Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

23 Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. 24 Fa izay tsy tia ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy ahy, fa an'ny Ray izay naniraka ahy. 25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo aho.

26 Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. 27 Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. 28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia ahy hianareo, dia ho faly tokoa amin'izao handehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho izaho ny Ray. 29 Ary izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, 31 fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.

Toko faha-15

1 Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.

2 Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. 3 Efa madio hianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. 4 Mitomoera ao amiko, ary izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin'ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa hianareo raha tsy mitoetra ao amiko. 5 Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona hianareo. 6 Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. 7 Raha mitoetra ao amiko hianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo hianareo, ka hatao aminareo izany. 8 Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be hianareo sy tonga mpianatro. 9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin'ny fitiavako hianareo. 10 Raha mitandrina ny didiko hianareo no hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy itoerako amin'ny fitiavany. 11 Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. 12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

13 Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany. 14 Hianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. 15 Tsy ataoko hoe mpanompo intsony hianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Raiko. 16 Tsy hianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan'ny vokatrareo, sy hanomezan'ny Raiko anareo izay rehetra angatahinareo amin'ny anarako. 17 Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo. 18 Raha halan'izao tontolo izao hianareo, dia fantaro fa izaho no halany talohanareo.

19 Raha olon'izao tontolo izao hianareo, dia hotian'izao tontolo izao izay azy; fa noho hianareo tsy olon'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao hianareo. 20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehina aho, dia hoenjehina koa hianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. 21 Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny anarako, satria tsy fantany ilay naniraka ahy. 22 Raha tsy tonga aho ka tsy niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny tsy manana fialan-tsiny izy amin'ny fahotany. 23 Izay mankahala ahy dia mankahala ny Raiko koa. 24 Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon'olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala ahy sy ny Raiko. 25 Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin'ny Lalàny hoe: Nankahala ahy foana izy ireo. 26 Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, na ny Fanahin'ny fahamarinana izay avy amin'ny Ray, dia izy no hanambara ahy. 27 Ary hianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin'ny voalohany hianareo.

Toko faha-16

1 Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo.

2 Fa horoahiny amin'ny sinagoga hianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran'izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an'Andriamanitra. 3 Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy misy fantany na ny Ray na izaho. 4 Ary izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana fa efa voalazako taminareo izany. 5 Tsy mbola nolazaiko taminareo izany tamin'ny voalohany, satria mbola teto aminareo aho; fa ankehitriny handeha ho any amin'ilay naniraka ahy aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza hianao? 6 Fa noho izaho nilaza izany taminareo, dia feno alahelo ny fonareo. 7 Milaza ny marina aminareo anefa aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha aho, dia haniraka azy ho atý aminareo. 8 Ary rahefa tonga izy, dia handresy lahatra an'izao tontolo izao ny amin'ny fahotana, sy ny amin'ny fahamarinana, ary ny amin'ny fitsarana: 9 ny amin'ny fahotana, satria tsy mino ahy izy ireo; 10 ny amin'ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray aho, ka tsy ho hitanareo intsony; 11 ary ny amin'ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao. 12 Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny;

13 fa rahefa tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia izy no hitaridàlana anareo amin'ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho azy izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. 14 Hanome voninahitra ahy izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.169