Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-19
16 Tamin'izay dia natolony azy hofantsihana Jesoa, ka noraisin'izy ireo izy, dia nentiny. 17 Nentin'i Jesoa ny hazo fijaliana, dia tonga teo amin'ny toerana atao hoe Kalvery izy, na hoe Golgota amin'ny teny hebrio.18 Teo no namantsihany azy tamin'ny hazo fijaliana, niaraka tamin'ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa, fa Jesoa teo afovoany. 19 Ary nanao soratra Pilaty napetany teo an-dohan'ny hazo fijaliana, ka izao no vakiny: Jesoa avy any Nazareta mpanjakan'ny Jody. 20 Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin'ny tanàna ny toerana namantsihana an'i Jesoa; sady vita tamin'ny teny hebrio sy greka ary latina ny soratra. 21 Ka hoy ny mpisoron'ny Jody tamin'i Pilaty: Aza atao hoe mpanjakan'ny Jody, fa hoe izy nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jody aho. 22 Fa hoy Pilaty hoe: Izay voasoratro dia voasoratro. 23 rahefa voafantsiky ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany,
24 ka nifampilaza hoe izy ireo: Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hilokantsika, dia ho lasan'izay hahazo ny loka. Koa tanteraka tamin'izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon'ny miaramila. 25 Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena.
26 Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. 27 Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy. 28 Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: Mangetaheta aho. 29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin'ny hazo hisopy, dia natohoka teo am-bavany. 30 Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe: Tanteraka ny zavatra rehetra. Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina. 31 Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany).
32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; 33 fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. 34 Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay. 35 Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. 36 Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza. 37 Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: Hijery izay nolefoniny izy. 38 Rahefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr'i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody dia nangataka tamin'i Pilaty mba haka ny fatin'i Jesoa, ka neken'i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin'i Jesoa.
39 Ary tonga koa Nikodema ilay nanatona an'i Jesoa nony alina tamin'ny voalohany nitondra mira sy aloesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra. 40 Koa nalainy ny fatin'i Jesoa, dia nasiany zava-manitra sy nofonosiny lamba araka ny fanaon'ny Jody amin'ny fandevenana. 41 Nisy saha anankiray kosa tao amin'ilay toerana namantsihana an'i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin'ilay saha. 42 Ka noho ny maha-andro fiomanan'ny Jody tamin'izay dia tao no nandevenany an'i Jesoa, satria akaiky ny fasana.
Toko faha-20
1 Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato.2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. 3 Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana, 4 ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana. 5 Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6 Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, 7 sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terý. 8 Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9 Fa tsy mbola fantatr'izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesoa. 10 Dia lasa ny mpianatra nody tany aminy. 11 Fa Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy,
12 ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra. 13 Dia hoy izy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Ka hoy izy namaly ireo: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany azy. 14 Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe Jesoa io. 15 Ary hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Iza no tadiavinao? Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: Raha hianao re no naka azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao azy, hangalako azy. 16 Dia hoy Jesoa taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: Rabony! (izany hoe Mpampianatra). 17 Aza mikasika ahy, hoy Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny ray aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny rainareo aho, ary any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 18 Dia lasa Maria Madelena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko. 19 Androtr'izay ihany, izany hoe harivan'ilay andro voalohan'ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran'ny trano nivorian'ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!
20 Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tànany sy ny lanivoany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. 21 Dia hoy indray izy tamin'izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. 22 Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin'izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: 23 ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.