Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-13
11 Izy no nanao hoe: Tsy hianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika azy. 12 Nony efa voasasany ny tongotr'izy ireo, dia nandray ny lamba izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo?13 Hianareo manao ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa aho. 14 Ka raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, hianareo samy hianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; 15 satria nomeko fianarana hianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16 Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.
17 Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra hianareo raha manao izany. 18 Tsy hianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely ahy. 19 Ilazako izany hianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa izaho no izy. 20 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy. 21 Rahefa nilaza izany Jesoa, dia nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava izy nanao hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika ahy ny anankiray aminareo.
22 Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy. 23 Ary ny anankiray tamin'izy ireo, ilay tian'i Jesoa, no teo anilany niankina tamin'ny tratrany, 24 ka nanatsika azy Piera nanao taminy hoe: Iza ilay lazainy izay? 25 Dia naraikany tamin'ny tratran'i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: Iza moa izany, Tompoko? 26 Ary hoy Jesoa hoe: Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin'ny rò no izy. Dia natsobony ny mofo ka natolony an'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona. 27 Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo Jodasy dia nidiran'ny demony, ka hoy Jesoa taminy: Ataovy haingana izay ataonao. 28 Tsy nisy nahalala izay anton'ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana; 29 fa noho Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon'ny sasany fa izao no nolazain'i Jesoa taminy: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra. 30 Vao nandray ilay sombi-mofo Jodasy dia nivoaka niaraka tamin'izay. Efa alina ny andro tamin'izany. 31 Nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesoa: Nomem-boninahitra izao ny Zanak'olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.
32 Ary raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra azy eo amin'ny tenany sy hanome voninahitra azy faingana. 33 Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady ahy hianareo, ary toy ny voalazako tamin'ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. 35 Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia. 36 Hoy Simona Piera taminy: Ho aiza hianao, Tompoko? Dia hoy Jesoa: Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka ahy hianao. 37 Ahy hoy Piera taminy: Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka anao ankehitriny? Hafoiko ho anao hatramin'ny aiko aza. 38 Fa hoy Jesoa: Hafoinao ho ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan'ny maneno akoho, dia handà ahy intelo hianao.
Toko faha-14
1 Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an'Andriamanitra hianareo, ka minoa ahy koa.2 Misy fitoerana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo aho; fa handeha aho hanamboatra fitoerana ho anareo, 3 ary rahefa lasa aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay alehako. 5 Dia hoy Tomà taminy: Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny làlana? 6 Ary hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin'izao, dia mahafantatra azy hianareo, sady efa nahita azy.
8 Dia hoy Filipo taminy: Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany. 9 Fa hoy Jesoa taminy: Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve aho, ry Filipo? Izay nahita ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va hianao fa izaho no amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa ny teniko fa izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato amiko; 12 na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray aho, 13 ka izay rehetra angatahinareo amin'ny Ray amin'ny anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hotanterahiko izany. 15 Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary izaho kosa hangataka amin'ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa hianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa hianareo no hahafantatra azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo izy. 18 Tsy havelako ho kamboty hianareo, fa hankaty aminareo aho.
19 Raha afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita ahy, satria velona aho, ary ho velona koa hianareo. 20 Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa izaho ao amin'ny Raiko, hianareo ato amiko, ary ho velona koa hianareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian'ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho. 22 Ary Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe: Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?