Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-7
25 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny, fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy, kanjo tsy fantany. 26 Ny ampitson'iny, dia tojo roa lahy niady izy, ka nanao izay hihavanany sy nilaza hoe: Ry sakaiza, mpirahalahy hianareo, ka nahoana no dia mifamely? 27 Fa natosik'ilay namely maina ny namany izy ka nataony hoe: Iza moa no nanendry an'ialahy ho mpifehy sy mpitsara anay? 28 Sao dia tadiavin'ialahy hovonoina, tahaka an'ilay Ejipsiana omaly koa anie aho? 29 Dia nandositra Moizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin'ny tany Madiana, ary niteraka zanaka roa lahy tany. 30 Rahefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy, tany an'efitry ny tendrombohitra Sinaia, teo anaty lelafo amin'ny hazo kely milobolobo.31 Gaga Moizy nahita izany; ary nony nanatona handinika izy, dia nandre ny feon'ny Tompo nanao hoe: 32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba. Tera-kovitra tery Moizy ka tsy sahy nijery akory. 33 Ary hoy ny Tompo taminy: Esory ny kiraro amin'ny tongotrao, fa masina io tany hitsahinao io. 34 Efa hitako ny fahorian'ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany, ka nidina hanafaka azy aho. Ary ankehitriny handeha hirahiko ho any Ejipta hianao. 35 Io ilay Moizy nolaviny sy nataony hoe: Iza moa no nanendry an'ialahy ho mpifehy sy mpitsara? Kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban'ilay anjely niseho taminy tao amin'ny hazo kely milobolobo.
36 Izy ihany no nanafaka azy ireo, tamin'ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta, sy tao amin'ny ranomasina Mena, ary tany an'efitra efa-polo taona. 37 Io Moizy io ihany koa no nilaza tamin'ny zanak'Israely hoe: Andriamanitra hanangana Mpaminany anankiray tahaka ahy ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, dia hihaino azy hianareo. 38 Izy ihany koa, tamin'ny fiangonana tany an'efitra, nomban'ny anjely niteny taminy teny an-tendrombohitra Sinaia sy ny razantsika, no nandray ny tenin'ny fiainana sy namindra azy tamintsika. 39 Nefa tsy nety nanaiky azy ny razantsika, fa nanohitra azy, ary vao mainka manina an'i Ejipta aza 40 ka nanao tamin'i Aarona hoe: Anaovy andriamanitra izahay hitari-dàlana anay, fa tsy fantatray izay nanjò an'ilay Moizy nitondra anay avy tany Ejipta iny. 41 Dia nanao sarin-janak'omby izy ireo tamin'izany andro izany, ka nanao sorona tamin'io sary io, ary niravoravo tamin'ny asan-tànany.
42 Fa nilaozan'Andriamanitra izy ireo, ka navelany hanompo ny tafiky ny lanitra, araka izay voasoratra amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Ry taranak'Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra tamiko hianareo, nandritra ny efa-polo taona tany an'efitra? 43 Tsia, fa ny tranolain'i Moloka no nentinareo sy ny kintan'i Raifàna andriamanitrareo, dia ireo sarin-javatra hataonareo hivavahana. Noho izany, dia hafindrako ho any an-dafin'i Babilona kosa hianareo. 44 Ny tranolain'ny fanekena dia tao amin'ny razantsika tany an'efitra, araka ny didin'ilay nilaza tamin'i Moizy hanao azy araka ny marika efa hitany.
45 Io tranolay io, tamin'ny andron'i Josoe, dia noraisin'ny razantsika ka nentiny niditra tany amin'ny tanin'ireo firenena izay noroahin'Andriamanitra teo anoloan'izy ireo, ary naharitra hatramin'ny andron'i Davida. 46 Nankasitrahan'Andriamanitra io mpanjaka io, ka nangataka mba hanao trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba; 47 kanefa Salomona ihany no nanao trano ho azy. 48 Tsy mitoetra ao amin'izay trano nataon-tànan'olona anefa ny Avo indrindra, araka ny voalazan'ny mpaminany hoe: 49 Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho ahy, hoy ny Tompo? Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako? 50 Tsy ny tànako va no nanao izao zavatra rehetra izao? 51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva hianareo; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52 Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin'ny razanareo? Novonoiny hatramin'izay nilaza rahateo ny hahatongavan'ilay Marina aza; ary ankehitriny indray hianareo dia namadika sy namono azy, 53 dia hianareo izay nahazo ny Lalàna tamin'ny alalan'ny anjely, kanefa tsy nitandrina azy. 54 Nony nandre izany izy ireo, dia nisafoaka ny fony, ary nihidy vazana taminy izy.
55 Fa Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesoa nitsangana teo an-kavanan'Andriamanitra, ary nanao hoe: Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin'ny Zanak'olona mitsangana eo an-kavanan'Andriamanitra. 56 Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadiny no niara-niantoraka taminy. 57 Dia notaritiny tany ivelan'ny tanàna izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 58 Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etiena kosa nivavaka nanao hoe: Jesoa Tompo ô! raiso ny fanahiko. 59 Dia nandohalika izy, ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: Tompo ô! aza tànana izao hadisoany izao. Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin'ny Tompo. Ary Saoly nankatò ny namonoana azy.
Toko faha-8
1 Tamin'izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.2 Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an'i Etiena, sady nitomany azy fatratra. 3 Fa Saoly kosa nanenjika ny Eglizy; nidirany nosarihany tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina. 4 Ry zareo niely tamin'izay, dia nitety tany nitory ny tenin'Andriamanitra.
5 Ary Filipo nidina tany an-tanànan'i Samaria, ka nitory ny Kristy tamin'ny olona tao. 6 Nandre sy nahita ny fahagagana nataon'i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy. 7 Fa maro ny olona azon'ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa; 8 ka hafaliana moa izany no tao amin'izany tanàna izany! 9 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Simona, izay efa tao an-tanàna rahateo: mpamoha angatra nahatalanjona ny vahoakan'i Samaria izy io, ka nanao ny tenany ho zavatra.
10 Nanaraka azy avokoa ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe, fa ity lehilahy ity no Herin'Andriamanitra izay atao hoe, Hery lehibe, hoy izy ireo. 11 Efa voarebirebin'ny zava-mahatalanjona nataony hatry ny ela izy ireo, ka izany no nanarahany azy. 12 Fa rahefa nino an'i Filipo izay nitory ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesoa-Kristy izy ireo, dia natao batemy avokoa na lahy na vavy. 13 Na ny tenan'i Simona aza dia mba nino; ary rahefa natao batemy izy dia tsy nahasaraka an'i Filipo, sady talanjona erý nahita ny famantarana amam-pahagagana lehibe tanteraka teo anatrehany. 14 Rahefa ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny tany Samaria, dia nirahiny hankany Piera sy Joany.
15 Nony tonga tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina;