Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-5
32 Ary izahay sy ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra an'izay rehetra manaiky azy no vavolombelon'izany zavatra izany. 33 Nisafoaka izay tsy izy ry zareo tamin'ny fandrenesana izany ka nifanara-kevitra izy fa hamono azy.34 Fa nitsangana teo amin'ny Sanedrina kosa ity Farisiana anankiray atao hoe Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin'ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apostoly. 35 Dia hoy izy: Ry Isrealita, tandremo ihany izay hataonareo amin'ireo lehilahy ireo. 36 Fa tsy ela akory izay no nisehoan'i Teodasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efa-jato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona. 37 Taorian'izany indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy: kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy. 38 Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin'ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin'olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy; 39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo. 40 Dia narahin'izy ireo izany toroheviny izany ka nantsoiny indray ny Apostoly, ary nony efa nasainy nokapohina tamin'ny tsora-kazo sy noraràny mafy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesoa intsony, dia nalefany.
41 Nony niala tamin'ny Sanedrina ny Apostoly, dia nandeha an-kafaliana, satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka noho ny anaran'i Jesoa. 42 Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan'andro tao an-tempoly sy tany an-tranon'olona izy ireo fa Jesoa no Kristy.
Toko faha-6
1 Tamin'izany andro izany rahefa nitombo ny isan'ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin'ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahina loatra tamin'ny fizarana ny fiantrana isan'andro ny mpitondratena tao aminy.2 Ka novorin'ny roa ambin'ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin'Andriamanitra. 3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany; 4 ary izahay kosa hikely aina amin'ny fivavahana sy ny fitorian-teny. 5 Nankasitrahan'ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, Filipo, Prokora, Nikanora, Timona, Parmenasy, ary Nikolà, proselita avy any Antiokia. 6 Narosony teo anatrehan'ny Apostoly izy ireo, ka nametrahany tànana nony efa vita ny fivavahana. 7 Dia niely ny tenin'Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana. 8 Ary feno fahasoavana sy herim-po Etiena, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe tao amin'ny vahoaka.
9 Fa ny sasany avy amin'ny sinagogan'ny Libertina, sy ny an'ny Sireneana sy ny Aleksandrina mbamin'ny Jody avy any Silisia sy Asia, dia nitsangana niady hevitra tamin'i Etiena, 10 ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo, 11 dia namoky olona hilaza hoe: Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an'i Moizy sy Andriamanitra izy io. 12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin'i Etiena sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin'ny Sanedrina. 13 Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna. 14 Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen'i Moizy antsika. 15 Ary raha nibanjina an'i Etiena ry zareo rehetra nipetraka tao amin'ny Sanedrina, dia hoatra ny anjely no fijeriny ny tarehiny.
Toko faha-7
1 Ary hoy ny mpisorona: Moa dia izany tokoa va?2 Ka hoy ny navalin'i Etiena azy: Mihainoa hianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesopotamia Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Harana, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra, 3 ka nanao taminy hoe: Ilaozy ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin'ny tany izay hatoroko anao. 4 Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Haràna. Ary nony maty rainy, dia nasain'Andriamanitra hifindra amin'ity tany onenanareo ankehitriny ity izy. 5 Tsy mba nomeny lova teto izy, na dia tany iray dia aza; nefa kosa fony mbola tsy nanan-janaka akory izy, dia efa nampanantenainy fa nomeny ho lovan'izy sy ny taranany ity. 6 Izao no nolazain'Andriamanitra: Honina amin'ny tany hafa ny taranany, ary handevozina sy hampahorina efa-jato taona. 7 Nefa hotsaraiko, hoy ny Tompo, ny firenena izay hanandevo azy, ary rahefa izany dia hivoaka izy ka hanompo ahy amin'ity tany ity. 8 Dia nomeny fanekena amin'ny famorana Abrahama, ka nony niteraka an'i Isaaka dia namora azy tamin'ny andro fahavalo; Isaaka kosa niteraka sy namora an'i Jakoba, ary Jakoba an'ireo Patriarka roa ambin'ny folo lahy. 9 Ary ireo Patriarka nialona an'i Josefa ka namidiny ho any Ejipta izy; nefa nomban'Andriamanitra kosa.
10 Fa nesoriny tamin'ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahan'i Faraona mpanjakan'i Ejipta, sy natsangany ho mpanapaka an'i Ejipta, mbamin'izay rehetra tao an-dapany. 11 Tamin'izay dia nisy mosary eran'i Ejipta sy Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika. 12 Nony ren'i Jakoba fa nisy hanina tany Ejipta, dia naniraka ny razantsika ho any izy, voalohany izay. 13 Ary tamin'ny fanindroany dia fantatry ny rahalahiny Josefa, sady fantatr'i Faraona koa ny nihaviany. 14 Tamin'izay Josefa dia nampaka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny mpianakaviny rehetra izay nisy olona dimy amby fito-polo. 15 Dia nidina tany Ejipta Jakoba, ka tany no nahafatesan'izy sy ny razantsika. 16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hemora tany Sikema. 17 Nony efa akaiky ny fotoana hahatanterahan'ny teny napetrak'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihabetsaka ny olona tany Ejipta,
18 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany, izay tsy nahalala an'i Josefa. 19 Nanao hafetsen-dratsy tamin'ny firenentsika izany mpanjaka izany, ka nampahory ny razantsika tamin'ny famoretana azy hanary ny zaza vao teraka, mba tsy ho velona ireny. 20 Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Moizy, izay tsara tarehy teo imason'Andriamanitra ka notezaina telo volana teo an-tranon-drainy aloha.
21 Ary nony nariana indray, dia nalain'ny zanakavavin'i Faraona, sy notezainy ho zanany izy, 22 ka nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny mponina any Ejipta, sy nahery tamin'ny teniny aman'asany. 23 Nony efa-polo taona izy, dia tonga tao an-tsainy ny hamangy ny zanak'Israely rahalahiny. 24 Dia nahita anankiray tamin'izy ireo nampahorina izy, ka niaro azy, sy namono nahafaty an'ilay Ejipsiana nampahory azy mba hamaliany faty an'ireo.