Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-11

17 Nony tonga tany Jesoa, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy. 18 Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema tokony ho dimy ambin'ny folo stady, 19 ka maro tamin'ny Jody no tonga tao amin'i Marta sy Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. 20 Vantany vao ren'i Marta fa hoe tamy Jesoa, dia nandeha nitsena azy izy, fa Maria no nijanona tao an-trano.

21 Dia hoy Marta tamin'i Jesoa: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra anao. 23 Hoy Jesoa taminy: Hitsangana ny anadahinao. 24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro fa hitsangana izy amin'ny farandro fitsanganan'ny maty. 25 Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; 26 ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? 27 Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa hianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona, ilay hoe ho tonga amin'izao tontolo izao. 28 Ary rahefa nilaza izany izy, dia lasa niantso mangingina an'i Maria rahavaviny nanao hoe: Ao ny Tompo, ka miantso anao izy. 29 Vao nandre izany kosa Maria, dia nitsangana niaraka tamin'izay, ka nankao aminy.

30 Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna Jesoa, fa mbola teo amin'izay nitsenan'i Marta azy ihany. 31 Nony hitan'ny Jody izay tao amin'i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy fa nitsangana haingana izy ka nivoaka, dia nanaraka azy izy ireo, fa nihevitra hoe: Lasa hitomany any amin'ny fasana izy. 32 Maria kosa, nony tonga teo amin'izay nitoeran'i Jesoa ka nahita azy, dia niankohoka tamin'ny tongony sy nanao taminy hoe: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. 33 Nony nahita azy nitomany Jesoa sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra.

34 Aiza no nandevenanareo azy, hoy izy? Dia hoy ireo taminy: Andeha hianao hizaha, Tompoko. 35 Ary nitomany Jesoa. 36 Dia hoy ny Jody: Akory ity haben'ny fitiavany azy! 37 Fa hoy kosa ny sasany tamin'izy ireo: Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason'ilay teraka jamba nampahiratiny? 38 Dia niontana indray ny fon'i Jesoa, ary lasa izy nankeo amin'ny fasana, izay zohy norakofana vato. 39 Esory ny vato, hoy izy. Ka hoy Marta anabavin'ny maty taminy: Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay. 40 Ary hoy Jesoa taminy: Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino hianao, dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra? 41 Dia nesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe: Misaotra anao aho, Raiko, satria efa nihaino ahy hianao. 42 Raha izaho, dia fantatro fa mihaino ahy mandrakariva hianao; fa noho ireto vahoaka manodidina ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa hianao no naniraka ahy. 43 Rahefa nilaza izany izy dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Mivoaha,ry Lazara. 44 Ka niaraka tamin'izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tànany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy Jesoa tamin'ny olona: Vahao izy ka avelao handeha. 45 Ary maro tamin'ny Jody izay tonga tao amin'i Maria sy Marta sy nahita ny nataon'i Jesoa no nino azy. 46 Fa ny sasany tamin'izy ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Farisiana, ka nilaza taminy izay nataon'i Jesoa.

47 Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben'ny mpisorona sy ny Farisiana ka nanao hoe: Inona ity ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny? 48 Raha avelantsika hanao ihany izy, dia hino azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Romana dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika. 49 Dia hoy ny anankiray tamin'izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben'ny mpisorona tamin'izany taona izany: Tsy mahalala na inona na inona hianareo, 50 na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an'ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo. 51 Tsy avy aminy anefa no nitenenany an'izany, fa noho izy lehiben'ny mpisorona tamin'izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an'ny firenena Jesoa, 52 ary tsy ho an'ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak'Andriamanitra izay efa niely koa ho antokony iray. 53 Hatramin'izany andro izany dia nikendry izay hahafaty azy izy ireo. 54 Koa tsy nandeha am-pahibemaso tany amin'ny Jody intsony Jesoa, fa niala teo nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efrema, dia nitoetra tany izy mbamin'ny mpianany.

55 Efa akaiky ny Pakan'ny Jody tamin'izay ka maro ny olona avy tamin'izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan'ny Paka, mba handio tena. 56 Dia nitady an'i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin'ny tempoly hoe: Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve izy? Ny lehiben'ny mpisorona sy ny Farisiana tamin'izany efa nandidy fa izay mahita ny itoerany dia tsy maintsy milaza, mba hisamborana azy.

Toko faha-12

1 Nony henemana sisa tsy hahatongavan'ny Paka, dia tonga tany Betania Jesoa tany amin'izay nitoeran'i Lazara, ilay natsangan'i Jesoa tamin'ny maty.

2 Nanaovan'ny tao nahandro izy, ka Marta nampihinana, Lazara isan'izay niara-nihinana taminy. 3 Ary Maria kosa naka diloilo manitra saro-bidy lanjana iray livatra natao tamin'ny salohin'ny narda, dia nanosotra ny tongotr'i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ka nandraraka eran'ny trano ny hanitry ny diloilo. 4 Tamin'izay hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika azy hoe: 5 Tsy naleo re namidy denie telon-jato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra? 6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an'izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. 7 Ka hoy Jesoa taminy: Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin'ny andro handevenana ahy. 8 Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava. 9 Maro tamin'ny Jody no nahare hoe tao Betania Jesoa, ka tonga tao, tsy noho Jesoa ihany, fa mba hahita an'i Lazara ilay natsangany tamin'ny maty koa.

10 Fa Lazara koa dia efa notetehin'ny lehiben'ny mpisorona hovonoina,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1794