Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko voalohany

47 Nony nahita an'i Natanaely tamy nanatona azy Jesoa, dia nilaza azy hoe: Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka. 48 Ka hoy Natanaely taminy: Ahoana no nahalalanao ahy? Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako tao ambanin'ny aviavy hianao. 49 Dia namaly azy Natanaely, ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra, hianao no Mpanjakan'Israely. 50 Ary hoy Jesoa taminy: Mino hianao satria nilazako fa hitako tao ambanin'ny aviavy hianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza hianao. 51 Dia hoy koa izy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin'ny Zanak'olona hianareo.

Toko faha-2

1 Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny renin'i Jesoa.

2 Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin'ny fampakaram-bady. 3 Nony inona, lany ny divay ka hoy renin'i Jesoa taminy: Tsy manan-divay izy ireo. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin'izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Dia hoy reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay rehetra holazainy aminareo. 6 Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon'ny Jody, nahalany rano indroa na intelon'ny famarana avy, 7 ka hoy Jesoa tamin'izy ireo: Fenoy rano ireo siny ireo. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8 Ary hoy Jesoa taminy: Tovozy amin'izao, ka ento amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. 9 Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny nihaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra 10 ka nanao taminy hoe: Ny an'ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rahefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny. 11 Izany nataon'i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony; naneho ny voninahiny izy ka nino azy ny mpianany.

12 Ary rahefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma izy sy ny reniny mbamin'ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo. 13 Ary akaiky ny Pakan'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa.

14 Hitany tao anatin'ny tempoly ny mpivarotra omby aman'ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, 15 ka nanao kotopia tamin'ny tady madinika izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin'ny omby aman'ondry hiala amin'ny tempoly; nararany ny volan'ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, 16 ary hoy izy tamin'izay nivaro-boromailala: Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. 17 Dia tsaroan'ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko. 18 Fa niteny kosa ny Jody ka nanao hoe: Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao hianao? 19 Dia namaly azy Jesoa nanao hoe: Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin'ny hateloana. 20 Ka hoy ny Jody: Enina amby efa-polo taona no nanaovana ity tempoly ity, ka hianao ve dia hanangana azy indray amin'ny hateloana e? 21 Ny vatany anefa no tempoly nolazainy. 22 Ary nony tafatsangana tamin'ny maty izy, dia tsaroan'ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan'i Jesoa izy ireo. 23 Raha mbola tany Jerosalema izy tamin'ny fetin'ny Paka, dia maro no nino ny anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;

24 nefa tsy natoky azy ireo Jesoa, satria nahalala azy rehetra izy, 25 sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin'ny olona izy, fa ny tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon'ny olona.

Toko faha-3

1 Nisy Farisiana anankiray atao hoe Nikodema, isan'ny lehibe tamin'ny Jody.

2 Nankao amin'i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe : Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin' Andriamanitra hianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy. 3 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. 4 Ary hoy Nikodema taminy : Ataon'ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy ? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray ? 5 Fa hoy Jesoa: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 6 Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. 7 Aza gaga hianao noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. 9 Dia namaly Nikodema ka nanao taminy hoe: Atao ahoana no hahatonga izany?

10 Ary hoy Jesoa taminy: Mpampianatra amin'Israely hianao ka tsy mahalala izany va? 11 Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. 12 Raha tsy mino ahy hianareo amin'ny filazako ny zavatra ety an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? 13 Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak'olona izay any an-danitra. 14 Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona koa, 15 mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. 16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.

18 Izay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra tokana. 19 Ary izao no fitsarana: tonga amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny aizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3038