Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-3
16 dia niteny Joany ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batemy anareo amin'ny rano, fa avy ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho: izy no hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 17 eny an-tànany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin'ny afo tsy mety maty. 18 Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin'ny olona; 19 fa Heroda tetrarka, izay nanariny noho ny amin'i Herodiada vadin-drahalahiny sy noho ny ratsy rehetra nataony, 20 dia nanampy heloka indray ka nanidy an'i Joany tao an-tranomaizina. 21 Tamin'ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa Jesoa, ka raha mbola nivavaka izy dia nisokatra ny lanitra;22 ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an'ny voromailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako indrindra. 23 Tokony ho telopolo taona Jesoa tamin'izy nanomboka nitory ny Evanjely, dia nataon'ny olona ho zanak'i Josefa izay zanak'i Hely, zanak'i Matata,
24 zanak'i Levì, zanak'i Melkì, sanak'i Janè, zanak'i Josefa, 25 zanak'i Matatiasa, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Hesly, zanak'i Nagè, 26 zanak'i Mahata, zanak'i Matatiasa, zanak'i Semeì, zanak'i Joseka, zanak'i Jodà, 27 zanak'i Joanàna, zanak'i Rezà, zanak'i Zorobabela, zanak'i Salatiela, zanak'i Nerì 28 zanak'i Melkì, zanak'i Adì, zanak'i Kosama, zanak'i Elimadama, zanak'i Hera, 29 zanak'i Jesoasa, zanak'i Eliezera, zanak'i Jorima, zanak'i Matata, zanak'i Levì, 30 zanak'i Simeona, zanak'i Jodà, zanak'i Josefa, zanak'i Jonàna, zanak'i Eliakima, 31 zanak'i Meleà, zanak'i Menà, zanak'i Matatà, zanak'i Natàna, zanak'i Davida, 32 zanak'i Jesè, zanak'i Obeda, zanak'i Booza, zanak'i Salmona, zanak'i Naasona, 33 zanak'i Aminadaba, zanak'i Arama, zanak'i Esròna, zanak'i Faresa, zanak'i Jodà, 34 zanak'i Jakoba, zanak'Isaaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tarè, zanak'i Nakora, 35 zanak'i Saroga, zanak'i Reo, zanak'i Falega, zanak'i Hebera, zanak'i Salè, 36 zanak'i Kainàna, zanak'i Arfaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noe, zanak'i Lameka, 37 zanak'i Matosalè, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Malaleela, zanak'i Kainàna, 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
Toko faha-4
1 Ary feno ny Fanahy Masina Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin'ny Fanahy tany an'efitra efa-polo andro,2 sady nalain'ny demony fanahy izy no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. 3 Dia hoy ny demony taminy: Raha Zanak'ndriamanitra hianao, asaovy tonga mofo io vato io. 4 Fa hoy Jesoa taminy: Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra avy amin'Andriamanitra. 5 Dia nentin'ny demony niakatra tany amin'ny tendrombohitra avo anankiray izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, 6 ary hoy izy taminy: Homeko anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. 7 Koa izao àry: raha mitsaoka ahy hianao, dia ho anao avokoa izy. 8 Fa izao no navalin' i Jesoa azy: Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao. 9 Dia nentiny tany Jerosalema indray izy, ka napetrany teo an-tampon'ny tempoly, ary nilazany hoe: Raha Zanak'Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any; 10 fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina anao ny anjeliny, 11 ary hitondra anao eo an-tànany izy ireo fandrao tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 12 Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao. 13 Nony tapitra nanao izao fakam-panahy azy rehetra izao ny demony, dia nandao azy aloha mandra-pihavin'ny fotoana indray. 14 Tamin'izay Jesoa, dia nentin'ny herin'ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
15 Nampianatra tao amin'ny sinagogan'izy ireo izy, ka nankalazain'izy rehetra. 16 Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe azy izy, dia niditra tao amin'ny sinagoga araka ny fanaony tamin'ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
17 Natolotra azy ny bokin'Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: 18 Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, 19 hilaza fahafahana amin'ny mpifatotra sy fahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan'ny Tompo sy ny andron'ny famaliana. 20 Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin'ny mpitandrina ka nipetraka izy, ary nifàntaka tany aminy avokoa ny mason'izy rehetra tao amin'ny sinagoga. 21 Dia rafitra niteny taminy indray Jesoa nanao hoe: Androany no efa tanteraka eo amin'ny sofinareo izany Soratra izany. 22 Ary nankalaza azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: Tsy ny zanak'i Josefa va ity? 23 Ary hoy kosa Jesoa taminy: Marina raha tsy ataonareo amiko ilay oha-bolana hoe: Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin'ny tany nahabe anao koa.
24 Dia notohiziny hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin'ny tany nahabe azy. 25 Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin'Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan'ny mosary mafy ny tany rehetra, 26 nefa tamin'izy ireo tsy nisy nanirahana an'i Elia na dia anankiray aza, fa tamin'ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin'ny tany Sidòna ihany; 27 ary be koa no boka tao amin'Israely tamin'ny andron'i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa Naamàna Siriana ihany.
