Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-24

25 Nony nilaza ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy Paoly, dia raiki-tahotra i Félix ka nanao hoe: Mandehana aloha, fa raha vao misy malalaka dia hampiantso anao indray aho. 26 Nanantena homen'i Paoly vola koa izy tamin'izany, ka nampiantso azy matetika sy niresaka taminy. 27 Nony afaka roa taona, dia nodiasan'i Porsios Festosa i Félix, ary noho izy te-hahazo sitraka tamin'ny Jody, dia navelany ho mpifatotra tao ihany i Paoly.

Toko faha-25

1 Nony tonga hateloana teo amin'ny faritaniny i Festosa, dia niala tao Sezara nankany Jerosalema,

2 ka nanatona azy ny lehiben'ny mpisorona mbamin'ny loholon'ny Jody, hiampanga an'i Paoly. 3 Niangaviany mafy izy hamely an'i Paoly sy handefa azy ho any Jerosalema, fa efa nanomana otrika hamono azy eny an-dàlana izy ireo; 4 nefa novalian'i Festosa fa Paoly dia ambenana any Sezarea, ary izy hiverina any faingana rahateo, 5 ka izay manam-pahefana amin'izany eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko, dia hiampanga io lehilahy io raha misy nahadiso azy. 6 Vao havaloana na hafoloana monja no nitoeran'i Festosa tao Jerosalema, dia nidina nankany Sezarea izy, ary ny ampitson'iny ihany dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nampaka an'i Paoly.

7 Nony tonga izy dia nohodidinin'ny Jody avy any Jerosalema, sady nampangainy tamin'ny zava-dehibe maro izay tsy azony noporofoina akory.

8 Ary izao no navalin'i Paoly hanalany tsiny ny tenany amin'izany: Tsy nanao ratsy velively aho, na tamin'ny Lalàn'ny Jody, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Sezara. 9 Nila sitraka tamin'ny Jody anefa Festosa ka namaly an'i Paoly hoe: Manao ahoana raha miakatra any Jerosalema hianao, ka dia any no tsaraina eo anatrehako, ny amin'izany zavatra izany? 10 Fa hoy ny navalin'i Paoly: Efa eto amin'ny fitsaran'i Sezara aho, ka mby eto amin'ny tokony hitsarana ahy. Tsy nanisy ratsy ny Jody aho, araka ny fantatrao marina rahateo. 11 Fa raha nanao ratsy aho, na misy heloka tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty akory. Ary raha izay zavatra tsy misy fotony foana kosa no iampangan'izy ireo ahy, dia tsy misy olona manam-pahefana hanolotra ahy aminy. Fa mangataka hotsarain'i Sezara aho. 12 Tamin'izay, nidinika tamin'ny mpanolo-tsaina azy aloha i Festosa vao namaly hoe: Nangataka hotsarain'i Sezara hianao, ka dia handeha ho any amin'i Sezara. 13 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Sezarea Agripà mpanjaka sy Berenisy, hiarahaba an'i Festosa.

14 Naharitra andro maromaro no nitoerany tao, ka nambaran'i Festosa tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly. Hoy izy: Misy mpifatotra anankiray navelan'i Félix eto. 15 Fony aho tany Jerosalema, dia nampangain'ny Jody tamiko izy io, sady nangatahiny hohelohina. 16 Fa hoy ny navaliko azy ireo: Tsy fanaon'ny Romana ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin'ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin'izay iampangana azy. 17 Dia tonga tatý izy ireo, ka tsy nangataka andro akory aho, fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin'ny fitsarana sy nampaka ilay lehilahy. 18 Nony nitsangana ry zareo mpiampanga, dia tsy heloka araka izay nampoiziko no nitoriany azy, 19 fa ady hevitra momba ny fivavahany sy momba an'i Jesoa anankiray efa maty, nefa lazain'i Paoly hoe velona. 20 Tsy hitako be ihany izay hamotorana izany zavatra izany, ka nanontany an-dralehilahy aho sao tiany ny hotsaraina any Jerosalema ny amin'izany. 21 Dia nangataka hotsarain'ny emperora i Paoly, ka nasaiko nambenana mandra-pandefako azy any amin'i Sezara. 22 Ary hoy Agripà tamin'i Festosa: Mba te-hihaino an'izany olona izany koa lahy aho! Dia hoy Festosa taminy: Rahampitso ihany dia hihaino azy hianao. 23 Nony ampitso dia tonga Agripà sy Berenisy niseho tamim-boninahitra lehibe. Nony tafiditra tao an-trano fitsarana izy, nomban'ny tompon'arivo mbamin'ny lehiben'ny tanàna, dia nentina nankao i Paoly, araka ny didin'i Festosa.

24 Dia hoy Festosa: Ry Agripà mpanjaka sy hianareo rehetra etoana: Io lehilahy hitanareo io no nampangain'ny Jody maro tamiko, hatrany Jerosalema ka hatraty koa, sy nataony antso avo hoe, tsy tokony hovelomina intsony ilay io. 25 Raha toa ahy, dia ataoko fa tsy nanao na inona na inona tokony hahafaty azy izy io, saingy nangataka hotsarain'ny emperora izy, ka dia tapa-kevitra ny hampanatitra azy ho any aminy aho. 26 Nefa noho ny tsy fahitako izay teny marina hosoratako hilaza azy amin'ny emperora, dia indro izy nentiko eto anatrehanareo rehetra, indrindra fa hianao, ry Agripà mpanjaka, mba hahitako izay hosoratako amin'ny fanadinana azy etoana. 27 Satria ataoko fa tsy mety ny nampanatitra mpifatotra nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.

Toko faha-26

1 Dia hoy Agripà tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra hiaro ny tenanao hianao. Tamin'izay, naninjitra ny tànany i Paoly, ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany, araka izao:

2 Hasambarana ho ahy, ry Agripà mpanjaka, ny ahazoako miaro tena eto anatrehanao anio, amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jody ahy; 3 satria tsy misy olona mahalala toa anao ny amin'ny fanao aman'ady hevitry ny Jody. Koa mihanta aminao aho mba hihaino ahy kely amim-paharetana. 4 Fantatry ny Jody rehetra hatramin'ny andron'ny fahatanorako ny fitondran-tenako; fa tao Jerosalema foiben'ny fireneko aho no nitoetra,

5 ka noho ny fahalalany ahy ela toy izany, dia hainy ambara koa, raha te-hilaza ny marina izy, fa Farisiana aho fahizany, nanaraka ilay antokom-pivavahana fatra-panoa lalàna indrindra amin'ny fivavahanay. 6 Nefa ny fanantenana ny zavatra nampanantenain'Andriamanitra ny razanay indrindra no itsaràna ahy ankehitriny, 7 dia ny fanantenana andrandrain'ny fokonay roa amin'ny folo manompo an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana izany no itsarana ahy, ry mpanjaka. 8 Ka moa ve heverinareo ho zavatra tsy azo inoana fa mahatsangana ny maty Andriamanitra? 9 Ary na izaho koa aza, dia efa nihevitra fa tsy maintsy manao izay tratry ny aiko aho hanohitra ny anaran'i Jesoa avy any Nazareta,

10 ka dia nataoko toy izany tany Jerosalema; fa maro ny olona masina nahiboko tao an-tranomaizina nony efa nahazo fahefana tamin'ny lehiben'ny mpisorona aho; ary anisan'ny nandatsa-bato nanaiky koa aho, raha nisy hovonoina izy ireny. 11 Matetika no nitety ny sinagoga nampijaly azy ireny aho, sy nanery azy hiteny ratsy an'i Jesoa, ary efa lasa nanenjika azy hatrany an-tanàna hafa aza, noho ny hatezerako mafy loatra taminy. 12 Tamin'izany, raha ndeha ho any Damasa aho, nitondra ny fahefana sy ny teny azoko tamin'ny lehiben'ny mpisorona,

13 ilay sahabo ho nitatao vovonana tsara iny ny andro, dia endrey, ry mpanjaka! fa teny an-dàlana dia nahita fahazavana avy any an-danitra aho, izay namirapiratra noho ny masoandro, sy nanjelanjelatra nanodidina ahy mbamin'izay nomba ahy. 14 Lavo tamin'ny tany terý izahay; ary nandre feo aho, nilaza tamiko tamin'ny teny hebrio hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? Mafy ho anao anie ny mitroatra manohitra ny fanindronana e! 15 Iza moa hianao, Tompoko? hoy aho. Dia hoy ny Tompo: Izaho no Jesoa izay enjehinao. 16 Mitsangàna ka mijoroa amin'ny tongotrao. Fa izaho no niseho taminao, dia ny mba hanendry anao ho mpanao raharaha sy vavolomelon'ny zavatra efa hitanao sy izay mbola hisehoako aminao koa. 17 Navahako tamin'ny vahoaka Jody hianao, sy amin'ny jentily izay hanirahako anao izao, 18 mba hampahiratra ny mason'izy ireo, hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, sy avy amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin'ny olo-masina noho ny finoana ahy. 19 Koa amin'izany, ry Agripà mpanjaka, tsy nanohitra ny fahitana avy any an-danitra aho,

20 fa nitory ny fibebahana sy ny fiverenana amin'Andriamanitra tany Damasa aloha, vao tany Jerosalema, sy eran'i Jodea manontolo, ary tamin'ny jentily koa, mba hanaovany asa mendrika ny fibebahana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1799