Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

15 Ahy izay rehetra ananan'ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko izy ka hanambara izany aminareo. 16 Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo, satria mankany amin'ny Ray aho. 17 Tamin'izay ny mpianany sasany dia nifampilaza hoe: Ahoana no ilazany amintsika hoe: Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo, satria mankany amin'ny Ray aho? 18 Dia hoy izy ireo: Inona izany lazainy hoe: Rahefa afaka kelikely? Tsy fantatsika izay lazainy. 19 Ary fantatr'i Jesoa fa ta-hanontany azy izy ireo, ka hoy izy taminy: Hianareo mifanontany ny amin'ny teniko hoe: Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo. 20 lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo hianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo hianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21 Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin'izao tontolo izao. 22 Manana alahelo koa hianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. 23 Amin'izany andro izany dia tsy hanontany ahy na inona na inona intsony hianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray, dia homeny anareo amin'ny anarako. 24 Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha àry, dia hahazo hianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 25 Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin'ny ray.

26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako hianareo, ary izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin'ny Ray aho, 27 satria ny Ray tia anareo koa noho ny nitiavanareo ahy sy ninoanareo fa avy amin'Andriamanitra aho. 28 Avy amin'ny Ray no tonga amin'izao tontolo izao aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin'ny Ray aho. 29 Dia hoy ny mpianany taminy: Indro milaza tsotra hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. 30 Fantatray amin'izao fa mahalala ny zavatra rehetra hianao, ka tsy mila hanontanian'olona: izany no inoanay fa avy amin'Andriamanitra hianao. 31 Jesoa namaly azy hoe: Mino ange hianareo ankehitriny? 32 Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin'izay halehany avy, sy handaozanareo ahy ho irery; nefa tsy irery aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray. 33 Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana hianareo eto amin'izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an'izao tontolo izao aho.

Toko faha-17

1 Rahefa voalazan'i Jesoa izany, dia niandrandra ny lanitra izy, ka nanao hoe: Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan'ny Zanaka voninahitra anao,

2 fa efa nomenao fahefana amin'ny nofo rehetra izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an'izay rehetra nomenao azy. 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala anao hàny Andriamanitra marina sy Jesoa-Kristy izay nirahinao. 4 Nanome voninahitra anao aho tety ambonin'ny tany, fa tanterako ny asa nomenao ahy hataoko. 5 Ary ankehitriny kosa dia anao, Raiko ô, ny manome voninahitra ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 6 Nitory ny anaranao tamin'ny olona nomenao ahy ao amin'izao tontolo izao; anao izy ireo, ka nomenao ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.

7 Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao ahy; 8 satria nomeko azy ny teny nomenao ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao aho, ary ninoany tokoa fa hianao no naniraka ahy. 9 Mangataka ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an'izao tontolo izao aho, fa ho an'izay nomenao ahy, satria anao izy ireo

10 (fa anao izay ahy rehetra, ary ahy izay anao rehetra), ary nahazo voninahitra amin'izy ireo aho. 11 Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony aho; izy ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, tahirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. 12 raha mbola teo amin'izy ireo aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao ahy aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. 13 Ankehitriny mankany aminao aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin'izao tontolo izao, mba hananan'izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Nomeko azy ny teninao, ka halan'izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy koa. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ny ratsy. 16 Tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy ireo koa. 17 Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao ahy ho ao amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin'izao tontolo izao koa. 19 Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin'ny fahamarinana koa izy. 20 Tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay hino ahy noho ny teniny koa:

21 mba ho iray izy rehetra, tahaka anao, Ray, ato amiko, ary izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan'ny olona fa hianao no naniraka ahy. 22 Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika: 23 Izaho moa ao aminy, hianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr'izao tontolo izao fa hianao no naniraka ahy. 24 Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin'izay itoerako, ireo nomenao ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao ahy, satria efa tia ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao hianao. 25 Ray marina ô, tsy nahalala anao izao tontolo izao, fa izaho no nahalala anao, ary ireto koa no nahalala fa hianao no naniraka ahy. 26 Efa nampahafantariko ny anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao ahy, ary mba ho ao aminy koa aho.

Toko faha-18

1 Rehefa voalazan i Jesoa izany, dia lasa izy sy ny mpianany nankany an-dafin'ny riakan'i Sedrona, izay nisy saha anankiray nidiran'izy sy ny mpianany.

2 Fantatr'i Jodasy ilay namadika azy koa io toerana io, satria falehan'i Jesoa sy ny mpianany matetika. 3 Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana. 4 Jesoa tamin'izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: Iza no tadiavinareo? 5 Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Jesoa avy any Nazareta. Ka hoy Jesoa taminy: Izaho no izy. Eo koa izany Jodasy ilay namadika azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2826