Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-4
19 Fa namaly Piera sy Joany ka nanao tamin'izy ireo hoe: Tsaraonareo raha marina eo imason'Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an'Andriamanitra; 20 fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay. 21 Tamin'izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an'Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo, 22 sady ity lehilahy sitrana tamim-pahagagana koa moa efa olona efa-polo taona mahery. 23 Nony afaka teo izy roa lahy, dia lasa niverina tany amin'ny namany ka nanambara tamin'izy ireo izay nolazain'ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona taminy.24 Vao nandre izany kosa ireto rahalahy, dia niara-nivavaka tamin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô! hianao no nahary ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra eo aminy. 25 Hianao no niteny tamin'ny Fanahy Masina sy tamin'ny vavan'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no nitabataba ny firenena, ary no nisaina teti-dratsy foana ny vahoaka? 26 Niodina ny mpanjakan'ny tany, ary niray tetika ny andrian-dehibe mba hanohitra ny Tompo sy ny Kristiny. 27 Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontsy Pilaty ary ny jentily mbamin'ny vahoaka Israely hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao, 28 ka hanatanteraka izay voatapaky ny tànananao sy ny lahatrao rahateo. 29 Ary ankehitriny, Tompo, jereo ny fandrahonany, ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa, 30 sady ahinjiro ny tànanao mba hisy fahasitranana sy famantarana ary fahagagana tanteraka amin'ny anaran'i Jesoa Mpanomponao masina. 31 Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin-kasahiana. 32 Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
33 Tamin-kery lehibe no nanamarinan'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesoa Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana be no teo amin'izy rehetra. 34 Tsy nisy mahantra teo amin'izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin'izay lafo, 35 ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apostoly, ka nozarazaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. 36 Nisy levita anankiray atao hoe Josefa izay nomen'ny Apostoly anarana hoe Barnabe (izany hoe zanaky ny fanalana alahelo), teraka tany Sipra: 37 nanan-tany izy, ka namidiny, dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apostoly.
Toko faha-5
1 Ary nisy kosa lehilahy anankiray atao hoe Anania, sy Safira vadiny, nivarotra tany,2 nefa nanafenany ny vidin'ny tany, araka ny tetika iraisan'izy mivady, vao nentiny napetraka teo an-tongotry ny Apostoly ny vola sisa. 3 Fa hoy Piera: Ry Anania, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin'ny vidin'ny tany? 4 Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra. 5 Nony nandre izany teny izany Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raikitahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany. 6 Dia nitsangana ny tovolahy, nofonosiny ny fatiny, ka nentiny nalevina. 7 Nony afaka tokony ho adim-pamantaranandro telo, dia inty tamy koa ny vavy, tsy nahalala izay nanjò teo akory.
8 Ka hoy Piera taminy: Lazao amiko, moa izany ihany va no nivarotanareo ny taninareo? Eny, izany ihany, hoy izy. 9 Dia hoy Piera taminy: Nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro mby eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ka hitondra anao koa. 10 Niaraka tamin'izay dia lavo teo an-tongony izy, ka afaka ny ainy. Ary nony tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty izy, ka nantiny naleviny tany anilan'ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra mafy ny Eglizy manontolo sy izay rehetra nandre izany. 12 Betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin'ny vahoaka, tamin'ny tànan'ny Apostoly. Niara-nipetraka teo ambanin'ny lavarangan'i Salomona ny mpino rehetra,
13 ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana tamin'izy ireo; nefa ny vahoaka nankazala azy. 14 Nitombo isa isan'andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy, 15 ka dia nentiny teny an-dàlambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Piera ahay, raha mandalo izy. 16 Maro koa ny olona nidodododo nankao Jerosalema avy tamin'ny tanàna manodidina nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto, ary sitrana avokoa izy rehetra. 17 Tamin'izay dia nentin'ny fialonana ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseana ireo, ka nisafoaka.
18 Nasainy nosamborina ny Apostoly, dia nataony an-tranomaizina. 19 Fa nony alina kosa dia nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina, ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe: 20 Mandehana mankao amin'ny tempoly, ka torio amin'ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin'izany fiainana izany. 21 Rahefa nandre izany izy ireo, dia niditra marainakoa tao amin'ny tempoly ka nampianatra. Tonga kosa ny lehiben'ny mpisorona sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrina mbamin'ny loholona rehetra tamin'ny zanak'Israely, ary naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly. 22 Dia nandeha ny iraka, nefa tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina intsony, ka lasa niverina nilaza izay hitany hoe:
23 Hitanay fa ny tranomaizina dia mihidy tsara, ary ny mpiambina nitsangana teo am-baravarana; kanjo nony novohanay, tsy nisy olona tao anatiny. 24 Vaka dia vaka ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ry zareo lehiben'ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany. 25 Fa tamin'izay kosa inty nisy olona anankiray tonga nilaza tamin'izy ireo hoe: Indreo ry zareo nataonareo an-tranomaizina ireny ao an-tempoly ao, sady mampianatra ny olona. 26 Dia lasa naka azy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao hotorahan'ny vahoaka vato. 27 Dia nentiny izy ireo ka napetrany tao amin'ny Sanedrina, sy nadinin'ny lehiben'ny mpisorona hoe:
28 Efa noraranay mafy hianareo mba tsy hampianatra amin'izany anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran'i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran'ny ran'iny Lehilahy iny. 29 Fa namaly Piera sy ny Apostoly ka nanao hoe: Aleo manaiky an'Andriamanitra toy izay ny olombelona. 30 Natsangan'Andriamanitry ny razantsika tamin'ny maty Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tànana an-kavanan'Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an'Israely.