Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-10

33 Dia naniraka ho any aminao niaraka tamin'izay aho; ka tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, vory eto anatrehanao izahay rehetra, mba hihaino ny zavatra rehetra asain'Andriamanitra lazainao aminay. 34 Dia niloa-bava Piera ka nanao hoe: Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra:

35 fa izay matahotra azy sy manao ny marina, dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy. 36 Nampitondra teny tamin'ny zanak'Israely izy, mba hanambara fiadanana amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, izay Tompon'izao rehetra izao. 37 Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran'i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian'ny batemy notorin'i Joany: 38 dia ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon'ny demony, satria nomba azy Andriamanitra. 39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra nataony tany amin'ny tanin'ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny izy nahantony tamin'ny hazo; 40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa izy tamin'ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, 41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona efa voatendrin'Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinanan sy nisotro taminy; rahefa nitsangana tamin'ny maty izy. 42 Izy nandidy anay hitory amin'ny vahoaka sy hanambara fa izy no voatendrin'Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty. 43 Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin'ny anarany no ahazoan'izay rehetra mino azy famelan-keloka. 44 Mbola miteny eo i Piera no nidina tamin'izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina,

45 ka talanjona fatratra ny mpino voafora tonga teo niaraka tamin'i Piera, nahita fa nidina tamin'ny jentily koa ny fanomezan'ny Fanahy Masina, 46 satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an'Andriamanitra izy ireo. 47 Dia hoy Piera: Azo lavina tsy hatao batemy amin'ny rano va ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto? 48 Koa ireo nasainy hatao batemy amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompo; izy kosa nangatahin'ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

Toko faha-11

1 Ren'ny Apostoly sy ny rahalahy tany Jodea fa hoe nandray ny tenin'Andriamanitra koa ny jentily.

2 Koa nony tafakatra tany Jerosalema Piera, dia nomen'ireo mpino voafora tsiny, 3 nataony hoe: Nahoana hianao no niantrano tany amin'ny olona tsy voafora, sady niara-nihinana taminy? 4 Dia nitantara ny zavatra niseho hatramin'ny niandohany Piera ka nanao hoe: 5 Raha nivavaka tany an-tanàna Jope aho, dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin'ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra, tonga tao amiko. 6 Nony nijery azy aho ka nandinika, dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra, ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voro-manidina. 7 Ary nisy feo reko koa nanao hoe: Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko, tsy mbola nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako. 9 Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe: Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin'Andriamanitra. 10 Intelo no naverina natao izany, dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany. 11 Niaraka tamin'izay, dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako, nirahina avy tany Sezarea hankany amiko. 12 Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko: Aza misalasala hiaraka amin'izy ireo. Dia niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon'i Kornely izahay. 13 Notantarain-dralehilahy taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Maniraha ho any Jope, ampanalao Simona izay atao hoe Piera,

14 fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao sy ny ankohonanao rehetra. 15 Ary raha vao niteny tamin'izy ireo aho, dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina. 16 Tamin'izay dia tsaroako ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Joany nanao batemy tamin'ny rano, fa hianareo kosa hatao batemy amin'ny Fanahy Masina. 17 Koa raha fanomezana sahala no nomen'Andriamanitra azy sy antsika izay nino an'i Jesoa-Kristy Tompo, iza moa aho no ho afa-mifanohitra amin'Andriamanitra? 18 Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny jentily. 19 Tamin'izany, izay naelin'ny fanenjehana noho ny amin'i Etiena dia tonga hatrany Fenisia, sy Sipra, ary Antiokia, nefa tsy nitory teny afa-tsy tamin'ny Jody ihany.

20 Ny sasany tamin'izy ireo anefa izay lehilahy avy any Sipra sy Sirena, dia mba nisy niteny tamin'ny Greka ihany nony tonga tao Antiokia, nitory an'i Jesoa Tompo. 21 Nomban'ny tànan'ny Tompo izy ireo, ka betsaka no nino sy nanatona ny Tompo. 22 Nandre ny lazan'izany ny Eglizy tao Jerosalema, ka naniraka an'i Barnabe hankany Antiokia. 23 Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin'ny Tompo amin-kerim-po. 24 Fa lehilahy tsara fanahy izy, sady feno ny Fanahy Masina sy finoana, ka vahoaka betsaka no nikambana tamin'ny Tompo. 25 Dia lasa nankany Tarsy Barnabe hitady an'i Saoly; ary nony efa hitany izy, dia nentiny hankany Antiokia. 26 Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin'io Eglizy io, ary vahoaka betsaka no nampianariny. Tao Antiokia koa no voalohany nandraisan'ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina. 27 Tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema tonga tao Antiokia.

28 Ary voatsindrin'ny Fanahy Masina ny anankiray tamin'izy ireo atao hoe Agabosa, ka nitsangana nilaza fa hisy mosary lehibe amin'izao tontolo izao. Dia tonga tokoa izany tamin'ny andron'i Klaody. 29 Ary nanapa-kevitra ny mpianatra fa hampitondra fiantrana araka ny ananany, hamonjy ny rahalahy nonina tany Jodea, 30 ka notanterahiny tokoa izany; Barnabe sy Saoly no nampitondrainy izany fanampiana izany ho any amin'ny Pretra.

Toko faha-12

1 Tamin'izany andro izany, dia nasain'i Heroda mpanjaka nosamborina mba hampahorina ny sasany anisan'ny Eglizy.

2 Nasainy novonoina tamin'ny sabatra Jakoba rahalahin'i Joany. 3 Nony hitany fa nankasitrahan'ny Jody izany, dia nasainy nosamborina koa Piera. Andron'ny Azima tamin'izay. 4 Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka nasainy hambenan'andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy; fa rahefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1608