Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

34 Ary hoy izy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. 35 Dia hoy Jesoa taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.

36 Fa efa voalazako taminareo, fa nahita ahy hianareo, nefa tsy mino. 37 Izay rehetra omen'ny Ray ahy no hanatona ahy, ary izay manatona ahy dia tsy horoahiko any ivelany, 38 satria izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon'izay naniraka ahy. 39 Ary izao no sitra-pon'izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy, fa ny mba hananganako azy amin'ny farandro. 40 Satria izao no sitra-pon'ny Raiko izay naniraka ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 41 Dia nimonomonona taminy ny Jody satria izy nanao hoe: Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra.

42 Moa tsy Jesoa zanak'i Josefa va ity, hoy izy ireo, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana ary no anaovany hoe: Nidina avy any an-danitra aho? 43 Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona hianareo. 44 Tsy misy olona mahay manatona ahy akory raha tsy taomin'ny Ray izay naniraka ahy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 45 Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra. Koa izay rehetra nahare tamin'ny Ray ka nianatra taminy no manatona ahy. 46 Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa ilay avy amin'Andriamanitra no hàny nahita ny Ray. 47 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino ahy no manana ny fiainana mandrakizay. 48 Izaho no mofon'aina.

49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an'efitra, nefa maty ihany; 50 tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. 51 Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: 52 raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. 53 Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: Hataon'ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina? 54 Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. 55 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 56 Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. 57 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. 58 Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin'ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy. 59 Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay. 60 Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin'ny sinagoga tany Kafarnaoma izy.

61 Betsaka tamin'ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany? 62 Ary fantatr'i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka hoy izy taminy: Mahatafintohina anareo va izany? 63 Hanao ahoana hianareo, raha mahita ny Zanak'olona miakatra any amin'izay toerany taloha. 64 Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr'inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. 65 Nefa misy tsy mino aminareo. Fa fantatr'i Jesoa hatramin'ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika azy. 66 Ary hoy izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen'ny Ray azy izany. 67 Hatramin'izay dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. 68 Ka hoy Jesoa tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? 69 Dia namaly Simona Piera ka nanao taminy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza àry izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay; 70 ary izahay efa nino sy nahalala fa hianao no ilay Masin'Andriamanitra. 71 Jesoa namaly azy ireo hoe: Moa tsy izaho no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy? nefa demony ny iray aminareo. 72 Jodasy zanak'i Simona Iskariota no nantsoiny, fa io, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, no hamadika azy.

Toko faha-7

1 Taorian'izany dia nitety an'i Galilea Jesoa fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty azy ny Jody.

2 Nony efa akaiky ny fetin'ny Jody atao hoe fetin'ny Tranolay, 3 dia hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto hianao, ka mankanesa any Jodea, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa ataonao; 4 fa tsy misy mitady ny tenany ho fantatr'olona ka manao zavatra amin'ny takona. Raha manao izany zavatra izany hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. 5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino azy. 6 Dia hoy Jesoa taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako, fa ny fotoanareo no eo mandrakariva. 7 Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa izaho no halany, noho izaho milaza fa ratsy ny asany. 8 Mandehana miakatra mamonjy ny fety hianareo; fa izaho tsy miakatra mamonjy izany, satria tsy mbola tonga ny fotoako. 9 Rahefa nilaza izany izy dia nijanona tao Galilea. 10 Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina. 11 Koa nitady azy ny Jody tamin'ny andro fety nanao hoe: Aiza izy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1869