Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-3

3 Fa ahoana kosa raha tsy nino ny sasany? Moa ny tsy finoan'ireo va hahafoana ny tsy fivadihan'Andriamanitra? Sanatria izany! 4 fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra, araka ny Soratra Masina hoe: Mba ho marina hianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara. 5 Fa raha ny tsy fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana àry no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra raha manampatra ny fahatezerany amintsika? (miteny araka ny fanaon'ny olona aho). 6 Sanatria izany! fa raha izany, ahoana no hitsaran'Andriamanitra an'izao tontolo izao? 7 Nefa, raha ny laingako no nampiharihary kokoa ny fahamarinan'Andriamanitra ho voninahiny, ahoana indray no itsarana ahy ho mpanota? 8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy isika hihavian'ny soa? Atomboky ny sasany anay izany, ary tondroiny ho mampianatra izany izahay; ho voaheloka marina anefa izy ireny. 9 Ahoana àry: manan-tombo tokoa va isika? Tsy manana velively, satria efa voasehontsika fa voan'ny fahotana avokoa, na Jody na jentily,

10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina, na dia iray aza; 11 tsy misy manan-tsaina, tsy misy mitady an'Andriamanitra; 12 samy nania avokoa izy rehetra; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza. 13 Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony; 14 ozona amam-pangidiana no mameno ny vavany; 15 ny handatsa-drà no mahamailaka ny tongony; 16 fandravana sy fampahoriana no eo amin'ny alehany; 17 ny làlan'ny fiadanana tsy fantany; 18 ary ny fahatahorana an'Andriamanitra tsy eo anoloan'ny masony. 19 Fantatsika anefa fa izay fehezin'ny Lalàna no ilazan'ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra avokoa izao tontolo izao, 20 satria tsy misy olona hohamarinina amin'ny asan'ny Lalàna eo anatrehany, fa ny ahalalàna tsara ny ota ihany no nataon'ny Lalàna. 21 Fa ankehitriny, tsy amin'ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, izay nambaran'ny Lalàna sy ny Mpaminany,

22 dia fahamarinana avy amin'Andriamanitra, noho ny finoana an'i Jesoa-Kristy, ho an'ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka, 23 fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr'Andriamanitra, 24 fa hamarininy maimaim-poana amin'ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa. 25 Fa izy no natsangan'Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin'ny rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin'ny andron'ny fandeferany: 26 dia hampiharihary ny fahamarinany izy amin'ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an'i Jesoa. 27 Koa aiza àry no hireharehana? Efa nofoanana izany; fa tamin'ny lalàna inona? Tamin'ny lalàn'ny asa va? Tsia, fa tamin'ny lalàn'ny finoana;

28 satria miaiky marina isika fa ny finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny Lalàna. 29 Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny jentily koa? Eny, Andriamanitry ny jentily koa izy; 30 satria Andriamanitra iray ihany no hanamarina ny voafora amin'ny finoana, sy ny tsy voafora amin'ny finoana koa. Koa mandrava ny Lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria! fa mainka mampiorina ny Lalàna isika.

Toko faha-4

1 Inona àry, ny amin'i Abrahama razantsika, no ho lazaintsika, fa azony araka ny nofo?

2 Raha noho ny asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan'Andriamanitra. 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: nino an'Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany. 4 Satria amin'izay miasa, dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama, fa hoe trosa; 5 ary amin'izay tsy miasa, fa mino an'ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan'Andriamanitra. 6 Izany no ilazan'i Davida ny hasambaran'ny olona itanan'Andriamanitra fahamarinana tsy aman'asa hoe: 7 Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; 8 sambatra ny olona tsy hitan'Andriamanitra heloka. 9 Ary izany hasambarana izany ve, an'ny voafora ihany, sa an'ny tsy voafora koa?

10 Voalazantsika fa ny finoana dia notanana ho fahamarinan'i Abrahama. Oviana àry no nitanana izany? Tamin'izy efa voafora ve, sa fony izy mbola tsy voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy mbola tsy voafora. 11 Fa famantarana ny famorana, ka dia noraisiny taty aoriana, mba ho tombo-kasen'ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain'ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana; 12 ary ho rain'ny voafora koa, tsy izay voafora fe voafora anefa, fa izay manara-dia ny finoana nananan'i Abrahama razantsika, fony izy mbola tsy voafora. 13 Tsy ny lalàna no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin'ny finoana.

14 Fa raha izay amin'ny Lalàna no mpandova, dia foana ny finoana, ary tsinontsinona ny fampanantenana, 15 satria ny Lalàna mitarika fahatezerana, fa raha tsy misy Lalàna, dia tsy misy koa fandikan-dalàna. 16 Koa ny finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an'ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an'izay amin'ny Lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy, 17 (araka ny voasoratra hoe: Natsangako ho rain'ny firenena maro hianao) eo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain'ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao. 19 Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany), sy izato kibon'i Sarà efa ritra aina. 20 Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak'Andriamanitra taminy, fa nampaherezin'ny finoana izy, ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21 tamin'ny fitokiana mafy azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy; 22 koa notanana ho fahamarinany izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2017