Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-4

35 Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana sisa ny taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja. 36 Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Fa amin'ity marina ilay ohabolana hoe: Hafa no mamafy, hafa no mijinja. 38 Nirahiko hijinja amin'izay tsy nasainareo hianareo, fa olon-kafa no niasa, ka hianareo no nanohy ny asany. 39 Maro ny Samaritana tamin'izany tanàna izany no nino azy, noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe: Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra.

40 Fa nony tonga teo aminy ny Samaritana, dia nangataka azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro izy. 41 Ka vao mainka maro aza no nino azy noho ny teny nataony, 42 sy nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa izy tokoa no Mpamonjy ny olona. 43 Nony afaka ny indroa andro, dia niala tao izy ka nankany Galilea.

44 Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin'ny taniny. 45 Ary nony tonga tany Galilea izy, dia noraisin'ny Galileana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin'ny fety. 46 Dia nankany Kanà any Galilea indray izy, tany amin'ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnaoma,

47 ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea Jesoa, dia nanatona azy izy ka nangataka azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. 48 Fa hoy Jesoa taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba mety mino; 49 ka hoy ilay manamboninahitra taminy: Andeha re, Tompoko dieny mbola tsy maty ny zanako. 50 Dia hoy Jesoa taminy: Modia, fa velona ny zanakao. Ary nino ny teny nolazain'i Jesoa taminy izy ka lasa nody. 51 Nony nandeha izy, dia notsenain'ny ankiziny, ka nilazany fa velona ny zanany. 52 Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. 53 Dia fantatry ny rainy, fa tamin'izany ora izany indrindra no nilazan'i Jesoa taminy hoe: Velona ny zanakao, ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. 54 Izany no fahagagana faharoa nataon'i Jesoa, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea izy.

Toko faha-5

1 Taorian'izany, nisy andro fety tamin'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa.

2 Ary any Jerosalema ao akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin'ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. 3 Nisy marary maro nandry tamin'ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan'ny rano. 4 Fa nidina tao anatin'ny dobo ny anjelin'Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin'ny dobo rahefa nihetsiketsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretiny. 5 Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin'ny valo amby telo-polo taona teo. 6 Nony nahita azy nivalandòtra teo Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy izy taminy: Te-ho sitrana ve hianao? 7 Ary hoy ny navalin'ny marary: Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin'ny dobo rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafidina alohako. 8 Hoy Jesoa taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana. 9 Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin'izay. 10 Koa hoy ny Jody tamin'ny vao sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao hianao.

11 Fa hoy ny navaliny azy: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana. 12 Dia hoy ireo nanontany azy: Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany? 13 Tsy nahalala azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, Jesoa koa niala teo. 14 Taorian'izany dia hitan'i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy izy taminy: Indro efa sitrana hianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no manjò anao. 15 Dia lasa ralehilahy nilaza tamin'ny Jody fa Jesoa no nahasitrana azy. 16 Koa nanenjika an'i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin'ny andro sabata izy. 17 Fa hoy Jesoa taminy: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa miasa. 18 Izay indray vao mainka nitady hamono azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra. Dia notohizan'i Jesoa indray ny teniny, ka hoy izy tamin'izy ireo: 19 Lazaiko marina dia marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona ho azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; ary izay rehetra ataon'ny Ray dia ataon'ny Zanaka koa. 20 Fa tia ny Zanaka ny Ray, maneho aminy izay rehetra ataon'ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza izy, mba ho gaga hianareo. 21 Fa toy ny ananganan'ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman'ny Zanaka izay tiany koa. 22 Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka azy. 24 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.

25 Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady ary efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona. 26 Fa toy ny ananan'ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa. 27 Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria Zanak'olona. 28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny andro handrenesan'izay rehetra any am-pasana ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, 29 dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin'ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin'ny fitsanganam-pahamelohana. 30 Raha izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitra-poko aho, fa ny sitra-pon' izay naniraka ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1624