Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

48 fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, 49 satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, 50 sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. 51 Nahefa asa mahery tamin'ny sandriny izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin'ny fisainan'ny fony;

52 naongany hiala tamin'ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany; 53 ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodiny mitondra tànam-polo. 54 Niahy an'Israely mpanompony izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony

55 tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin'ny razantsika. 56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin'i Elizabeta Maria vao nody tany an-tranony.

57 Ary nony tonga ny andro hiterahan'i Elizabeta dia tera-dahy izy.

58 Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain'ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. 59 Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. 60 Fa niteny reniny nanao hoe: Tsia, tsy izany, fa hatao hoe Joany izy. 61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray aza amin'ny havanao manana izany anarana izany. 62 Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. 63 Dia nangataka fàfana izy, ary nanoratra hoe: Joany no anarany; ka gaga daholo izy rehetra. 64 Niaraka tamin'izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an'Andriamanitra. 65 Azon'ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin'ny tendrombohitr'i Jodea izany zava-mahatalanjona rehetra izany. 66 Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe: Ho inona re ity zaza ity? Fa nomba azy ny tànan'ny Tompo. 67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy, ka naminany hoe:

68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitr'Israely, noho izy namangy sy nanavotra ny olony,

69 ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, 70 araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ireo mpaminaniny masina hatramin'ny andro tany aloha, 71 mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika. 72 He izany nanaovany famindra-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,

73 dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika 74 fahafahana amin'ny tànan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika azy tsy aman-tahotra, 75 amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. 76 Ary hianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo hianao hamboatra ny halehany,

77 mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony: 78 Noho ny halehiben'ny famindra-pon'ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,

79 mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin'ny làlam-piadanana. 80 Dia nitombo sy nihahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an'efitra, ambara-pahatongan'ny andro hisehoany amin'Israely.

Toko faha-2

1 Tamin'izany andro izany dia namoaka didy Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran'ny vahoakany amin'ny tany rehetra:

2 dia fony Sirinosy no governoran'i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. 3 Dia samy nankany amin'ny tanàna nihaviany avy izy rehetra mba hosoratana. 4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan'i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian'i Davida izy, 5 mba hosoratana izy sy Maria vadiny izay bevohoka. 6 Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan'i Maria, 7 ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny. 8 Ary tamin'izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.

9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr'Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. 10 Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra hianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamba-jaza, sady mandry ao amin'ny fihinanam-bilona hianareo. 13 Ary niaraka tamin'izay nisy antokon'ny tafika any an-danitra tonga teo amin'ilay anjely, ka nidera an'Andriamanitra, nanao hoe: 14 Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary fiadanana etý an-tany ho amin'ny olona tsara sitra-po! 15 Ary rahefa nandao azy ireo ny anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany.

16 Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy Josefa ary ny Zaza kely mandry amin'ny fihinanam-bilona; 17 ary rahefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1367