Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-2
18 Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; 19 fa Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. 20 Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. 21 Ary rahefa afaka ny havaloan'andro ka hoforana ny Zaza, dia natao hoe Jesoa no anarany, araka ilay nataon'ny anjely fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo izy.22 Ary rahefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn'i Moizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin'ny Tompo,
23 araka ny voasoratra ao amin'ny Lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an'ny Tompo, 24 ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa, araka ny voalaza ao amin'ny Lalàn'ny Tompo. 25 Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an'Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina,
26 sady efa nanambaran'ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Dia nentin'ny Fanahy Masina izy hankao amin'ny tempoly, ka nony nitondra an'i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin'ny Lalàna ny aminy, 28 dia nitrotro azy izy ka nisaotra an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, 30 fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, 31 izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 dia fahazavana hanilo ny jentily sady voninahitr'Israely olonao. 33 Dia gaga ny ray aman-drenin'ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
34 Ary nitso-drano azy ireo Simeona, ka nilaza tamin'i Maria renin'ny Zaza hoe: Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin'Israely ary ho famantarana hotoerina, 35 -ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra - mba hiseho ny hevitry ny fo maro. 36 Ary nisy koa mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanak'i Fanoela fokon'i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian'ny nahavirjiny azy,
37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin'ny tempoly, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina tamin'ny fifadian-kanina sy fivavahana. 38 Tonga koa izy tamin'izany fotoana izany, ka nidera an'Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana an'i Jerosalema. 39 Ary nony tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn'ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
40 Ary nitombo sy nihatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra. 41 Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin'ny andro fetin'ny Paka;
42 ka nony efa roa ambin'ny folo taona izy, dia niakatra araka ny fanao amin'izany fety izany izy ireo, 43 ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. 44 nataon'izy ireo ho niaraka tamin'ny niray dia taminy izy, ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany; 45 ary nony tsy nahita azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy. 46 Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin'ny tempoly izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy,
47 ary talanjona izay rehetra nandre azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. 48 Ary nony nahita azy izy ireo dia gaga, ary hoy reniny taminy: Anaka, nahoana hianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao. 49 Fa hoy izy taminy: Nahoana no nitady ahy hianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin'ny Raiko aho? 50 Faingy tsy azon'izy ireo ny teny nolazainy taminy. 51 Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta izy, ary dia nanaiky azy; fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. 52 Ary Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin'Andriamanitra sy ny olona.
Toko faha-3
1 Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folon'ny nanjakan'i Tibera Sezara, fony Pontsy Pilaty no governora tany Jodea, Heroda no tetrarka tany Galilea, Filipo rahalahiny no tetrarka tany Abilena,2 ary Ana sy Kaifa no lehiben'ny mpisorona, dia tonga tamin'i Joany zanak'i Zakaria tany an'efitra ny tenin'Andriamanitra. 3 Dia nankany amin'ny tany rehetra amoron'i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, 4 araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Izaia mpaminany hoe: Re ny feon'ilay miantso any an'efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny halehany; 5 ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina, 6 dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra. 7 Ary hoy izy tamin'ireo vahoaka be nidodododo hataony batemy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny hatezerana ho avy?
8 Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana, ary aza manao anakampo hoe: Abrahama no rainay; fa lazaiko marina aminareo fa azon'Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an'i Abrahama na dia amin'ireto vato ireto aza. 9 Efa mby eo am-poto-kazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. 10 Ary hoy ny vahoaka nanontany azy: Inona àry no hataonay? 11 Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa. 12 Ary nisy poblikàna nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?
13 Dia hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina halainareo. 14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay? Dia hoy ny navaliny azy: Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin'izay karamanareo. 15 Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa Joany angaha no Kristy,
