Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-8

16 satria vita batemy tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan'ny Fanahy Masina na dia iray aza. 17 Dia nametrahany tànana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina. 18 Nony hitan'i Simona fa fametrahan'ny Apostoly tànana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nanolotra vola azy izy 19 nanao hoe: Mba omeo ahy koa izany fahefana izany mba handray ny Fanahy Masina izay rehetra hametrahako tànana. Fa hoy Piera taminy: 20 Aoka ho very miaraka amin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21 Tsy manana anjara amin'ity raharaha ity hianao na dia kely aza, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. 22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ary mangataha amin'ny Tompo mba hamela izany hevitry ny fonao izany raha azo atao, 23 satria hitako fa mbola anatin'ny fialonana mangidy sy voafatotry ny ota mihitsy hianao. 24 Dia namaly Simona ka nanao hoe: Mivavaha ho ahy amin'ny Tompo hianareo, mba tsy hanjò ahy izay voalazareo. 25 Nony efa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy, dia niverina tany Jerosalema, ka nitory ny Evanjely tamin'ny vohitra maro eran'i Samaria. 26 Ary nisy anjelin'ny Tompo niteny tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin'ny làlana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.

27 Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiopia, olom-bositra sy manamboninahitra lehibe tao amin'i Kandasy mpanjakavavin'i Etiopia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tao Jerosalema mba hivavaka. 28 Nony niverina izy, ka nipetraka teo ambonin'ny kalesiny, dia namaky ny bokin'Izaia mpaminany. 29 Ary hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Mandehana manatona io kalesy io. 30 Dia nihazakazaka Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin'Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrao tsara va izay vakianao? 31 Ka hoy izy: Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dàlana ahy? Dia nangataka an'i Filipo hiakatra ho eo aminy izy. 32 Ary izao no novakiny tao amin'ny Soratra Masina: Nentina hovonoina mova tsy ny ondry izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak'ondry moana eo anatrehan'ny mpanety azy.

33 Fitsarana miangatra erý no nanesorana azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin'ny tanin'ny velona izy? 34 Dia niteny tamin'i Filipo ilay olona nanao hoe: Masìna hianao, iza no antsoin'ny mpaminany amin'izany? ny tenany ve sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, nanomboka tamin'ireo tenin'ny Soratra Masina ireo, ka nitory an'i Jesoa taminy. 36 Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batemy?

37 Dia hoy Filipo: Raha mino amin'ny fonao rehetra hianao, dia azo atao ihany izany. Ary namaly izy nanao hoe: Mino aho fa Jesoa-Kristy no Zanak'Andriamanitra. 38 Dia nasainy najanona ny kalesy, ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy Filipo, ka nanao batemy azy Filipo. 39 Nony niakatra avy teo amin'ny rano izy ireo, nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny làlany an-kafaliana izy. 40 Fa Filipo kosa tonga tany Azota, ary nitory ny Evanjely tamin'ny tanàna rehetra nandalovany mandra-pahatongany tany Sezarea.

Toko faha-9

1 Tamin'izany Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben'ny mpisorona izy,

2 nangataka taratasy taminy ho an'ny sinagogan'i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany làlana izany, na lahy na vavy. 3 Raha mbola teny an-dàlana izy ka efa mby akaikin'i Damasa dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. 4 Dia lavo tamin'ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? 5 Ka hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? - Ary hoy ny Tompo: izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana hianao mitroatra manohitra ny fanindronana. 6 Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: Tompo ô! inona no tianao hataoko? 7 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao. Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza. 8 Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasa. 9 Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro. 10 Tao Damasa fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazàn'ny Tompo tamin'ny tsindrimandry hoe: Ry Anania. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.

11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny làlana atao hoe i Mahitsy; tadiavo ao an-tranon'i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy, efa mivavaka izy izao. 12 (Tamin'izay koa Saoly dia nahita lehilahy anankiray tamin'ny tsindrimandry atao hoe, Anania izay niditra sy nametra-tànana taminy mba hampahiratra azy). 13 Ary Anania namaly hoe: Tompoko, reko tamin'ny olona maro fa loza loatra no nafitsok'io lehilahy io tamin'ny olonao masina tao Jerosalema; 14 ary atý indray izy izao nahazo fahefana tamin'ny lehiben'ny mpisorona koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho ahy, hitondra ny anarako eo anatrehan'ny jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak'Israely; 16 ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny anarako. 17 Dia nandeha Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tànana taminy nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, Jesoa Tompo izay niseho taminao teo amin'ny làlana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray hianao sy ho feno ny Fanahy Masina. 18 Niaraka tamin'izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin'ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao batemy; 19 ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray. Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin'ny mpianatra tao Damasa i Saoly, 20 ary nitory teo amin'ny sinagoga niaraka tamin'izay izy, ka nilaza fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra. 21 Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nanenjika izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atý mba hitondra azy am-patorana ho any amin'ny lehiben'ny mpisorona koa? 22 Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasa, naneho marimarina tamin'izy ireo fa Jesoa no Kristy. 23 Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jody;

24 fantatr'i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan'izy ireo andro aman'alina ny vavahady mba hamonoany azy; 25 kanjo nalain'ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin'ny sobiky, dia nampidininy tamin'ny manda.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1659