Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-26

21 Izany no nisamboran'ny Jody ahy tao an-tempoly, sy nitadiavany hamono ahy. 22 Noho ny fitahian'Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin'ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan'i Moizy sy ny mpaminany rahateo hahatanterahany, 23 dia ny hoe: tsy maintsy hijaly ny Kristy, nefa hitsangana voalohany amin'ny maty izy, ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Jody sy amin'ny jentily... 24 Mbola niteny izany hanala tsiny ny tenany eo Paoly no niantso tamin'ny feo mahery Festosa nanao hoe: Very saina hianao, ry Paoly; ny fianaranao be loatra no nampivaona ny hevitrao.

25 Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosa tsara indrindra, fa tenin'ny fahamarinana sy fahendrena no alahatro. 26 Fantatry ny mpanjaka izany, ka lazaiko aminy amim-pahasahiana, satria ataoko fa tsy misy miafina aminy izany na dia kely aza, sady tsy nisy natao an-takona koa izany. 27 Mino ny mpaminany va hianao, ry Agripà? Eny, fantatro fa mino hianao. 28 Dia hoy Agripà tamin'i Paoly: Kely sisa no tsy ahatongavanao ahy ho kristianina. 29 Na kely sisa na be, hoy Paoly, dia mangataka amin'Andriamanitra aho, mba ho tonga toa ahy avokoa hianao sy izay rehetra mihaino ahy eto ankehitriny, afa-tsy amin'ireto fatorana ireto. 30 Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenisy, mbamin'izay rehetra nanaraka azy ireo.

31 Nony tafavoaka izy ireo dia nifampilaza hoe: Tsy nanao na inona na inona tokony hahafaty azy na hamatorana azy io lehilahy io. 32 Ary hoy Agripà tamin'i Festosa: Azo nalefa io lehilahy io raha tsy nangataka hotsarain'i Sezara.

Toko faha-27

1 Raha voadidy hiondrana an-tsambo hankany Italia izahay, dia natolotra ny kapiteny anankiray atao hoe Joliosa, amin'ny antokon'i Aogosta, i Paoly sy ny mpifatotra sasany.

2 Dia niakatra tamin'ny sambo anankiray avy any Adramita hanaraka ny sisin-tanin'i Asia izahay, ka nony voampakatra ny vatofantsika, dia niainga; ary niaraka taminay koa Aristarka Masedoniana avy any Tesalonika. 3 Nony ampitso dia tonga tany Sidòna izahay. Ary tsara ny nitondran'i Joliosa an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany sy handray zavatra avy amin'ireny izy. 4 Niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Sipra, fa nanoha rivotra. 5 Ary rahefa namaky ny ranomasin'i Silisia sy Panfilia izahay, dia tonga tany Mira any Lisia. 6 Teo no nahitan'ny kapiteny sambon'i Aleksandria anankiray hankany Italia, ka dia nafindrany tao izahay. 7 Niadam-pandeha ny sambonay nandritra ny andro maromaro, ary nananosarotra erý izahay vao tonga tandrifin'i Knida, fa nanoha anay ny rivotra. Dia nanara-morona an'i Kreta tandrifin'i Salmone izahay. 8 Nony efa nisahirana nanara-morona izahay, dia tonga tamin'ny fitoerana anankiray atao hoe Tsarafitodiana, takaikin'ny tanàna Talasà.

9 Nony afaka andro maromaro, dia tsy nahatoky intsony ny mandeha an-tsambo, fa efa lasa ny andro fifadiana, ka notoroan'i Paoly hevitra ny mpiantsambo, 10 nataony hoe: Ry sakaiza, hitako fa hanimba sy hampididoza antsika izao fandehanana an-tsambo izao; sady tsy ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza. 11 Ny tenin'ny mpitondra sy tompon-tsambo anefa no ninoan'ny kapiteny noho ny an'i Paoly. 12 Ary tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina ny fitodian-tsambo teo, ka dia nataon'ny maro fa tsara ny miala eo sy manao izay hahatongavana any Fenisy, dia handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany, izay manatrika ny rivotra avy any atsimo andrefana sy avaratra andrefana. 13 nitsoka malemy kosa ny rivotra avy any atsimo tamin'izay, ka nataon'izy ireo fa ho tanteraka izay niriny, dia niala tao izy ireo, ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.

14 Nony afaka kely foana anefa, dia namely ny tafio-drivotra avy any avaratra atsinanana, izay atao hoe Eoroakilòna, 15 ka nopaohin'ny rivotra ny sambo, fa tsy nahatoha azy, ka navelanay hoentiny amin'izay halehany. 16 Dia nentiny tany akaikin'ny nosy anankiray atao hoe Kaodà izahay, ka saiky tsy tafakatray ny salopy. 17 Nony tafakatra io, niala nenina ny matilò mba hamonjy anay; nafatony nanodidina ny sambo, ary nampidininy ny lay, fa natahorany hihitsoka amin'ny vorim-pasika ny sambo, dia navelany handeha amin'izay halehany. 18 Nony ampitso, mbola nasian'ny tafio-drivotra mafy izahay, ka nanariana ny entana. 19 Ary tamin'ny andro fahatelo aza, dia ny tànanay mihitsy no nanary ny fanaky ny sambo. 20 Nandritra ny andro maro ny masoandro aman-kintana tsy hita intsony, ny tafio-drivotra namely mafy, ka dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay. 21 Ary nony ela no nifadian-kanina, dia nitsangana teo afovoan-dry zareo Paoly, ka nanao hoe: Ry sakaiza, tsara raha nihaino ahy hianareo, ka tsy niala tao Kreta, mba tsy hiharan'izao loza amam-patiantoka izao.

22 Ary na dia ankehitriny aza, dia mamporisika anareo aho mba samy hatoky tsara, fa tsy hisy ho faty hianareo, ny sambo ihany no ho very. 23 Fa nisy anjelin'Andriamanitra izay Tompoko sady tompoiko niseho tamiko halina, 24 nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy hanatrika an'i Sezara hianao, ary indro efa nomen'Andriamanitra anao izay rehetra miara-miantsambo aminao. 25 Koa amin'izany, matokia hianareo, ry sakaiza; fa matoky an'Andriamanitra aho, ka ho tanteraka izay voalaza tamiko. 26 Nefa tsy maintsy ho fefika eo amin'ny nosy anankiray isika. 27 Tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezivezin'ny ranomasina Adriatika izahay, ilay sahabo ho nisasaka tsara iny ny alina, dia nataon'ny matilò fa nanakaiky tany izahay,

28 ka nanaka-drano izy ireo, ary hitany fa faharoa-polo refy ny halaliny; nony nandroso kelikely indray notsapainy ka nisy fahadimy ambin'ny folo refy. 29 Ary natahotra ny hidona amin'ny harambato izy ireo, ka nandatsaka vatofantsika efatra teo ambody sambo, dia naniry ny andro ho maraina. 30 Nitady handositra hiala amin'ny sambo ny matilò tamin'izay, ka nampidina ny salopy eo amin'ny ranomasina, nody handatsaka vatofantsika ao an-doha sambo; 31 fa hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, tsy ho voavonjy hianareo. 32 Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka izy. 33 Nony nazava ratsy ny andro, dia namporisika ny olona rehetra hihinan-kanina i Paoly, nanao hoe: Anio fahefatra ambin'ny folo andro niaretanareo ny fifadian-kanina, sady tsy nitendry hanina akory hianareo.

34 Koa mamporisika anareo hihinan-kanina aho, fa ilaina hamonjena anareo izany; ary tsy ho very aminareo rehetra, na dia ny singam-bolonareo iray akory aza. 35 Nony avy nilaza izany izy, dia nandray mofo, ka nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'izy rehetra; ary novakiny ny mofo dia nihinana izy. 36 Nahazo toky terý izy rehetra, ka nihinana koa. 37 Enina amby fito-polo sy roan-jato no isanay rehetra teo anaty sambo. 38 Ary rahefa voky izy ireo, dia nanariany tany anaty ranomasina ny varimbazaha, mba hanamaivana ny sambo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1605