Ny Asan'ny Apostoly
Toko faha-27
39 Nony nazava ny andro, dia tsy fantatr'izy ireo ny tany teo; fa helo-drano anankiray tsara morona izay no hitany, dia teo no nokasainy hampiantsonana ny sambo raha azony atao.40 Ka nesoriny ny vatofantsika, nalefany ho any an-dranomasina; novahany ny mahazakan'ny fanamory, novelariny koa ny lay teo an-doha sambo mba ho azon'ny rovitra, dia nanatona ny tany izy ireo. 41 Nony tonga tao amin'ny andilan-tany anankiray izy, dia niantsona teo ny sambo; ka ny loha sambo moa nihizina tsy afa-nihetsika teo, fa ny vody sambo kosa vaky azon'ny herin'ny onja. 42 Niray tetika hamono ny mpifatotra ny miaramila, fandrao misy mitsoaka milomano izy ireo, 43 nefa tsy navelan'ny kapiteny hanao izany izy ireo noho ny fitiavany hamonjy an'i Paoly. Izay nahay nilomano aloha no nasainy hirotsaka hiakatra eny an-tanety, 44 ary ny sisa kosa nasainy nitaingina hazo fisaka na zavatra hafa tao an-tsambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa ny olona rehetra.
Toko faha-28
1 Efa voavonjy izahay vao nahalala fa Malta no anaran'ny nosy. Be tokoa ny soa nataon'ny tompon-tany taminay:2 noraisiny tsara avokoa izahay rehetra; namelona afo hamindroanay izy, fa sady avy ny orana no nangatsiaka ny andro. 3 Dia mba nanangona kitay hazo iray trotroana koa i Paoly; kanjo nony nanohoka izany teo amin'ny afo, dia indrý nisy menarana anankiray voasinton'ny hafanana, ka niantsampy tamin'ny tànany. 4 Nony nahita ity bibilava niraviravy tamin'ny tànany ry zareo tompon-tany, dia nifampilaza hoe: Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na afaka tamin'ny ranomasina aza, tsy avelan'ny fahamarinan'Andriamanitra ho velona intsony. 5 Nakifik'i Paoly tamin'ny afo anefa ilay biby, sady tsy nampaninona azy kely akory. 6 Niandry ihany ny tompon-tany izay hahita azy mivonto, na hiankapoka maty tampoka; nefa nony hitany fa tsy naninon-tsy naninona akory izy, dia niova indray ny heviny, ka vaky nilaza hoe: Isan'ny andriamanitra io. 7 Tao akaikinay, dia nisy sahan'i Pobliosa mpanapaka ny nosy, izay nandray sy nampiantrano anay tsara hateloana.
8 Nasian'ny tazo sy ny fivalanan-drà ny rain'i Pobliosa, ka nihonaka teo am-pandriana. Lasa namangy azy tao i Paoly, dia nanao fivavahana sy nametra-tànana taminy ka nahasitrana azy. 9 Nandre izany ny marary rehetra tao amin'ny nosy, dia mba nanatona koa, ka sitrana avokoa. 10 Nony hiala tao izahay, dia nomen'ny olona voninahitra lehibe, sy novatsiany izay rehetra ilainay. 11 Nony afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin'ny sambon'i Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina tamin'izany nosy izany, sy nisy ny sarin'ny Dioskora ho famantarana azy.
12 Nony tody tao Sirakosa izahay, dia nijanona tao hateloana. 13 Avy ao dia nanara-tsisina izahay ka tonga tao Rejio; ary ny ampitso, nisy rivotra nifofofofo avy any atsimo, ka indroa andro dia tonga tany Pozoly izahay. 14 Tao no nahitanay rahalahy sasany, izay niangavy taminay mba hitoetra ao aminy hafitoana; rahefa izany dia nandroso ho any Roma izahay. 15 Vao nandre anay tonga ny tao an-tanàna, dia tamy nitsena anay hatrany an-tsenan'i Apiosa sy Tranombahinitelo. Nony nahita azy ireo i Paoly dia nisaotra an'Andriamanitra sady nahazo toky erý. 16 Rahefa tonga tany Roma izahay, dia nahazo nitoetra nitokana Paoly, fa miaramila iray no niambina azy.
17 Nony afaka hateloana, dia nampiantsoin'i Paoly ny lohandohan'ny Jody, ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika sy ny fanaon-drazantsika aza. 18 Nony namototra ahy ireo, ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy, dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo; 19 nefa notoherin'ny Jody izany, ka voatery ho nangataka hotsarain'i Sezara aho; tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin'izany. 20 Izany no niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan'Israely ity, no ifatorako amin'izao rojo vy izao. 21 Dia izao no navalin-dry zareo azy: Tsy nahazo taratasy avy any Jodea milaza anao izahay; ary tsy nisy rahalahy tonga nanondro anao, na nanaratsy anao akory;
22 fa izao ihany no fantatray: toherina hatraiza hatraiza izany antokom-pivavahana izany; koa maniry handre izay hevitrao izahay 23 Dia nanao fotoana taminy izy ireo, ka maro no tonga tao an-trano nitoerany. Teny manetsiketsika no nanehoan'i Paoly ny fanjakan'Andriamanitra tamin'izy ireo, hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva; sady ny teny ao amin'ny Lalàn'i Moizy sy ny mpaminany manambara an'i Jesoa ihany no nentiny nitaona azy ireo hino azy.
24 Ka ny sasany nino izay nolazainy; fa ny sasany kosa tsy nino. 25 Noho izy ireo tsy niray saina ka ndeha hiala, dia izao ihany no nanampin'i Paoly: Marina tokoa lahy ny tenin'ny Fanahy Masina, nampilazainy an'Izaia mpaminany tamin'ny razanareo hoe: 26 Mankanesa amin'io firenena io hianao, ka lazao amin'izy ireo hoe: Handre amin'ny sofinareo hianareo, fa tsy hahalala; ary hijery amin'ny masonareo, fa tsy hahita. 27 Satria efa nihadonto ny fon'io firenena io, efa nihamarenina ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao mahita ny masony, sy mandre ny sofiny, ary mahalala ny fony, ka ndeha hibebaka izy, ka tonga mahazo famonjena avy amiko. 28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao, dia hoentina any amin'ny jentily, ka horaisiny an-kafaliana. 29 Nony voalazany izany, dia lasa ny Jody, sady rafitra ady hevitra mafy. 30 Nitoetra roa taona nipaka tao amin'ny trano anankiray nohofàny i Paoly; ary nandray tsara an'izay rehetra nankao aminy.
31 Nitory ny fanjakan'Andriamanitra sy nampianatra ny amin'i Jesoa-Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy, sady tsy nisy nisakana.
Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Toko voalohany
1 Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa, voaantso ho Apostoly, sy voatokana hitory ny Evanjelin'Andriamanitra,-2 izay nampanantenainy rahateo tamin'ny alalan'ny mpaminany ao amin'ny Soratra Masina, 3 momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra tamin'ny fitsanganan'ny maty, araka ny fanahin'ny fahamasinana), dia Jesoa-Kristy Tompontsika, 5 izay nandraisany ny fahasoavana sy ny maha-Apostoly anay mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin'ny anarany, 6 ary anisan'ireny koa hianareo, noho ny fiantsoan'i Jesoa-Kristy:- 7 mamangy anareo rehetra malalan'Andriamanitra any Roma, izay olo-masina voaantsony: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa Kristy Tompo. 8 Voalohany aloha, misaotra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin'izao tontolo izao ny finoanareo.
9 Andriamanitra izay tompoiko amin'ny foko tokoa, amin'ny fitoriana ny Evanjelin-Janany, no vavolombeloko fa mahatsiaro anareo lalandava aho, 10 ary mangataka mandrakariva amin'ny fivavahako, mba hisy hahafahako mankany aminareo indray andro any, raha sitra-pon'Andriamanitra. 11 Fa maniry hahita anareo aho, mba hampahazo anareo fahasoavam-panahy hankahery anareo, 12 izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin'ny finoana iombonako izaho sy hianareo. 13 Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa imbetsaka no saika hankany aminareo aho (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny), mba hijinjako vokatra kely aminareo, toy ny amin'ny jentily sasany koa.