Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-9
26 Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin'ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr'i Jesoa koa izy. 27 Tamin'izay nalain'i Barnabe izy ka nentiny tao amin'ny Apostoly, dia notantarainy tamin'izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dàlana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin'ny nitoriany ny anaran'i Jesoa tao Damasa. 28 Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin'ny anaran'ny Tompo. 29 Niresaka tamin'ny jentily koa izy, ary niady hevitra tamin'ny Helenista; kanjo notadiavin'ireo hovonoina. 30 Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsy. 31 Niadana ny Eglizy eran'i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin'ny famporisihan'ny Fanahy Masina koa.32 Tamin'izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin'ny olona masina izay nonina tao Lidà koa, 33 ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin'ny valo taona, fa malemy, 34 ary nanao taminy hoe: Ry Enea, hanasitrana anao Jesoa-Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. 35 Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Saròna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa. 36 Ary tany Jope nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dorkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.
37 Narary izy tamin'izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroiny ny fatiny, dia napetrany tao amin'ny efi-trano ambony. 38 Ary Lidà moa dia akaikin'i Jope ihany; ka ren'ny mpianatra fa hoe ao Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: Aza miatoato hankaty aminay. 39 Dia nitsangana Piera ka niara-nandeha tamin'ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin'ny efitra ambony, ka nohodidinin'ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman'akanjo nataon'i Dorkasy fony fahavelony. 40 Navoakan'i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: Ry Tabità, mitsangàna. Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an'i Piera izy, dia niarina. 41 Ary Piera kosa nanolo-tànana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin'izy ireo. 42 Niely eran'i Jope manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo. 43 Ary Piera nitoetra andro maromaro tany Jope, tao amin'ny mpandon-koditra anankiray atao hoe Simona.
Toko faha-10
1 Ary tany Sezarea nisy lehilahy anankiray atao hoe Kornely, kapiteny tamin'ny antoko miaramila atao hoe Italiana.2 Olona tia vavaka sy natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra, ary nanao fiantrana be tamin'ny olona sy nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva. 3 Indray antoandro tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia nisy anjelin'Andriamanitra anankiray hitany miharihary tamin'ny tsindrimandry, niditra tao aminy, sy nilaza taminy hoe: Ry Kornely! 4 Dia nijery azy izy, ka raiki-tahotra, sy nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary hoy ny anjely taminy: Tafakatra eo anatrehan'Andriamanitra ho fahatsiarovana anao ny vavakao sy ny fiantranao. 5 Koa ankehitriny, maniraha olona ho any Jope haka an'i Simona anankiray, izay atao hoe Piera. 6 Mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy, ary izy no hilaza aminao ny tsy maintsy hataonao. 7 Nony lasa ilay anjely niteny taminy, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony Kornely sy miaramila anankiray tia vavaka, anisan'izay nanao raharaha taminy, 8 ka rahefa nitantarany ny zavatra rehetra izy ireo, dia nirahiny ho any Jope. 9 Nony ampitso, raha mbola teny an-dàlana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin'ny tanàna, Piera kosa niakatra teo ambonin'ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin'ny ora fahenina.
10 Rahefa izany, dia noana izy ka te-hihinana; kanjo, ny olona nanao nahandro ho azy, izy azon-tsindrimandry. 11 Nahita ny lanitra nisokatra izy sy zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin'ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra ho ety an-tany. 12 Ary tao anatiny nisy ny biby rehetra manan-tongotra efatra, sy ny biby mandady etý an-tany, ary ny voro-manidina. 13 Dia nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Piera; mamonoa ka mihinàna. 14 Fa namaly Piera ka nanao hoe: Sanatria, Tompoko, tsy mbola nihinan-javatra fady sy maloto aho. 15 Fa hoy indray ilay feo taminy: Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin'Andriamanitra. 16 Intelo no naverina natao izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin'izay ilay zavatra. 17 Mbola mieritreritra ny hevitry ny zavatra hitany tamin'ny tsindrimandry eo Piera no izay tonga ao am-bavahady ny irak'i Kornely nanontany ny tranon'i Simona.
18 Dia niantso izy ireo, ka nanontany raha mitoetra ao Simona, izay atao hoe Piera. 19 Amin'izany Piera dia mbola nieritreritra ny fahitana eo ihany, ka hoy ny Fanahy taminy: Indreo misy olona telo lahy mitady anao; 20 koa mitsangàna, dia midina, ary mandehàna miaraka aminy, fa aza misalasala, satria izaho no naniraka azy. 21 Dia nidina niaraka tamin'izay Piera, nanatona ireo lehilahy ireo, ka nanao taminy hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny nahatongavanareo atý? 22 Ary hoy ny navalin'ireo: Kornely kapiteny, lehilahy marina sy matahotra an'Andriamanitra ary ankasitrahan'ny Jody rehetra, no nahazo teny tamin'ny anjely masina anankiray mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino ny teninao. 23 Dia nampiantrano azy mba handry ao i Piera. Nony ampitso, dia niainga niaraka tamin'izy ireo izy mbamin'ny rahalahy sasany tao Jope. 24 Ny ampitson'izay indray, dia niditra tao Sezarea izy. Efa niandry azy izany ry Kornely mbamin'ny havany sy ny sakaiza malalany izay nangoniny. 25 Vao niditra Piera, dia notsenain'i Kornely, ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy. 26 Fa nasain'i Piera nitsangana izy, nataony hoe: Mitsangàna, fa olona ihany aho. 27 Sady niresaka taminy izy no niditra tao an-trano, ary namantana olona betsaka tafavory tao. 28 Dia hoy izy tamin'izy ireo: Fantatrareo fa fady amin'ny Jody ny mikambana amin'ny jentily na ny miantrano ao aminy; nefa nasehon'Andriamanitra ahy, fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy madio. 29 Koa tsy nisalasala aho, fa nandeha raha vao nampanalainareo, ka inona àry izato anton'ny nampangalanareo ahy? 30 Dia hoy Kornely: Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin'ny ora fahasivy, ka nanao hoe: 31 Ry Kornely, nekena ny vavakao, ary notsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao. 32 Koa maniraha ho any Jope, ampanalao Simona izay atao hoe Piera, mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina, fa izy no hilaza aminao.