaka ny anankiray tamin'izy ireo, novontosany vinaingitra ny sponjy sy notohiziny volotara, dia natohony azy hotsentsefiny, ka hoy izy: Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka azy Elia! 37 Fa niantso mafy Jesoa, dia niala aina. 38 Ary triatra nisasaka roa hatrany ambony ka hatraty ambany ny efitra lamba tao amin'ny tempoly. 39 Ilay kapiteny nitsangana teo an-tandrifin'i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa io lehilahy io. 40 Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa; anisan'ireny Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba zandriny sy Josefa, ary koa Salome, 41 izay nanaraka azy sy nanompo azy fony izy tany Galilea. Fanampin'ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema. 42 Ary nony hariva ny andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata,

43 dia tonga Josefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny fanjakan'Andriamanitra koa. Sahy nanatona an'i Pilaty izy, nangataka ny vatan'i Jesoa. 44 Gaga Pilaty noho izy maty sahady, ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela izy na tsia. 45 Nony reny ny filazan'ilay kapiteny, dia nomeny an'i Josefa ny faty. 46 Dia nividy lamba Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba azy, sy nandevina azy tamin'ny fasana nolavahana tamin'ny vato, ary nanakodia ny vato tamin'ny varavaram-pasana. 47 Nojeren'i Maria Madelena sy Maria renin'i Josefa tsara izay nametrahany azy.

Toko faha-16

1 Ary rahefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra Maria Madelena, sy Maria renin'i Jakoba, ary Salome, mba handeha hanosotra ny vatan'i Jesoa.

2 Nony marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin'ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. 3 Ary izy nifampilaza hoe: Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin'ny varavaram-pasana e? 4 Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy. 5 Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo an-kavanam-pasana, ka taitra. 6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra hianareo; mitady an'i Jesoa Nazareana ilay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo; efa nitsangana tamin'ny maty izy, ka tsy eto; teo no nametrahany azy. 7 Fa mandehana lazao amin'ny mpianany sy amin'i Piera fa hialoha anareo any Galilea izy, ka any no hahitanareo azy araka ny efa voalazany taminareo. 8 Dia nivoaka ny fasana izy ireo ka nandositra, fa sady tora-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin'ny olona izy noho ny tahony. 9 Rahefa nitsangana tamin'ny maty Jesoa, ny marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia Maria Madelena, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.

10 Ka lasa io nilaza izany tamin'ireo mpanaraka azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. 11 Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. 12 Manaraka izany, Jesoa dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roalahy amin'izy ireo, izay nankany an-tsaha.

13 Dia lasa ireo nilaza tamin'ny namany; fa tsy ninoany koa. 14 Tamin'ny farany dia ny tenan'izy iraika ambin'ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy nino izay nahita azy tafantsangana tamin'ny maty izy ireo. 15 Ary hoy izy taminy: Mandehana hianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voary rehetra. 16 Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina. 17 Ary izao no famantarana homba izay mino: Handroaka demony amin'ny anarako izy, hiteny amin'ny fiteny tsy mbola hainy izy,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0928