Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

21 fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin'Andriamanitra. 22 Taorian'izany, dia nankany amin'ny tany Jodea Jesoa sy ny mpianany, ary niara-nitoetra tamin'izy ireo tany, sady nanao batemy ny olona.

23 Joany koa nanao batemy tany Enòna akaikin'i Salima, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy; 24 fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Joany. 25 Ary nifanditra tamin'ny Jody anankiray any amin'ny fanadiovana ny mpianatr'i Joany, 26 ka nankany amin'i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: Raby, ilay teny aminao, teny an-dafin'ny Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra. 27 Dia namaly Joany ka nanao hoe: Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28 Ary hianareo ihany no vavolombelon'ny nilazako hoe: Tsy Kristy aho, fa nirahina hialoha azy. 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon'ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena. 31 Izay avy any ambony no ambonin'ny olona rehetra; fa izay avy amin'ny tany dia tany, ka ny ety an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin'ny olona rehetra;

32 ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambarany. 33 Izay nandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. 34 Satria izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny tenin'Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen'Andriamanitra ny Fanahy. 35 Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatànany ny zavatra rehetra. 36 Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran'ny hatezeran'Andriamanitra.

Toko faha-4

1 Nony fantatry ny Tompo fa ren'ny Farisiana hoe maromaro kokoa ny mpianatr'i Jesoa sy ny olona ataony batemy noho ny an'i Joany

2 - na dia tsy izy aza fa ny mpianany no nanao batemy ny olona, - 3 dia niala tany Jodea izy ka nankany Galilea indray. 4 Ary tsy maintsy hamaky an'i Samaria izy, 5 ka tonga tany amin'ny tanànan'i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin'ny saha nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany; 6 teo no nisy ny fantsakan'i Jakoba. Ary sasatry ny dia nalehany Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron'ny fantsakana, tokony ho tamin'ny ora fahenina. 7 Dia inty nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy Jesoa taminy: Mba omeo kely aho hosotroiko,

8 fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany. 9 Dia hoy ilay vehivavy Samaritana taminy: Nahoana hianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritana). 10 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao mantsy ny fanomezan'Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely aho hosotroiko, dia hianao indray aza no ho nangataka taminy, ka homeny rano velona. 11 Hoy ravehivavy taminy: hianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina; ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany? 12 Hianao angaha lehibe noho i Jakoba razantsika, izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto na ny tenany, na ny zanany mbamin'ny bibiny? 13 Dia hoy Jesoa namaly azy: Izay rehetra misotro amin'ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin'ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay, 14 satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin'ny fiainana mandrakizay. 15 Ka hoy ravehivavy taminy: Omeo amin'izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa. 16 Fa hoy Jesoa taminy: Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa atý.

17 Tsy manam-bady aho, hoy ravehivavy. Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny filazanao hoe: tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy hianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, ka marina ny voalazanao. 19 Dia hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa Mpaminany hianao. 20 Ny razanay nivavaka teo amin'io tendrombohitra io, ary hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana. 21 Ary hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, minoa ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin'io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jody ny famonjena. 23 Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan'ny mpivavaka marina amin'ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin'ny Ray. 24 Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy fahamarinana. 25 Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy); ka rahefa tonga izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesoa taminy: Izaho izay miresaka aminao izao no izy. 27 Tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Ahoana no iresahanao aminy?

28 Ravehivavy kosa tamin'izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin'ny olona hoe: 29 Andeha hianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy? 30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an'i Jesoa. 31 Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa azy ny mpianany nanao hoe: Hano, Raby ô. 32 Fa hoy izy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. 33 Dia nifampilaza hoe ny mpianany: Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha? 34 Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Ny haniko dia ny manao ny sitra-pon'izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1594