Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-2

42 Ary nazoto izy ireo tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin'ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra.

43 Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon'ny Apostoly tao Jerosalema, ka raiki-tahotra ny olona rehetra. 44 Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra, 45 sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarazarainy tamin'izy rehetra, araka izay nilainy avy. 46 Nazoto niara-nankao amin'ny tempoly isan'andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, 47 niara-nidera an'Andriamanitra sady tsara laza tamin'ny vahoaka rehetra. Ary nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'izy ireo ny olom-bonjena.

Toko faha-3

1 Ary Piera sy Joany nankao an-tempoly tamin'ny fotoam-pivavahana amin'ny ora fahasivy.

2 Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan'andro sy napetraka teo am-baravaran'ny tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana tamin'izay niditra tao an-tempoly. 3 Nony nahita an'i Piera sy Joany ndeha hiditra ny tempoly ralehilahy io, dia nangataka fiantrana tamin'izy ireo. 4 Nibanjina azy Piera mbamin'i Joany nanao hoe: Jereo izahay. 5 Dia nataony tsara jery izy ireo, fa nanantena hahazo zavatra taminy izy. 6 Fa hoy Piera: Tsy manam-bolafotsy na volamena aho; fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy avy any Nazareta, mamindrà. 7 Sady noraisiny tamin'ny tànany an-kavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin'izay ny ranjony sy ny tongony, 8 dia niantsambotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin'izy ireo tao an-tempoly namindra sy niantsambotsambotra, ary nidera an'Andriamanitra. 9 Nahita azy namindra sy nidera an'Andriamantra ny vahoaka rehetra, 10 sady fantany tsara fa izy io indrindra no ilay nipetraka teo am-baravaran'ny tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana, ka gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy. 11 Ary noho izy io tsy niala teo amin'i Piera sy Joany, dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin'izy ireo teo amin'ny lavarangan'i Salomona ka talanjona. 12 Nony nahita izany Piera, dia niteny tamin'ny vahoaka hoe: Ry Israelita, nahoana no gaga amin'izany hianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io?

13 Ny Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilaty, na dia nataony halefa aza izy. 14 Ny Masina sy ny Marina nolavinareo fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. 15 Hianareo namono ny Tompon'ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty, ary izahay ireto no vavolombelon'izany. 16 Noho ny finoana ny anarany no nampahatanjahan'ny anarany an'io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpanapaka anareo; 18 fa notanterahin'Andriamanitra tamin'izany kosa izay voalazany rahateo amin'ny vavan'ny mpaminany rehetra fa hijaly ny Kristy. 19 Koa mivaloza, ary mibebàha, mba hovonoina ny helokareo,

20 ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin'ny Tompo, sy hanirahany an'ilay voatendry ho anareo, dia Jesoa-Kristy, 21 ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra ambara-pihavin'ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan'Andriamanitra tamin'ny vavan'ny mpaminany masina, hatramin'ny ela. 22 Fa hoy Moizy hoe: Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin'ny rahalahinareo; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo, 23 fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany, dia haringana tsy ho eo amin'ny vahoaka intsony. 24 Ary ny mpaminany rehetra izay niteny hatramin'i Samoely no mankaty dia samy nanambara izao andro izao avokoa. 25 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika, raha izy nilaza tamin'i Abrahama hoe: Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, 26 ka ho anareo aloha no nananganan'Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin'ny nataonareo avy.

Toko faha-4

1 Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Piera sy Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly, ary ny Sadoseana,

2 fa sosotra izy ireo noho ny nampianaran'izy roa lahy ny vahoaka sy nitoriany ny fitsanganan'ny maty efa hita tamin'i Jesoa-Kristy, 3 ka nosamboriny izy ireo, sy nataony an-tranomaizina ambara-pahamaraina ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay. 4 Maro anefa tamin'izay nandre ny tenin'izy ireo no nino, ka tonga dimy arivo ny isan'ny lehilahy. 5 Nony ampitso, dia nivory tao Jerosalema ny mpanapaka, ny loholona, ny mpanora-dalàna,

6 ary Ana lehiben'ny mpisorona, Kaifa, Joany Aleksandra, mbamin'ny havan'ny mpisorona rehetra, 7 ka nasainy nentina teo anatrehany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Amin'ny fahefan'iza, na amin'ny anaran'iza no anaovanareo izany? 8 Tamin'izay Piera dia feno ny Fanahy Masina ka nilaza tamin'izy ireo hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholon'Israely, 9 raha ny amin'ny soa nataonay tamin'ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio, 10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran'i Jesoa-Kristy avy any Nazareta, izay nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. 11 Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa; 12 ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena. 13 Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian'i Piera sy Joany, satria fantany fa sarambaben'olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin'i Jesoa izy ireo;

14 nefa tsy hitany izay hanoherany azy ireo noho ilay lehilahy sitrana hitany nitsangana teo akaikin'izy roa lahy. 15 Ka dia nasainy niala teo amin'ny fivoriana aloha izy roa lahy, ary izy ireo kosa niara-nihevitra, 16 nanao hoe: Inona no hataontsika amin'ireo lehilahy ireo? Raha ny fahagagana nataony aloha, dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany, ka tsy azontsika lavina; 17 fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka kosa, ndeha horahonantsika izy, mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza. 18 Dia nantsoiny izy ireo ka noraràny mafy mba tsy hiteny sy tsy hampianatra amin'ny anaran'i Jesoa intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1679