Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-4

23 Ary tsy ho azy ihany no nanoratana fa notanana ho fahamarinany izany; 24 fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an'ilay nanangana tamin'ny maty an'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 25 izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

Toko faha-5

1 Koa amin'izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika,

2 izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, 4 ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao ampontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana an'Andriamanitra. 6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin'ny fotoana voatendry ny Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.

7 Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. 8 Fa izao kosa no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika 9 no maty hamonjy antsika ny Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin'ny rany izao, dia tsy maintsy afany amin'ny fahatezerana mihitsy. 10 Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin'Andriamanitra noho ny nahafatesan'ny Zanany, mainka fa rahefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. 11 Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. 12 Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran'ny fahotana tamin'izao tontolo izao tamin'ny olona iray, sy nidiran'ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin'ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:

13 fa nisy ota ihany tamin'izao tontolo izao na talohan'ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna. 14 Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin'i Adama ka hatramin'i Moizy, na dia tamin'izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon'i Adama aza; ary Adama dia tandindon'ilay Adama ho avy. 15 Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahafatesan'ny anankiray aza nahafatesan'ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesoa-Kristy, no nandraisan'ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana.

16 Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana: satria noho ny ota anankiray no nisian'ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian'ny fahasoavana ho fanamarinana. 17 Satria raha ny fahadisoan'ny anankiray aza nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'io anankiray io, mainka fa ny nataon'ny anankiray, dia Jesoa-Kristy, no hanjakan'izay mahazo ny haben'ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin'ny fiainana. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an'ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray.

19 Fa tahaka ny nahatongavan'ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken'ny olona iray no hahatongavan'ny maro ho marina kosa noho ny naneken'ny olona iray. 20 Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin'izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran'ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan'ny fahotana hahafaty no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika.

Toko faha-6

1 Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin'ny fahotana ihany va isika, hitomboan'ny fahasoavana?

2 Sanatria izany! Hataontsika efa maty ny amin'ny fahotana ahoana no mbola ho velona aminy ihany? 3 Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao batemy ho amin'ny Kristy Jesoa, dia natao batemy ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batemy ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'ny Kristy tamin'ny maty, tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao koa. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan'ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika, 7 satria izay maty dia afaka amin'ny fahotana. 8 Ary raha niara-maty tamin'ny Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa; 9 sady fantatsika fa rahefa nitsangana tamin'ny maty izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin'ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an'Andriamanitra. 11 Ary aoka ho toy izany koa hianareo no hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin'ny fahotana, fa velona kosa ho an'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa. 12 Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin'ny tenanareo mety maty amin'ny fanarahana ny filan-dratsiny;

13 ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an'ny fahotana nataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an'Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana. 14 Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria hianareo tsy ambanin'ny Lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana. 15 Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin'ny Lalàna, fa ao ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon'izay ekenareo hianareo, na ny fahotana ho amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin'ny fahamarinana? 17 Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie hianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo; 18 ary rahefa afaka tamin'ny fahotana hianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho, noho ny fahalemen'ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. 20 Fa fony mpanompon'ny ota hianareo, dia olon-ko azy tamin'ny fahamarinana. 21 Inona àry no vokatra azonareo tamin'izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany. 22 Ary ankehitriny kosa, rahefa afaka tamin'ny fahotana hianareo, ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo. 23 Fa ny fahafatesana no tambin'ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan'Andriamanitra.

Toko faha-7

1 Tsy fantatrareo va, ry rahalahy (miteny amin'ny mahalala ny Lalàna aho), fa raha mbola velona ny olona no fehezin'ny lalàna?

2 Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin'ny lalàn'ny lahy kosa izy rahefa maty ny lahy. 3 Koa raha mbola velona ny lahy no manambady olon-kafa izy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa rahefa maty kosa ny lahy, na manam-bady olon-kafa aza izy, dia tsy mba mpijangajanga intsony, fa efa afaka amin'ny lalàn'ny lahy. 4 Toy izany koa hianareo, ry rahalahiko, maty ny amin'ny Lalàna noho ny tenan'i Jesoa-Kristy hianareo, mba ho vadin'ny hafa, dia ilay nitsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4092