Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-21

30 Dia nikorontana ny tanàna manontolo, nirohotra nivory ny vahoaka; ary nosamborina i Paoly, ka notaritiny ho any ivelan'ny tempoly, dia nakatony niaraka tamin'izay ny varavarana.

31 Efa ndeha hovonoin'izy ireo ho faty i Paoly, kanjo nisy nilaza tamin'ny komandin'ny miaramila fa mikorontana Jerosalema manontolo. 32 Ka naka miaramila sy kapiteny niaraka tamin'izay izy, dia nihazakazaka nankany amin'izy ireo. Nony nahita ny komandy sy ny miaramila izy ireo, vao nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly intsony. 33 Dia nanatona ny komandy, ka nisambotra azy, sy nampamatotra azy tamin'ny rojo vy roa, ary nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona no nataony? 34 Samy nanana ny filazany be ihany anefa ny vahoaka, ka tsy nisy hamantarany izay marina noho ny tabataba, fa dia nasainy nentina ho any anaty rova izy. 35 Nony tonga teo amin'ny ambaratonga, dia nobatain'ny miaramila i Paoly, noho ny vahoaka efa nifanesika loatra, 36 fa vahoaka be no nanaraka sy niantsoantso hoe: Vonoy izy! 37 Rahefa tafiditra tao anaty rova Paoly, dia nilaza tamin'ny komandy hoe: Mba mahazo milaza zavatra aminao va aho? Ary hoy izy: Moa mahay teny greka va hianao?

38 Hay! tsy hianao akory ilay Ejipsiana nampikomy vahoaka farany teo, ka nitarika jiolahy efatra arivo tany an'efitra? 39 Dia hoy Paoly taminy: Izaho dia Jody avy any Tarsy any Silisia, tompon-tany amin'ny tanàna tsy kely laza. Mihanta aminao aho, mba avelao kely hiteny amin'ny vahoaka aho. 40 Dia neken'ny komandy izany, ka nitsangana teo amin'ny ambaratonga i Paoly, nanofa tànana ny vahoaka; ary rahefa nangina tsara ny olona, dia niteny tamin'ny teny hebrio izy nanao hoe:

Toko faha-22

1 Ry rahalahy sy hianareo ray, henoy ny teny alahatro aminareo ankehitriny, mba hanala tsiny ny tenako.

2 Vao ren'ny olona fa teny hebrio no nitenenany taminy, dia vao mainka nangina izy. 3 Ary hoy izy: Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy, teo ambanin'ny saokan'i Gamaliely, nampianarina tsara ny Lalàn'ny razantsika aho, ary nazoto erý ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra izao. 4 Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho, ary namatotra azy na lahy na vavy, sy nampandatsaka azy an-tranomaizina. 5 Ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona rehetra no vavolombeloko; fa nandray taratasy tamin'izy ireo ho an'ny rahalahy aho, dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra izay hita tao ho atý Jerosalema mba hampijalina. 6 Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin'i Damasa, tamin'ilay mitatao vovonana iny ny andro, dia nisy fahazavana lehibe tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.

7 Lavo tamin'ny tany terý aho, sady nandre feo nanao tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? 8 Dia namaly aho nanao hoe: Iza moa hianao, Tompoko? Ary hoy izy tamiko: izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao. 9 Ry zareo niaraka tamiko izany, nahita ny fahazavana ihany, fa tsy nandre ny feon'izay niteny tamiko. 10 Ary hoy izaho: Inona no hataoko, Tompoko? Ka hoy ny Tompo tamiko: Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa, fa any no holazaina aminao ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao. 11 Tsy nahita anefa aho azon'ny famirapiratan'izany fahazavana izany, ka notantanan'izay niaraka tamiko aho, vao tonga tany Damasa. 12 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania izay nanaraka ny Lalàna, sy tsara laza tamin'ny Jody rehetra nonina tao.

13 Tonga nanatona ahy izy ary nitsangana teo anilako nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Niaraka tamin'izay, dia nahita azy aho. 14 Ary hoy izy: Ny Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitra-pony, sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany. 15 Fa hianao no ho vavolombelony hanambara amin'ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao. 16 Ary ankehitriny, inona no andrasana? Mitsangàna, raiso ny batemy, ary mialà amin'ny fahotana, amin'ny fiantsoana ny anaran'i Jesoa. 17 Nony niverina tatý Jerosalema aho ka nivavaka tao an-tempoly, dia azon-tsindrimandry, 18 ary nahita an'i Jesoa nilaza tamiko hoe: Haingàna hianao, mialà faingana eto Jerosalema, fa tsy handray ny fanambaranao ahy izy ireo. 19 Ary hoy izaho: Tompoko, fantatr'izy ireo fa izaho no nandatsaka an-tranomaizina izay nino anao, sy nikapoka azy tao amin'ny sinagoga; 20 ary fony izy nandatsaka ny ran'i Etiena martirinao, dia tenako no nanatrika sy nankatò an'izany, ary niambina ny lamban'izay namono azy. 21 Fa hoy izy tamiko: Mandehana, fa any an-tany lavitra amin'ny jentily no anirahako anao. 22 Nihaino azy ihany izy ireo hatramin'izany teny izany, fa nony mby tamin'io, niantso izy nanao hoe: Esory amin'ny tany ilay io, fa olona tsy famelona intsony.

23 Mbola nihorakoraka sy nanipy lamba, ary nitora-bovoka eo izy ireo, 24 dia nasain'ny komandy hoentina any anaty rova sy hadinina amin'ny kapoka i Paoly, mba hahalanany izay anton'ny nanakoran'ny olona azy toy izany. 25 Ary efa voafatotra tamin'ny anja-koditra sahady i Paoly vao nilaza tamin'ny kapiteny izay nanatrika teo hoe: Moa mahazo mikapoka lehilahy Romana mbola tsy voaheloka akory va hianareo?

26 Nony nandre izany ny kapiteny, dia lasa nankany amin'ny komandy, nilaza hoe: Inona ity hataonao? fa Romana io lehilahy io. 27 Dia nanatona an'i Paoly ny komandy, ka nanao taminy hoe: Etsy ange, moa Romana va hianao? Ary hoy izy: Eny. 28 Dia hoy indray ny komandy: Vola be no nahazahoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly? Ny nahaterahako kosa no nahazahoaka an'izany. 29 Niaraka tamin'izay, dia nihataka ry zareo nivono-kampijaly azy; ary natahotra mbamin'ny komandy aza nony nahalala fa Romana i Paoly, noho ity izy efa nampamatotra azy. 30 Nony ampitso, te-hahalala marina izay antony niampangan'ny Jody azy izy, ka nasainy hovahana i Paoly, ary nodidiany hivory ny mpisorona sy ny Sanedrina, dia nentina i Paoly ka napetrany teo afovoan'izy ireo.

Toko faha-23

1 Dia nibanjina ny Sanedrina i Paoly ka nanao hoe: Ry rahalahy ô, nitondra tena tsara teo anatrehan'Andriamanitra tamin-kitsim-po tokoa aho mandraka androany.

2 Tamin'izay i Anania mpisorona lehibe dia nandidy ny mpiandry raharahany hamely tehamaina ny vavany, 3 ka hoy Paoly: Hokapohin'Andriamanitra tokoa hianao, ry rindrina voalalotra fotsy, fa mipetraka eto hitsara ahy araka ny Lalàna hianao, nefa mampamely tehamaina ahy tsy ara-dalàna. 4 Dia hoy ny olona nanatrika teo: Tevatevainao lahy ny lehiben'ny mpisoron'Andriamanitra! 5 Ary namaly Paoly ka nanao hoe; Tsy fantatro ho mpisorona lehibe izy, ry rahalahy, fa voasoratra hoe: Aza manevateva ny lehiben'ny vahoaka. 6 Nony fantatr'i Paoly fa Sadoseana ny sasany tamin'izay teo ary Farisiana ny sasany, dia niantso teo amin'ny Sanedrina izy nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Farisiana, zanaky ny Farisiana, ary ny amin'ny fanantenantsika ny hitsanganan'ny maty no itsarana ahy.

7 Vao nilaza izany izy dia nifanditra ny Farisiana sy ny Sadoseana, ka nizara roa toko ny olona teo. 8 Fa ny Sadoseana manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, ary tsy misy koa izay hoe anjely na fanahy; nefa ny Farisiana kosa mino ireo zavatra ireo, 9 ka tabataba nankarenina no niseho. Ary nisy mpanora-dalàna sasany tamin'ny antokon'ny Farisiana, nitsangana ka nanohitra hoe: Tsy hitanay izay azo anomezan-tsiny an'io lehilahy io, fa angamba fanahy na anjely anankiray no niteny taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1622