Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-23
10 Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana. Efa nataon'ny komandy hotetehin'ny olona teo mihitsy Paoly, ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan'ny vahoaka, sy hitondra azy ho any anaty rova. 11 Nony alina dia niseho tamin'i Paoly ny Tompo ka nanao taminy hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao ahy tatý Jerosalema no tsy maintsy hanambaranao ahy any Roma koa.12 Vao naraina ny andro, dia nisy Jody niray tetika, niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro, raha tsy efa nahafaty an'i Paoly.
13 Tsy omby efa-polo izy no niray tetika hanao izany. 14 Dia lasa nanatona ny lehiben'ny mpisorona sy ny loholona izy, ka nanao hoe: Efa nianiana mafy izahay fa tsy hanendry hanina raha tsy efa nahafaty an'i Paoly. 15 Koa ankehitriny, aoka hianareo sy ny Sanedrina hilaza amin'ny komandy mba hampidina azy hankaty aminareo, mody te-hamototra ny aminy lalindalina kokoa; ary izahay kosa amin'izany dia efa vonon-kamono azy alohan'ny hahatongavany atý. 16 Ren'ny zanak'anabavin'i Paoly izany teti-dratsy izany, ka nidodododo nankany anaty rova faingana izy, nampandre an'i Paoly.
17 Dia niantso anankiray tamin'ny kapiteny i Paoly ka nanao taminy hoe: Ento kely ity tovolahy ity ho any amin'ny komandy, fa misy zavatra holazainy aminy. 18 Dia noraisin'ny kapiteny razazalahy, nentiny tany amin'ny komandy, ka hoy izy: Niangavian'i Paoly mpifatotra hitondra an-drazazalahy ity ho atý aminao aho, fa misy zavatra holazainy aminao, hono. 19 Noraisin'ny komandy tamin'ny tànany ilay zazalahy, nentiny nitanila kely, dia nanontaniany hoe: Inona no holazainao amiko? 20 Ary hoy ny navaliny: Nifanaiky ny Jody, fa hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho eny amin'ny Sanedrina rahampitso, mody hoe hamototra lalindalina kokoa ny aminy; 21 nefa aza manaiky izany, fa misy efa-polo mahery izy no niray tetika hamely azy, sady efa nanozon-tena sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy. Ary izao dia efa vonona izy ireo, fa ny teny avy atý aminao sisa andrasany. 22 Dia nalefan'ny komandy razazalahy ka tsy navelany hiteniteny na amin'iza na amin'iza fa hoe nilaza izany taminy izy. 23 Dia niantso kapiteny roa lahy izy ka nanao tamin'ireo hoe: Manomàna miaramila roan-jato, sy an-tsoavaly fito-polo, ary an-defona roan-jato, hankany Sezarea anio alina amin'ny ora fahatelo.
24 Ary manomàna soavaly hitaingenan'i Paoly koa, hitondranareo azy soa aman-tsara ho any amin'i Félix governora. (Fa natahotra izy sao tsoahan'ny Jody eny Paoly, dia hovonoiny, ka ny tenany indray no ho voahoso-dratsy hoe nandray vola any aoriana any). 25 Dia nanoratra taratasy nisy izao teny izao izy: 26 Avy miarahaba an'i Félix tsara indrindra aho Klaody Lisiasy. 27 Nosamborin'ny Jody ity lehilahy ity, ary efa ndeha hovonoiny; nefa nony fantatro fa hoe Romana izy, dia nitondra miaramila aho ka nanafaka azy. 28 Te-hahalala ny heloka niampangany azy aho, ka nitondra azy nankeo amin'ny Sanedrina. 29 Dia hitako fa ady hevitra momba ny Lalàny no nitoriana azy, fa tsy nanao ratsy tokony hanamelohana azy ho faty na hanaovana azy an-tranomaizina akory izy. 30 Ary izao vao reko indray fa hoe misy Jody miray tetika hamono azy, ka izy moa nampanateriko faingana hankaty aminao; ry zareo mpiampanga azy koa nasaiko hilaza izay itoriany azy atý aminao. Veloma. 31 Dia noraisin'ny miaramila i Paoly, ka nentiny nankany Antipatrisy iny alina iny ihany, araka ny didy azony.
32 Nony ampitso, dia ry zareo an-tsoavaly no nasainy nanohy ny dia niaraka taminy, fa izy ireo kosa niverina nankany anaty rova. 33 Rahefa tonga tany Sezarea izy ireo, dia natolony ny governora ny taratasy, ary narosony teo anatrehany koa i Paoly. 34 Nony voavakin'ny governora ny taratasy, dia nanontany izay faritany nihavian'i Paoly izy, ka nony fantany fa avy any Silisia izy, 35 dia hoy izy hoe: Hihaino anao aho rahefa tonga ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy.
Toko faha-24
1 Nony afaka hadimiana, dia tonga i Anania lehiben'ny mpisorona sy ny loholona sasany, ary mpandaha-teny anankiray atao hoe Tertolosa, hiampanga an'i Paoly amin'ny governora.2 Nony nantsoina i Paoly, dia niampanga azy araka izao Tertolosa: Ry Félix tsara indrindra ô, ny fiadanana lehibe azonay taminao, sy ny fitondrana nanasoavanao ity firenena ity tamin'ny zavatra maro, 3 dia raisinay amim-pankasitrahana mandrakariva sy hatraiza hatraiza. 4 Fa mba tsy hanahiranako anao ela laotra, dia mihanta amin'ny hamoram-ponao izahay, mba henoy kely izao: 5 Io lehilahy io dia hitanay fa mpanimba vahoaka, mpampitabataba ny Jody rehetra amin'izao tontolo izao, filohan'ny antokon'ny Nazareana, 6 ary efa nitady hametaveta ny tempoly aza, ka dia io izy nosamborinay: Ny hitsara azy araka ny lalànay no nokasainay. 7 Kanjo tonga Lisiasy komandy naka azy an-keriny teo am-pelatànanay, 8 sy nandidy ny mpiampanga azy hankaty aminao. Ho hitanao amin'ny fanadinana azy fa marina ny zavatra rehetra iampangana azy. 9 Dia nanampy izany koa ny Jody, nilaza fa izany no izy. 10 Ary rahefa notondroin'ny governora hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa taona maro no efa nitondranao ity firenena ity, ka amin-toky no hitenenako hanala tsiny ny tenako.
11 Tsy mihoatra ny roa ambin'ny folo andro izao no niakarako hivavaka tany Jerosalema, sady azonao fantarina mora foana izany. 12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona tao an-tempoly, na nampitabataba vahoaka tao amin'ny sinagoga, 13 na tao an-tanàna. Tsy azony hamarinina velively izao zavatra iampangany ahy izao. 14 Fa izao no ekeko eto anatrehanao: Izaho dia manompo ny Andriamanitry ny razanay, araka ny làlana lazain'izy ireo hoe antokom-pivavahana; mino ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny Lalàna sy ny mpaminany aho, 15 ary manantena amin'Andriamanitra tahaka azy ireo koa, fa samy hitsangana amin'ny maty, na ny olo-marina na ny olo-meloka, 16 ka noho izany dia nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin'ny fieritreretako, na eo anatrehan'Andriamanitra, na eo anatrehan'ny olombelona. 17 Nony afaka taona maro, dia tonga nitondra fiantrana ho an'ny fireneko aho, sy nanolotra fanatitra. 18 Tamin izay no nahitan'izy ireo ahy tao an-tempoly avy nandio tena, tsy nisy famoriam-bahoaka, na tabataba velively, 19 fa Jody sasany avy any Asia no teo, ka ireo aza no tokony hiseho eto anatrehanao hiampanga ahy, raha misy izay hiampangany ahy. 20 Na aoka ry zareo ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany nataoko, raha niseho teo anatrehan'ny Sanedrina aho; 21 afa-tsy raha hoe, heveriny ho heloka angaha ilay teny indraim-bava voalazako teo afovoan'izy ireo hoe: Ny amin'ny fitsanganana ny maty no hitsarana ahy eto anatrehanareo anio. 22 Fantatr'i Félix tsara ny amin'io làlana io, ka noravany ny olona nilazany hoe: Rahefa tonga Lisiasy komandy, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
23 Dia nasainy nambenan'ny kapiteny i Paoly, nefa avela hiadanadana ihany, ary tsy rarana tsy hanampy azy ny momba azy na iray aza. 24 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga Félix sy Crosila vadiny, izay vehivavy Jody, ka nampaka an'i Paoly, dia nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesoa.