Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-20
18 Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany; 19 fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren'ny Jody ahy. 20 Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo am-pahibemaso sy isan-trano. 21 Nambarako tamin'ny Jody sy tamin'ny jentily ny fanatonana an'Andriamanitra amin'ny fibebahana sy ny finoana an'i Jesoa Tompontsika. 22 Ary ankehitriny indro teren'ny Fanahy hankany Jerosalema aho; nefa tsy fantatra izay hanjo ahy any. 23 Izao ihany no ambaran'ny Fanahy Masina amiko isan-tanàna isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy. 24 Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rahefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin'i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 25 Eny iký, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan'Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo rehetra.26 Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny amin'ny ranareo rehetra aho, 27 satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitra-pon'Andriamanitra rehetra. 28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo Eglizin'ny Tompo izay novidiny tamin'ny rany. 29 Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry. 30 Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31 Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman'alina nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso! 32 Ary ankehitriny, ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenim-pahasoavany hianareo, dia amin'ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin'izay efa masina rehetra.
33 Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian'olona aho. 34 Fantatrareo fa ireto tànana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain'izay rehetra niaraka tamiko. 35 Nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa hianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin'i Jesoa Tompo manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. 36 Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.
37 Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon'i Paoly ary nanoroka azy, 38 fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin'ny nilazany hoe: Tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo. Dia nanatitra azy hatreny antsambo izy ireo.
Toko faha-21
1 Nony tafasaraka tamin'izy ireo izahay, dia niondrana an-tsambo, nizotra nankany Kosy, ka ny ampitso dia tonga tao Rody; ary niala tao indray dia tonga tany Patara.2 Tao dia nahita sambo hankany Fenisia izahay, ka niakatra tao dia lasa. 3 Nony nahatsinjo an'i Sipra izahay, dia nandalo azy teo an-kavia, fa nanitsy any Siria, dia nitody tao Tira, fa tao no hametrahana ny entan'ny sambo. 4 Nahita ny mpianatra izahay, ka nitoetra tao hafitoana, ary notsindrian'ny Fanahy Masina izy ireo, ka nilaza tamin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. 5 Nony tapitra ny hafitoana, dia niainga handeha izahay, ka nirohotra nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna izy rehetra mbam-bady aman-janany. Nony mby teo amoron-dranomasina izahay, dia nandohalika nivavaka. 6 Ka rahefa nifanao veloma, dia izahay moa niondrana an-tsambo, izy ireo kosa niverina nody. 7 Niala tao Tira izahay, dia nankany Ptolemaisy izay niafaran'ny nandehananay an-tsambo, ary niarahaba ny rahalahy izahay, dia nitoetra teo amin'izy ireo indray andro. 8 Nony ampitso dia nandeha izahay, ka tonga tany Sezarea; ary niditra tao an-tranon'i Filipo Evanjelista, anankiray tamin'izy fito lahy, ka nitoetra tao aminy.
9 Nanana zanakavavy virjiny efara izay naminany izy. 10 Nony nitoetra tao andro vitsivitsy izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabosa tonga avy any Jodea. 11 Vao tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, ka hoy izy hoe: Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Hafatory ny Jody any Jerosalema toy izao ny lehilahy tompon'ity fehinkibo ity, dia hatolony eo tànan'ny jentily. 12 Vao nandre izany izahay sy ny mpianatra tao, dia nihanta tamin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. 13 Fa namaly izy ka nanao hoe: Nahoana no dia mitomany toy izao hianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona, tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesoa Tompo. 14 Dia tsy laitra nahodina izy, ka nitsahatra terý izahay nanao hoe: Aoka ho tanteraka izay sitra-pon'ny Tompo. 15 Nony afaka izany andro izany, nifehy entana izahay, dia niakatra ho any Jerosalema.
16 Nisy mpianatra sasany avy any Sezarea niaraka taminay koa: nitondra mpianatra maintimolaly anankiray avy any Sipra izy ireo atao hoe Mnasòna: tao amin'io no nokasainay hitoerana. 17 Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia noraisin'ny rahalahy amin-kafaliana.
18 Ny ampitso ihany dia niara-namangy an'i Jakoba izahay sy Paoly, ary tafavory teo ny Pretra rehetra. 19 Nony efa niarahaba azy ireo Paoly, dia nolazainy tsirairay ny zavatra rehetra nampanaovin'Andriamanitra azy tamin'ny jentily. 20 Nony nandre izany izy ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra sy nanao taminy hoe: Hitanao, ry rahalahy, fa arivo maro ny Jody nino izao, nefa mbola fatra-pitana ny Lalàna izy rehetra.
21 Ren'izy ireo fa hoe: hianao, hono, mampianatra ny Jody niely any amin'ny jentily hiala amin'ny Lalàn'i Moizy, sy tsy hamora ny zanany, ary tsy hanaraka ny fanaon-drazana. 22 Ka ahoana àry no hatao? Fa handre anao tonga izao ny olona, ka tsy maintsy hivory daholo. 23 Izao no aoka hataonao: misy lehilahy efatra nanao voady eto amintsika. 24 Ento ireo, ka miaraha mandio tena aminy hianao, ary mandoava vola ho azy hanaratany ny lohany, dia ho fantatry ny vahoaka hoe tsy marina ny filazan'ny olona ny aminao, fa tsy mitsahatra ny mitandrina ny Lalàna hianao. 25 Ary ny jentily izay nino dia efa nampitondranay taratasy, ka nodidianay hifady ny hena natolotra tamin'ny sampy, sy ny rà, ary ny biby nokendaina, mbamin'ny fijanganjangana. 26 Dia nentin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ka nony ampitso rahefa niara-nandio tena taminy izy, dia niditra tao an-tempoly, nilaza fa tapitra ny andro hahatanterahan'ny fandiovan-tena, dia tonga tao izy mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.
27 Nony efa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly tao an-tempoly ny Jody avy tany Asia, ka sady nampikorontana ny vahoaka rehetra no nisambotra azy tamim-piantsoana hoe: 28 Vonjeo, ry lehilahy Israelita! fa ity eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny Lalàna ary ity fitoerana ity; hatramin'ny jentily avy aza no nampidiriny teto an-tempoly, nametaveta ity fitoerana masina ity. 29 Fa hitan'izy ireo niaraka tamin'i Paoly tao an-tanàna i Trofima avy any Efezy, ka nataony ho nampidirina tao an-tempoly ihany.