Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-9

7 Ireo valala ireo dia nanahaka ny soavaly vonon-kiady; satro-boninahitra toa volamena no teny an-dohany; sahala amin'ny tavan'olona ny tavany;

8 tahaka ny volom-behivavy ny volony; ary mitovy amin'ny nifin-diona ny nifiny. 9 Ny fiarovan-tratran'izy ireo dia toy ny akanjo vy; ny fikopakopaky ny elany, sahala amin'ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady; 10 ny rambony tahaka ny an'ny maingoka, sady nisy fitsindrona, ary ny rambony no nanan-kery hampanaintaina ny olona dimy volana. 11 Ny mpanjaka filohan'izy ireo, dia anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa, izay atao hoe Abadona amin'ny teny hebrio, ary Apoliona amin'ny teny greka. 12 Lasa izay ny loza voalohany; fa indro hisosoka koa ny loza roa sisa.

13 Dia nitsoka ny trompetra ny anjely fahenina, ka inay nisy feo reko nivoaka avy tamin'ny zoro efatry ny otely volamena eo anatrehan'Andriamanitra,

14 nilaza tamin'ny anjely fahenina nitana ny trompetra hoe: Vahao ny anjely efatra mifatotra any Eofrata ony lehibe. 15 Dia novahana ireo anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin'ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon'ny olona; 16 ary roanjato tapitrisa no isan'ny miaramila an-tsoavaly; fa nahare ny isany aho. 17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, tamin'ny fahitana: nivolon'afo sy hiasinta ary solifara ny fiarovan-tratran'ny mpitaingina azy, nilohan-diona ny lohan'ny soavaly, sady nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany. 18 Ary ireo loza telo nivoaka tamin'ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona; 19 fa amin'ny vavany sy ny rambony no misy ny herin'ny soavaly, satria toy ny menarana ny rambony sady manan-doha ka amin'izany no amelezany. 20 Tsy nibebaka hiala amin'ny asan-tànany anefa ny olona sisa tsy matin'ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin'ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay mahajery na mahare na afa-mamindra akory;

21 tsy nisy nibebahany koa na ny vonoan'olona, na ny ody mahery, na ny fijangajangana, na ny halatra nataon'izy ireo.

Toko faha-10

1 Dia nahita anjely mahery anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin'ny andry afo ny tongony.

2 Nitana boky kely nivelatra teny an-tànany izy; ny tongony an-kavanana moa natsatony tamin'ny ranomasina, ary ny an-kavia kosa tamin'ny tany; 3 niantso tamin'ny feo mahery toy ny fieron'ny liona izy, ka vao niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito. 4 Nony nandre ny feon-kotrokorana fito aho, dia ndeha hanoratra, kanjo nandre feo avy any an-danitra nanao tamiko hoe: Asio tombo-kase ny voalazan'ny kotrokorana fito, fa aza soratana. 5 Tamin'izay ilay anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo ambonin'ny tany dia nanandratra ny tànany an-kavanana tany an-danitra,

6 ka nianiana tamin'ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia ilay nahary ny lanitra mbamin'izay ao aminy, sy ny tany mbamin'izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin'izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony; 7 fa amin'ny andro hampandrenesan'ny anjely fahafito ny feony, amin'ny fitsofana ny trompetra, dia ho tanteraka ny misterin'Andriamanitra, araka ny nampilazainy ny mpaminany mpanompony. 8 Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tànan'ilay anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy ny tany.

9 Dia nankany amin'ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao. 10 Noraisiko ny boky teny an-tànan'ilay anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko. 11 Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe: Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.

Toko faha-11

1 Ary nomena volotara toy ny tehina aho, dia nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, refeso ny tempolin'Andriamanitra, sy ny otely, mbamin'izay mivavaka ao.

2 Avelao anefa fa aza refesina ny efi-trano fidirana ivelan'ny tempoly, satria efa nomena ny jentily io, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy. 3 Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enim-polo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany. 4 Izy ireo no fototr'oliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.

5 Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy. 6 Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin'ny rano koa izy, ka mahova azy ho rà, sy hamely ny tany amin'ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy. 7 Ary rahefa vita ny fanambaran'izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;

8 ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan'ny tanàna lehibe izay atao amin'ny teny an'ohatra hoe: Sodoma sy Ejipta, eo amin'ilay namantsihana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana. 9 Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan'andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.

10 Hifaly ny mponina ety ambonin'ny tany noho ny amin'izy ireo; hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tety an-tany ireo mpaminany roa ireo. 11 Nony afaka hateloana sy tapany anefa, dia nisy fanahin'aina avy amin'Andriamanitra, niditra tamin'ireo faty ireo, ka nijoro tamin'ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy. 12 Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe: Miakara aty. Dia niakatra any an-danitra tao anatin'ny rahona, sy teo anatrehan'ny fahavalony izy ireo. 13 Ary tamin'izany ora izany, dia nisy horohoron-tany mafy, ka nirodana ny ampahafolon'ny tanàna, ary olona fito arivo no matin'izany horohoron-tany izany. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra. 14 Lasa ny loza faharoa; indro hisosoka faingana ny loza fahatelo.

15 Dia nitsoka ny trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: Lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.

16 Tamin'izay ireo Anti-dahy efatra amby roapolo, nipetraka tamin'ny seza fiandrianany teo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra,

17 nanao hoe: Misaotra anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra tsitoha izay ankehitriny sy taloha, fa naneho ny herinao lehibe hianao, ka manjaka izao. 18 Nisarangotra ny firenena, fa tonga ny fahatezeranao, sy ny fotoana hitsarana ny maty, mba hanomezana valisoa ny mpanomponao, dia ny mpaminany, sy ny olo-masina mbamin'izay natahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hamerezana izay nanimba ny tany. 19 Dia novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin'ny tempoliny ny fiaran'ny fanekena; ary nisy tselatra sy tabataba ary kotro-baratra sy horohoron-tany mbamin'ny havandra vaventy.

Toko faha-12

1 Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin'ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany.

2 Bevohoka izy, sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana. 3 Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany.

4 Nofinaokany tamin'ny rambony ny ampahatelon'ny kitan'ny lanitra ka nazerany tamin'ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka. 5 Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin'ny tsora-by, ka nakarina ho any amin'Andriamanitra eo anilan'ny seza fiandrianany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1861