Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-7

12 Ary nitakoritsika azy be ihany ny vahoaka; ny sasany nanao hoe: Tsara fanahy izy; ny sasany kosa nanao hoe: Tsia, fa manoloky ny vahoaka izy. 13 Nefa tsy nisy sahy niresaka azy ampahibemaso noho ny fahatahorany ny Jody. 14 Nony mby teo an-tenatenan'ny fety, niakatra tao amin'ny tempoly Jesoa, ka nampianatra.

15 Dia gaga ny Jody ka nanao hoe: Ahoana re no ahaizany taratasy, nefa tsy nianatra izy tsinona? 16 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Tsy ahy ny fampianarako, fa an'ilay naniraka ahy. 17 Ka raha misy te-hanao ny sitra-pon'Andriamanitra, dia hahalala na avy amin'Andriamanitra ny fampianarako, na miteny ho ahy aho. 18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'ilay naniraka azy no marina, ary tsy misy fitaka ao aminy. 19 Moa tsy nomen'i Moizy ny Lalàna va hianareo? nefa tsy misy aminareo mahatanteraka ny Lalàna. 20 Nahoana no mitady hahafaty ahy hianareo? Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Azon'ny demony hianao; iza no mitady hahafaty anao eo? 21 Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Asa iray monja no nataoko, dia safotra hianareo rehetra.

22 Nefa ny famorana nomen'i Moizy anareo (na tsy Moizy, fa ny razana no nihaviany), dia ataonareo na amin'ny sabata aza. 23 Ka raha forana ny olona na dia amin'ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn'i Moizy, nahoana no dia tezitra amiko hianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin'ny sabata ny tenany manontolo? 24 Aza dia mitsara araka ny ivelany, fa mbà mitsara araka ny marina. 25 Tamin'izay dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: Moa tsy izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?

26 Ary nahoana no miteny ampahibemaso izy io, ka no tsy misy sahy miteny azy akory? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no Kristy? 27 Ny nihavian'izy io anefa fantatsika; fa ny hihavian'ny Kristy kosa tsy misy hahalala rahefa tonga izy. 28 Dia niantso àry Jesoa tao am-pampianarana tao amin'ny tempoly ka nanao hoe: Fantatrareo aho, ary fantatrareo koa izay nihaviako. Nefa tsy tonga ho ahy aho, fa marina ilay naniraka ahy, fa tsy fantatrareo. 29 Izaho no mahalala azy, satria izy no nihaviako, ary izy no naniraka ahy. 30 Tamin'izay dia nitady hisambotra azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany. 31 Ary maro tamin'ny vahoaka no nino azy ka nanao hoe: Rahefa tonga ny Kristy, moa hanao fahagagana betsaka kokoa noho ny ataon'ity Lehilahy ity va? 32 Ren'ny Farisiana ny vahoaka nitakoritsika toy izany ny aminy, ka naniraka miaramila hisambotra azy ny lohan'ny mpisorona sy ny Farisiana.

33 Fa hoy Jesoa: Kely foana sisa no itoerako aminareo dia hankany amin'izay naniraka ahy aho. 34 Hitady ahy hianareo, fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako. 35 Dia nifampilaza hoe ny Jody: Aiza àry no halehany no tsy ho hitantsika izy? Ho any amin'izay miely any amin'ny jentily va re izy, ka hampianatra ny jentily? 36 Ahoana no hevitr'ity teniny hoe: Hitady ahy hianareo fa tsy hahita, sady tsy azonareo aleha izay itoerako? 37 Tamin'ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana Jesoa ka niantso hoe: Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona ahy ka hisotro.

38 Fa hisy onin-drano velona hiboiboika avy ao anatin'izay mino ahy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 39 Ny Fanahy horaisin'izay hino azy no nambarany tamin'izany; fa tsy mbola nomena ny Fanahy, satria tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny Jesoa. 40 Nony nandre ireo teny ireo ny vahoaka, ny sasany nanao hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany;

41 ny sasany manao hoe: Ity no Kristy; fa hoy kosa ny sasany: Fa angaha avy any Galilea no ihavian'ny Kristy? 42 Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa avy amin'ny taranak'i Davida, sy avy amin'ny tanàna Betlehema nitoeran'i Davida no hihavian'ny Kristy? 43 Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka. 44 Ny sasany tamin'izy ireo aza nitady hisambotra azy; saingy tsy nisy sahy nitàna azy. 45 Dia niverina tany amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Farisiana ny miaramila, ka nilazan'ireo hoe: Ahoana no tsy nitondranareo azy?

46 Fa hoy ny navalin'ny miaramila: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny. 47 Dia hoy ny Farisiana tamin'ireo: Hianareo koa angaha voasolokiny? 48 Jereo ange raha mba misy loholona na Farisiana iray akory nino azy? 49 Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voaozona ireny. 50 Dia Nikodema ilay nanatona an'i Jesoa nony alina sy anisan'izy ireo, no nanao taminy hoe: 51 Moa ny Lalàntsika va manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony? 52 Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Hianao koa ve avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea. 53 Dia samy lasa nody ho any antranony avy izy ireo.

Toko faha-8

1 Jesoa kosa nankany an-tendrombohitra Oliva,

2 fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly izy, ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo izy. 3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana, ka narosony teo afovoany.

4 Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. 5 Ary Moizy ao amin'ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa hianao kosa mba ahoana, hoy hianao? 6 Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy azy, mba hisy hiampangany azy. Fa Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin'ny rantsan-tànany teo amin'ny tany. 7 Ry zareo amin'izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany azy ihany, ka nitraka izy dia nanao taminy hoe: Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. 8 Dia niondrika indray izy ka nanoratra teo amin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.181