Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Toko voalohany
14 Manana adidy amin'ny Greka sy ny firenena hafa aho, na amin'ny hendry, na amin'ny tsy mahalala; 15 koa raha izaho, dia vonon-kitory ny Evanjely aminareo izay any Roma koa aho. 16 Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin'Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny jentily.17 Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan'Andriamanitra avy amin'ny finoana ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ho velona noho ny finoana ny olo-marina. 18 Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran'Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an'Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan'ireo olona izay misakana ny marina amin'ny tsy fahamarinany,
19 satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an'Andriamanitra, fa nasehon'Andriamanitra taminy izany. 20 Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin'ny maha-Andriamanitra azy, dia hitan'ny saina amin'ny asan-tànany ka miseho amin'ny zava-boary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo, 21 fa nahalala an'Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza azy ho Andriamanitra na nisaotra azy; fa nanjary zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. 22 Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, 23 fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany sarin-javatra mety lò, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka. 24 Noho izany, dia navelan'Andriamanitra izy ireo hoentin'ny filan-dratsin'ny fony ho amin'ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin'ny tenany avy;
25 nosoloany lainga ny fahamarinan'Andriamanitra, ary naleony ny zava-boahary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amena! 26 Koa natolotr'Andriamanitra ho amin'ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; 27 torak'izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy. 28 Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an'Andriamanitra, dia navelan'Andriamanitra kosa izy hoentin'ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, 29 ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-pò, mpanely tsaho, 30 mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, 31 tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. 32 Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaran'Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin'izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Toko faha-2
1 Toy izany koa hianao, ry olona, na zovy na zovy hianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra hianao; fa amin'ny fitsaranao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa hianao, satria toy ny ataon'ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.2 Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran'Andriamanitra an'izay manao toy izany; 3 ka moa ataonao va, ry olona, fa hianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra? 4 Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? 5 Fahatezeran'Andriamanitra anie no angonin'ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin'ny andron'ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra e! 6 dia ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy; 7 fiainana mandrakizay moa ho an'izay maharitra manao tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana; 8 fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an'izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy. 9 Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an'izay manao ny ratsy, dia ho an'ny Jody aloha, vao ho an'ny jentily koa;
10 fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an'izay manao ny tsara, dia ho an'ny Jody aloha, vao ho an'ny jentily koa, 11 satria Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona. 12 Izay rehetra nanota tsy nanan-dalàna, dia ho very tsy aman-dalàna; ary izay rehetra nanota nanan-dalàna kosa dia hotsaraina ara-dalàna; 13 satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina. 14 Raha ny jentily tsy manan-dalàna no manao ho azy izay voadidin'ny Lalàna, na dia tsy manan-dalàna aza izy, dia izy ihany no lalàna ho an'ny tenany. 15 Asehon'izy ireo amin'ny hitsim-pony mitsangan-ko vavolombelona, sy ny fisainany mifanome na mifanala tsiny koa, fa voasoratra ao am-pony ny asan'ny Lalàna, 16 mandra-pahatongan'ny andro hampitsaran'Andriamanitra an'i Jesoa-Kristy ny asa takona ataon'ny olona, araka ny Evanjely ampianariko. 17 Ary inty ny aminao, izay mitondra anarana hoe Jody: hianao dia mitoky amin'ny Lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao,
18 mahalala ny sitra-pony, sy mahafantatra izay tsaratsara kokoa, fa nampianarin'ny Lalàna, 19 mihambo ho mpitarika ny jamba, ho mpanazava ny ao amin'ny maizina, 20 ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tànanao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana; 21 nefa, mampianatra ny sasany hianao, fa tsy mampianatra ny tenanao: mitory hoe: aza mangalatra, nefa mangalatra ihany; 22 mandrara tsy hijanganjanga, nefa mijangajanga ihany; fatra-pankahala ny sampy, nefa manazimba ny zavatra masina; 23 mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an'Andriamanitra amin'ny fandikana ny Lalàna, 24 satria noho hianareo ihany no itenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentily, araka ny lazain'ny Soratra Masina. 25 Marina fa mahasoa ihany ny famorana, raha mitandrina ny Lalàna hianao; fa manjary tsy fiforana kosa ny fiforanao raha mandika ny Lalàna hianao.
26 Koa raha ny tsy voafora no mankatò ny didin'ny Lalàna, moa tsy hoisaina ho fiforana va ny tsy fiforany? 27 Eny, fa raha ny olona tsy nifora hatrizay niainany no mahatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao izy, fa manana ny Soratra Masina sy ny famorana hianao, nefa mandika ny Lalàna. 28 Satria tsy izay miseho eto ivelany ho Jody no tena izy, ary tsy izay miseho eto ivelany amin'ny nofo no tena famorana; 29 fa ny Jody ao anatiny sy ny famorana ny fo no tena izy: dia ny araka ny fanahy, fa tsy araka ny soratra; ary ny toy izany no mahazo dera, tsy amin'olombelona, fa amin'Andriamanitra.
Toko faha-3
1 Koa inona àry no tombon-tsoa ananan'ny Jody, ary inona no soa azo amin'ny famorana?2 Azo lazaina fa be ihany: voalohany, izy no nametrahana ny teny fampanantenana nataon'Andriamanitra.