Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-19

8 Nony afaka izany, dia niditra tao amin'ny sinagoga i Paoly, ka niteny tamin-kasahiana, ary nampianatra telo volana nilazalaza ny momba ny fanjakan'Andriamanitra tamin'ny lahateny mandaitra.

9 Tsy nety nino anefa ny sasany fa nikiribiby, sady nanaratsy ny làlan'ny Tompo teo anatrehan'ny vahoaka, ka nisaraka tamin'ireo i Paoly, ary navahany ny mpianatra, dia nampianariny isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'olona atao hoe Tiranosa. 10 Roa taona no nanaovany an'izany, ka nandre ny tenin'ny Tompo avokoa izay rehetra nonina tany Asia, na Jody na jentily. 11 Ary Andriamanitra nanao fahagagana lehibe tamin'ny alalan'i Paoly,

12 fa hatramin'ny mosara mbamin'ny fiaron'akanjo nikasika ny tenany avy no nakasika ny marary, dia nahasitrana ny aretiny, sy naharoaka ny fanahy ratsy taminy. 13 Mba nisy Jody sasany nandehandeha nandroaka demony koa, niantso ny anaran'i Jesoa Tompo teo ambonin'izay azon'ny fanahy ratsy, nanao hoe: Izaho mandidy anareo amin'ny anaran'i Jesoa izay torin'i Paoly. 14 Olona fito mirahalahy, zanaky ny Jody anankiray atao hoe Sevà lehiben'ny mpisorona, no nanao izany. 15 Ary izao no navalin'ny fanahy ratsy azy ireo: Fantatro Jesoa, ary fantatro koa Paoly; fa iza kosa hianareo? 16 Dia niantoraka tamin'izy ireo ny lehilahy anankiray azon'ny demony masiaka, ka nisambotra roa lahy, sy namely azy mafy; vaky nandositra niala tamin'izany trano izany terý izy ireo, sady nitanjaka no naratra. 17 Ren'ny Jody sy ny jentily rehetra nonina tao Efezy izany, ka sady raiki-tahotra izy rehetra no nankalaza ny anaran'i Jesoa Tompo.

18 Ary betsaka tamin'izay nino no tonga nieky sy nilaza ny nataony. 19 Maro koa tamin'ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan'ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola denie dimy alina no an-kevi-bidiny. 20 Hita amin'izany fa niely fatratra sy niseho hery tokoa ny tenin'Andriamanitra. 21 Taorian'izany dia nomen'ny Fanahy Masina hevitra Paoly hamaky an'i Masedonia sy Akaia vao hankany Jerosalema, ka nanao anakampo hoe: Rahefa tonga any aho, dia tsy maintsy hamangy any Roma koa.

22 Nirahiny hankany Masedonia ny roa lahy tamin'izay nanampy azy, dia Timote sy Erasta, fa izy kosa mbola nijanona tao Asia andro vitsivitsy. 23 Ary tamin'izany andro izany, dia nisy tabataba lehibe ny amin'ny làlan'ny Tompo.

24 Fa nisy lehilahy anankiray mpanefy volafotsy atao hoe Demetriosa, nanao sarin'ny tempolin'i Diana tamin'ny volafotsy, ka vola be no azon'ny mpiasany tamin'izany. 25 Ary novoriny izy ireo mbamin'ny mpanefy hafa toa azy koa, ka nilazany hoe: Ry sakaiza, fantatrareo fa izao taozavatra izao no iankinan'ny fiadanantsika. 26 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efezy ihany, fa saika eran'i Asia manontolo, dia mitaona olona betsaka hanary ny sampy iny Paoly iny manao hoe: Tsy andriamanitra ireo nataon-tànan'olona, 27 ka tsy ny taozavatsika ihany no atahorana hatao ho zava-poana, fa na hatramin'ny tempolin'i Diana lehibe koa aza ho tonga tsinontsinona, ka ho levona ny voninahitr'izay ivavahan'i Asia manontolo sy izao tontolo izao. 28 Tezitra mafy izy ireo nony nahare izany ka niantso hoe: Lehibe ny Dianan'ny Efeziana!

29 Vetivety foana dia nanerana ny tanàna ny tabataba; nindaosin'ny olona i Gaiosa sy Aristarka avy any Masedonia izay niaradia tamin'i Paoly, ka nimaona nankany an-trano filalaovana izy rehetra. 30 Nikasa hankao amin'ny vahoaka Paoly, fa tsy navelan'ny mpianatra, 31 sady naniraka olona koa ny lehibe sasany sakaizany nihanta taminy mba tsy hankany an-trano filalaovana. 32 Antsoantso samihafa no re tao, fa nihorikorika be ihany ny vahoaka, ka betsaka aza no tsy nahalala izay anton'ny nivoriany teo akory. 33 Tamin'izay nalaina teo amin'ny vahoaka Aleksandra, ka naroson'ny Jody. Dia nanofa tànana hampangina ny olona Aleksandra, fa nikasa hiteny tamin'ny vahoaka. 34 Kanjo nony fantatr'izy ireo fa Jody io, dia indray niredona tokony ho ora roa izy rehetra niantso hoe: Lehibe ny Dianan'ny Efeziana! 35 Nony farany dia nampangina ny vahoaka ny mpanoratra, ka nanao hoe: Ry lehilahy Efeziana, iza moa no tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efeziana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sariny vongana latsaka avy any an-danitra?

36 Zavatra tsy azo lavina izany, ka tokony hionona hianareo, ary aza manaonao foana, 37 fa ireo lehilahy nentinareo eto ireo dia tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanibavintsika. 38 Ary raha manan-javatra hifamaliana amin'olona Demetriosa sy ny mpanefy momba azy, dia aoka hifandahatra izy ireo, fa ao ny andro fitsarana, ao koa ireo governora. 39 Ary raha raharaha hafa no entinareo, dia azo tsaraina amin'ny fivoriana voatendrin'ny lalàna izany. 40 Fa raha ity tabataba niseho androany ity, dia misy atahorana sao ampangaina isika, satria tsy hita izay antony azontsika anamarinana izao fivoriana izao. Nony voalazany izany, dia noravany ny olona vory teo.

Toko faha-20

1 Nony nitsahatra ny tabataba, namory ny mpianatra Paoly, ka nananatra azy, sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Masedonia.

2 Nitety izany faritany izany izy, namporisika ny olona tamin'ny teny maro, dia lasa nankany Gresa. 3 Nitoetra telo volana tao izy, dia niomana hiondrana an-tsambo hankany Siria, kanjo nikendry azy ny Jody, ka nanapa-kevitra izy fa hamaky an'i Masedonia. 4 Ary ireto no niaraka taminy hatrany Asia: Sopatera zanak'i Pirosa avy any Berea, Aristarka sy Sekondosa avy any Tesalonika, Gaiosa avy any Derbe, ary Timpote sy Tisika sy Tromfima avy any Asia. 5 Dia nialoha izy ireo, ka niandry anay tany Troasy. 6 Fa izahay kosa niondrana an-tsambo, niala tao Filipy taorian'ny andron'ny Azima, ka hadimiana vao tonga tany amin'izy ireo tany Troasy; dia nitoetra tao hafitoana izahay. 7 Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, raha niangona hamaky ny mofo izahay, dia nampianatra azy ireo Paoly, ka nanohy ny toriteniny hatramin'ny misasaka alina, fa nikasa handeha maraina.

8 Jiro maro no tao amin'ny efitra ambony niangonanay. 9 Nisy kosa tovolahy anankiray izay atao hoe Eotika, nipetraka teo am-baravarankely; sondrian-tory mafy izy io, fa naharitra ela ny toritenin'i Paoly, ka nirona izy, dia nidaboka tany ambany avy amin'ny rihana fahatelo; nony narenina izy, dia indro fa efa maty. 10 Nidina namonjy azy Paoly, dia niondrika teo amboniny, sy nanohona azy, ary nanao hoe: Aza manana ahiahy hianareo, fa mbola misy aina ihany izy. 11 Dia niakatra indray Paoly, namaky ny mofo sy nihinana, ary niresaka ambara-pahamarain'ny andro, vao lasa nandeha. 12 Ilay tovolahy tamin'izay dia efa velona ka nentin'izy ireo nody tamin-kafaliana lehibe. 13 Izahay kosa dia niondrana an-tsambo, nialoha nankany Asosa, fa eo no handraisanay an'i Paoly araka ny teny nomeny, satria nandeha an-tanety izy.

14 Nony tafahoana taminay tany Asosa izy, dia noraisinay, ka lasa nankany Mitilena izahay. 15 Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin'i Kiao ny ampitso, ary nitody tao Samosy ny ampitson'izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson'iny indray. 16 Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren'i Paoly mba tsy hitoerany ela any Asia: satria maika hamonjy ny andron'ny Pentekoty any Jerosalema izy raha zao atao. 17 Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an'ireo Pretran'ny Fiangonana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1595