Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-5
31 Raha izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambarako;32 fa misy hafa izay manambara ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarany ahy. 33 Naniraka tany amin'i Joany hianareo, ary nanambara ny marina izy. 34 Tsy dia ny fanambarana avy amin'olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. 35 Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany. 36 Fa manana fanambarana manoatra ny an'i Joany aho, satria ny asa nomen'ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray aho. 37 Ary ny Ray izay naniraka ahy dia izy indrindra no nanambara ahy. Hianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny, 38 sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho hianareo tsy mino ilay nirahiny. 39 Mandinika ny Soratra Masina hianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara ahy;
40 nefa tsy mety manatona ahy hianareo mba hanananareo ny fiainana. 41 Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin'olombelona; 42 fa fantatro hianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao aminareo. 43 Avy aho amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy. 44 Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy hianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin'Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona! 45 Aza ataonareo fa izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia Moizy, izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an'i Moizy hianareo, dia hino ahy koa; satria nanoratra nanambara ahy izy. 47 Ary raha tsy mino izay nosoratany koa hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
Toko faha-6
1 Nony afaka izany dia lasa nankany an-dafin'ny ranomasin'i Galilea, na ny farihin'i Tiberiady Jesoa,2 ary vahoaka be no nanaraka azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin'ny marary. 3 Dia niakatra tany an-tendrombohitra Jesoa, ka nipetraka teo izy mbamin'ny mpianany. 4 Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin'ny Jody. 5 Nony nanopy ny masony Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona azy, dia hoy izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
6 Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an'izany. 7 Dia hoy Filipo taminy: Na dia mofo-na denie roan-jato aza, tsy ampy hahazoan'izy ireo sombiny kely avy akory. 8 Ny anankiray tamin'ny mpianany koa, dia Andre rahalahin'i Simona Piera, nilaza taminy hoe: 9 Misy zazalahy anankiray manana mofo orja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin'ny olona maro be toy izao? 10 Dia hoy Jesoa: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. 11 Dia nandray ny mofo Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin'izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo. 12 Rahefa voky izy ireo, dia hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Angony ny sombitsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very. 13 Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ny sombitsombin'ny mofo dimy sisa tsy lanin'izay nihinana. 14 Nony nahita ny fahagagana nataon'i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin'izao tontolo izao.
15 Dia fantatr'i Jesoa fa ho avy haka azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray izy irery nankany an-tendrombohitra. 16 Nony hariva ny andro, nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianany,
17 dia niondrana tamin'ny sambo kely ka nita ny ranomasina ho any Kafarnaoma. Efa alina ny andro tamin'izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy Jesoa, 18 ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. 19 Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stady izy ireo, dia nahita an'i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. 20 Fa hoy izy taminy: Izaho ihany, fa aza matahotra. 21 Dia naniry handray azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin'izay dia tafatody tamin'ny tany nokasainy haleha ny sambo. 22 Nony ampitso, tsaroan'ny vahoaka izay nijanona teny an-dafin'ny ranomasina fa tsy nisy afatsy sambo kely anankiray no teo, ary Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha;
23 nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin'ny tany nanomezan'ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra izy. 24 Dia niondrana tamin'ireo sambo ireo izy nony nahita fa tsy teo Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaoma hitady an'i Jesoa. 25 Ary rahefa hitany teny an-dafin'ny ranomasina izy, dia nilazany hoe: Raby, oviana no tonga teto hianao? 26 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo: Hianareo no mitady ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
27 Miasà hianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin'ny fiainana mandrakizay, dia izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase. 28 Ary hoy izy ireo taminy: Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra? 29 Namaly Jesoa ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo ilay nirahiny. 30 Fa hoy ireo taminy: Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay anao? Inona no asa ataonao? 31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an'efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny. 32 Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy Moizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; 33 satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an'izao tontolo izao no mofon'Andriamanitra.