Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-12

11 satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin'ny Jody ka nino an'i Jesoa. 12 Nony ampitso, dia ren'ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema Jesoa,

13 ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena azy sy niantso hoe: Hosana, hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo, sy Mpanjakan'Israely. 14 Ary Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: 15 Aza matahotra, ry zanakavavin'i Siona; indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky. 16 Tamin'izay dia tsy mbola fatatry ny mpianany ny hevitr'izany, fa nony efa voasandratra tamin'ny voninahiny Jesoa vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon'izy ireo taminy koa. 17 Koa nanambara azy ny vahoaka izay nanatrika ny fiantsoany an'i Lazara hivoaka tamin'ny fasana sy ny nananganany azy tamin'ny maty, 18 ka ny nandrenesan'ny vahoaka be ny nanaovany an'izany fahagagana izany indrindra no nihaviany hitsena azy. 19 Dia vaky ny Farisiana nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahomby hianareo; indro fa mirohotra manaraka azy avokoa izao tontolo izao. 20 Ary nisy jentily sasany anisan'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro fety,

21 nanatona an'i Filipo, izay avy tany Betsaïdan'i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesoa izahay. 22 Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andre ka dia i Andre sy Filipo no niara-nilaza tamin'i Jesoa. 23 Ary namaly azy Jesoa ka nanao hoe: Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona. 24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin'ny tany, 25 dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. 26 Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko koa. Raha misy manompo ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy. 27 Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo aho ho afaka amin'ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin'izao ora izao. 28 Raiko ô, omeo voninahitra ny anaranao. Tamin'izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nomeko voninahitra izy, ary mbola homeko voninahitra indray. 29 Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: Kotro-baratra izany; fa hoy kosa ny sasany hoe: Anjely niteny taminy izay. 30 Dia hoy Jesoa hoe: Tsy ho ahy izany feo izany, fa ho anareo. 31 Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an'izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an'izao tontolo izao no horoahina. 32 Ary izaho rahefa tafasandratra hiala amin'ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona ahy. 33 (Ny nolazainy tamin'izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany). 34 Ka hoy ny vahoaka namaly azy: Efa renay tamin'ny Lalàna fa maharitra mandrakizay ny Kristy, ka ahoana no lazainao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany? 35 Dia hoy Jesoa taminy: Kely foana sisa hitoeran'ny mazava eo aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny aizina hianareo, satria izay mandeha amin'ny aizina dia tsy mahalala izay alehany akory. 36 Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana hianareo. Nony voalazan'i Jesoa izany, dia lasa izy niery azy ireo. 37 Na dia betsaka aza ny fahagagana nataony teo imason'izy ireo, dia tsy nino azy izy,

38 mba hahatanteraka ny tenin'Izaia mpaminany manao hoe: Tompo ô, iza moa no nino izay teny nampilazaina anay, ary zovy no nampisehoana ny sandrin'ny Tompo? 39 Izany no tsy nahazoan'izy ireo nino, sady hoy koa Izaia: 40 Efa nohajambainy ny masony, ary nohamafisiny ny fony, fandrao hahita ny masony ka hahafantatra ny fony, dia hibebaka izy, ka sao hositraniko. 41 Izaia no nilaza izany dia nahita ny voninahitry ny Tompo izy, ka nanambara azy. 42 Kanefa na eo aza izany, dia maro ihany na hatramin'ny loholona aza no nino azy, saingy tsy nampiseho ny finoany izy ireo noho ny Farisiana, fandrao dia roahiny amin'ny sinagoga,

43 satria naleony ny voninahitra avy amin'ny olona toy izay ny voninahitra avy amin'Andriamanitra. 44 Ary niantso Jesoa nanao hoe: Izay mino ahy, dia tsy izaho no inoany, fa izay naniraka ahy; 45 ary izay mahita ahy, dia mahita izay naniraka ahy. 46 Tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana aho, mba tsy hitoetra ao anatin'ny maizina izay rehetra mino ahy. 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy. 48 Izay manamavo ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin'ny farandro, 49 satria tsy niteny ho ahy aho, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. 50 Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

Toko faha-13

1 Talohan'ny fetin'ny Paka, fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ka rahefa notiaviny tokoa ny azy izay amin'izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy.

2 Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, Jodasy Iskariota zanak'i Simona moa efa nomen'ny demony hevitra hamadika azy, 3 Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tànany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no nihaviany sady Andriamanitra koa no iverenany, 4 dia nitsangana teo am-pihinanana izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany; 5 rahefa izany, nampidina rano tamin'ny tavy izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin'ny lamba nisikinany. 6 Ary nanatona an'i Simona Piera izy; fa hoy Piera taminy: Adre! Hianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro? 7 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana. 8 Fa hoy Piera taminy: Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana hianao. Ka hoy Jesoa namaly azy: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy hanana anjara amiko, 9 Dia hoy Simona Piera taminy: Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tànako sy ny lohako koa. 10 Fa hoy Jesoa taminy: Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary hianareo koa dia madio, nefa tsy hianareo rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1581