Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

24 Fa Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin'izy ireo tamin'ny nahatongavan'i Jesoa.

25 Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin'ireo: Raha tsy hitako ao amin'ny tànany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin'ny lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho. 26 Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa Tomà, dia tonga Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany izy ka nanao hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! 27 Ary hoy izy tamin'i Tomà: Ataovy eto ny rantsan-tànanao, ka zahao ny tànako, ary arosoy ny tànanao, ka atehefo eto amin'ny lanivoako; dia minoa, fa aza malain-kino. 28 Dia namaly Tomà ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Fa hoy Jesoa taminy: Nino hianao, ry Tomà, satria nahita ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino. 30 Maro koa ny fahagagana hafa nataon'i Jesoa teo imason'ny mpianany no tsy voasoratra amin'ity boky ity.

31 Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy Zanak'Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin'ny anarany, amin'ny finoana azy.

Toko faha-21

1 Taorian'izany, dia niseho tamin'ny mpianany teo amoron-dranomasin'i Tiberiady indray Jesoa, ary toy izao no nisehoany.

2 Tafaraka Simona Piera sy Tomà izay atao hoe Didimo, ary Natanaely izay avy tany Kanàn'i Galilea, mbamin'ireo zanak'i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Fa hoy Simona Piera tamin'izy ireo: Handeha hanarato aho. Fa hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin'iny alina iny. 4 Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe Jesoa izy. 5 Ka hoy Jesoa tamin'izy ireo: Manan-kanina va hianareo, anaka? Dia hoy ny navaliny azy: Tsia. 6 Alatsaho ao an-kavanan'ny sambo kely àry ny haratonareo, hoy izy tamin'izy ireo, fa hahazo hianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano. 7 Ary hoy ilay mpianatra malalan'i Jesoa tamin'i Piera: Ny Tompo io. Nony ren'i Simona Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin'ny ranomasina izy. 8 Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. 9 Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.

10 Ary hoy Jesoa taminy: Itondray ny hazandrano vao azonareo. 11 Dia niakatra Simona Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimam-polo amby zato; nefa tsy triatra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. 12 Dia hoy Jesoa tamin'izy ireo: Avia hisakafo. Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany azy hoe: Iza moa hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13 Dia nanatona Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. 14 Izay no fanintelony nisehoan'i Jesoa tamin'ny mpianany, rahefa nitsangana tamin'ny maty izy. 15 Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy Jesoa tamin'i Simona Piera: Ry Simona zanak'i Joany, moa tia ahy mihoatra noho ireto va hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko.

16 Ary hoy indray izy taminy fanindroany: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko. 17 Ary hoy indray izy taminy fanintelony: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Dia nalahelo Piera fa nontaniany fanintelony hoe: Moa tia ahy va hianao? ka hoy izy taminy: Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: fahano àry ny reniondriko. 18 Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora hianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa hianao, dia hiraviravy ny tànanao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin'izay tsy tianao.

19 Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan'i Piera voninahitra an'Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany izy, dia nanao taminy hoe: Manaraha ahy. 20 Nony nitodika Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan'i Jesoa izay niankina tamin'ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika anao? 21 Ary nony nahita azy Piera dia hoy izy tamin'i Jesoa: Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran'ity? 22 Dia hoy Jesoa taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha ahy hianao. 23 Dia niely tamin'ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany? 24 Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany.

25 Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.

Ny Asan'ny Apostoly

Toko voalohany

1 Ry Teofily, efa voalazako tamin'ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa sy nampianariny,

2 hatramin'ny andro nampakarana azy, nony efa nomeny ny didiny tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny. 3 Taorian'ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin'izy ireo fa velona tokoa izy, sady niseho taminy nandritra ny efa-polo andro izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan'Andriamanitra tamin'izy ireo. 4 Ary ilay niaraka tamin'izy ireo iny izy, dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry izay nampanantenain'ny Ray, araka ny efa renareo tamin'ny vavako, hoy izy.

5 Fa Joany nanao batemy tamin'ny rano, ary hianareo kosa hatao batemy amin'ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy. 6 Ka izay tafangona teo dia nanontany azy hoe: Tompoko, amin'izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan'Israely indray? 7 Fa hoy ny navaliny azy ireo: Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana izay efa nalahatry ny Ray amin'ny fahefany. 8 Fa rahefa hidinan'ny Fanahy Masina hianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodea ary Samaria ka hatrany amin'ny fara vazan-tany. 9 Nony efa nilaza izany izy, dia nakarina teo anatrehan'izy ireo; ary nisy rahona nanakona azy, ka tsy hitan'ny masony intsony izy.

10 Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin'i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany, 11 nanao hoe: Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana hianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo azy niakatra any an-danitra. 12 Tamin'izay izy ireo dia niverina tany Jerosalema, avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay làlana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.

13 Nony tonga dia niakatra tao amin'ilay rihana fitoerany izy ireo, dia Piera sy Joany, Jakoba sy Andre, Filipo sy Tomà, Bartelemy sy Matio, Jakoba zanak'i Alfe sy Simona Zeloty, ary Joda rahalahin'i Jakoba. 14 Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin'ny vehivavy sasany, sy Maria renin'i Jesoa, ary ny rahalahiny. 15 Tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan'izy nivory teo) ka nanao hoe:

16 Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an'i Jesoa; 17 fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin'izao fandraharahantsika izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1681