Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-17
20 Fa zavatra tsy fandren'ny sofinay no lazainao; koa mba ta-hahalala izay hevitr'izany izahay. 21 Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny nitoetra tao, dia tsy nandany ny andro afa-tsy tamin'ny filazana na fihainoana zava-baovao. 22 Dia nitsangana teo afovoan'i Areopaza Paoly ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako amin'ny zavatra rehetra etoana fa olona fatra-pivavaka loatra hianareo.23 Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo, dia nahita otely anankiray misy izao soratra izao: Ho an'ny Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no toriko aminareo: 24 Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no tompon'ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon'ny tànan'ny olona fotsiny no itoerany. 25 Tsy mba tompoin'ny tanan'olombelona izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa izy aza no manome an'izao rehetra izao ny aina sy ny fofon'aina, ary ny zavatra rehetra. 26 Avy tamin'ny olona iray no nampihaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon'ny tany rehetra, ary izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy, 27 mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza izy; 28 fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan'ny mpanao tonon-kira sasany taminareo hoe: Taranany koa isika. 29 Koa raha taranak'Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban'Andriamanitra dia mitovy amin'ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon'ny tànana amam-pahaizan'ny olombelona. 30 Tsy nahoan'Andriamanitra ny andron'ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy hibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin'izao tontolo izao. 31 Satria izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an'izao tontolo izao araka ny rariny, amin'ny alalan'ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan'ny olona rehetra, tamin'ny nananganany azy tamin'ny maty. 32 Nony nandre izany hoe fitsanganan'ny maty izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany.
33 Toy izany no nialan'i Paoly teo amin'izy ireo. 34 Nisy olona vitsivitsy nino sy nikambana taminy ihany anefa; anisan'ireo Denis isan'ny Areopaza, sy vehivavy anankiray atao hoe Damarisy, ary ny sasany hafa koa.
Toko faha-18
1 Taorian'izany, dia niala tao Atena Paoly ka nankany Korinta.2 Avy tao izy dia nahita Jody anankiray atao hoe Akilasy teraka tany Ponta, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin'i Prisila vadiny fa nodidian'i Klaody hiala tany Roma ny Jody rehetra, ka nanatona azy mivady. 3 Iray raharaha taminy izy, fa ny manao lay no raharahany, ka dia nitoetra niasa tao izy. 4 Nampianatra isan-tsabata izy tao amin'ny sinagoga ary nampanaiky ny Jody sy ny jentily. 5 Nony tonga avy tany Masedonia Silasy sy Timote, dia nahery nitory teny Paoly, ka nanamarina tamin'ny Jody fa Jesoa no Kristy. 6 Ary noho izy notoherin'ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin'ireo: Aoka ho eo amin'ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin'izao dia any amin'ny jentily no halehako.
7 Nony niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny olona anankiray atao hoe Tito ilay Marina; lehilahy natahotra an'Andriamanitra izy io, ary nifanolotra tamin'ny sinagoga ny tranony. 8 Ary nino ny Tompo i Krisposa lehiben'ny sinagoga mbamin'ny ankohonany rehetra; ka nisy maro ny tao Korinta no nino sy natao batemy koa, nony efa nihaino an'i Paoly. 9 Indray alina, dia hoy ny Tompo tamin'i Paoly tamin'ny tsindrimandry: Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina. 10 Satria momba anao aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao, sady be ny vahoakako amin'ity tanàna ity. 11 Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy, nampianatra ny tenin'Andriamanitra tao. 12 Ary nony Galiona no governora tao Akaia, dia niray tetika hamely an'i Paoly ny Jody, ary nitondra azy teo amin'ny fitsarana,
13 ka nanao hoe: Ilay ity mitaona ny olona hanaraka fombam-pivavahana mifanohitra amin'ny Lalàna. 14 Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly, dia hoy Galiona tamin'ny Jody: Ry Jody, ny amin'ny ratsy natao, na ady heloka no ihainoako ny fitorianareo; 15 fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an'izany aho. 16 Dia noroahiny hiala teo amin'ny fitsarana izy ireo. 17 Tamin'izay dia nosamborin'izy rehetra Sostena lehiben'ny sinagoga, ka nokapohiny teo anoloan'ny fitsarana; fa tsy nahoan'i Galiona akory izany. 18 Mbola nitoetra tao Korinta andro maromaro ihany Paoly, vao nanao veloma ny rahalahy, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin'i Prisila sy Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony.
19 Tonga tany Efezy izy ireo, dia nandao azy mivady Paoly, ka niditra tao amin'ny sinagoga, niady hevitra tamin'ny Jody. 20 Nangataka azy hitoetra elaela kokoa izy ireo, nefa tsy nety izy, 21 fa nanao veloma azy ireo nanao hoe: Mbola hiverina atý aminareo ihany aho raha sitrak'Andriamanitra; dia niala tao Efezy izy, 22 ka rahefa tafatody tany Sezarea izy dia niakatra tany Jerosalema, niarahaba ny Eglizy, vao nidina nankany Antiokia. 23 Ary nony nitoetra kelikely tao izy, dia lasa nitety ny tany Galatia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra. 24 Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apolo tonga tao Efezy; teraka tany Aleksandria izy io, ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina.
25 Efa nianatra ny làlan'ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-pò, ka nampianatra tsara ny amin'i Jesoa, na dia ny batemin'i Joany ihany aza no fantany. 26 Niteny tamin-kasahiana teo amin'ny sinagoga izy, ka nony ren'i Prisila sy Akilasy, dia nalainy hankeo aminy, nampianariny tsaratsara kokoa ny làlan'ny Tompo. 27 Naniry hankany Akaia izy, ka nankasitrahan'ny rahalahy izany, dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan'ny any azy tsara. Nony tonga tany izy, dia nahavita soa be tamin'izay efa nino noho ny fahasoavana. 28 Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy, nampiharihary tamin'ny Soratra Masina fa Jesoa no Kristy.
Toko faha-19
1 Raha mbola tany Korinta Apolo, Paoly kosa tonga tany Efezy rahefa nitety ny faritany ambony tany Asia. Nony nahita mpianatra sasany teo izy,2 dia nanao taminy hoe: Efa nandray ny Fanahy Masina va hianareo, fony vao nino? Fa hoy izy ireo taminy: Tsy mbola nandre akory aza izahay fa hoe misy Fanahy Masina. 3 Ary hoy izy: Batemin'iza no noraisinareo? Batemin'i Joany, hoy ireo. 4 Dia hoy Paoly: Batemin-pibebahana no nomen'i Joany, fa ilay ho avy ao aoriany, izany hoe, Jesoa no nambarany ho tsy maintsy hinoan'ny vahoaka. 5 Nony nahare izany izy ireo, dia nangataka hatao batemy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo; 6 ary rahefa nametrahan'i Paoly tànana indray, dia nidinan'ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany; 7 tokony ho roa ambin'ny folo lahy izy rehetra.