Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-12

6 Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an'efitra, fa any no nanamboaran'Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enim-polo amby roan-jato sy arivo andro. 7 Ary nisy ady tany an-danitra: Misely sy ny anjeliny moa niady tamin'ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely,

8 fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony; 9 ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin'ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy. 10 Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: Ankehitriny dia an'Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an'ny Kristiny koa ny fahefana; fa efa voazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy andro aman'alina eo anatrehan'Andriamanitsika. 11 Nandresy azy ireo koa ny rahalahintsika noho ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy na dia ho faty aza izy. 12 Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa loza ho anareo kosa, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny demony, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny. 13 Nony hitan'ilay Dragona fa voazera amin'ny tany izy, dia ilay Vehivavy tera-dahy no nenjehiny.

14 Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an'efitra amin'ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan'ilay menarana azy. 15 Dia nandefa rano toy ny ony avy amin'ny vavany ilay menarana, hankany amin-dRavehivavy, mba hipaohan'ny ony azy. 16 Kanjo novonjen'ny tany kosa Ravehivavy, fa nivava ny tany, dia nitelina ny ony nalefan'ilay Dragona tamin'ny vavany. 17 Tezitra tamin-dRavehivavy ny Dragona, ka ary amin'ny zanany sisa mitandrina ny didin'Andriamanitra sy maharitra amin'ny fanambaran'i Jesoa no nifotrohany niadiana; 18 dia teny amin'ny fasi-dranomasina izy no nitsatoka.

Toko faha-13

1 Rahefa izany, dia nahita Biby anankiray niakatra avy amin'ny ranomasina aho; fito ny lohany, folo ny tandrony, satro-boninahitra folo no teny an-tandrony, ary anarana fanevatevana an'Andriamanitra no tamin'ny lohany.

2 Sahala amin'ny leoparda ilay Biby hitako; toy ny tongotr'orsa ny tongony, tahaka ny vavan-diona ny vavany. Nomen'ilay Dragona azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.

3 Toa voan'ny ratra mahafaty ny lohany iray, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy, ary gaga ny tany rehetra, ka sady nanaraka azy 4 no nitsaoka ny Dragona izay nanome fahefana ny Biby, sy nitsaoka ny Biby koa, nanao hoe: Iza moa no tahaka ny Biby, ary iza no mahady aminy? 5 Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an'Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efa-polo volana. 6 Dia nanokatra ny vavany izy, ka nanevateva an'Andriamanitra sy nanevateva ny anarany mbamin'ny tranolainy, sy ireo monina any an-danitra. 7 Nomena fahefana hiady amin'ny olo-masina sy handresy ireo koa izy; ary nomena fahefana tamin'ny foko rehetra, sy ny fanjakana mbamin'ny samihafa fiteny sy ny firenena rehetra. 8 Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, ilay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. 9 Izay manan-tsofina aoka hihaino.

10 Izay tokony ho amin'ny fahababoana, dia mankany amin'ny fahababoana; izay mamono amin'ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan'ny olo-masina. 11 Dia nahita Biby anankiray hafa koa aho, niakatra avy amin'ny tany; roa toy ny an'ny zanak'ondry ny tandrony, ary niteny toy ny dragona izy.

12 Nampiasainy avokoa ny fahefan'ilay Biby voalohany eo anatrehany, ary nampivavahiny tamin'ilay Biby voalohany, sitrana tamin'ny fery saiky nahafaty azy, ny tany mbamin ízay monina ao aminy. 13 Nanao fahagagana lehibe teo imason'ny olona izy hatramin'ny nampidinana afo avy any an-danitra ho ety an-tany aza; 14 ary namitaka ny mponina amin'ny tany tamin'ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan'ny Biby, nasainy nanao sarin'ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany ny mponina eto an-tany; 15 sady navela hanisy aina ny sarin'ny Biby izy, sy hampiteny azy, ary hampamono izay rehetra tsy mivavaka amin'ny sarin'ny Biby. 16 Ny olona rehetra, na kely na lehibe, na mpanan-karena na mahantra, na olom-potsy na andevo, dia nasainy nasiana marika tamin'ny tànany an-kavanana na tamin'ny handriny avokoa; 17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay voaisy mariky ny anaran'ny Biby, na ny isan'ny anarany. 18 Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan'ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enim-polo sy enin-jato izany isa izany.

Toko faha-14

1 Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr'i Siona ny Zanak'ondry; olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka azy, ary voasoratra teo an-kandrin'ireo ny anarany sy ny anaran-dRainy.

2 Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny konsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa. 3 Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan'ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy ireo, izay navotana ho afaka amin'ny tany. 4 Ireo no tsy nandoto tena tamin'ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin'ny olona, ho santatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry; 5 ary tsy misy lainga eo am-bavan'izy ireo, fa tsy manan-tsiny izy. 6 Dia nahita anjely anankiray hafa koa aho, nanidina teo afovoan'ny lanitra, nitondra ny Evanjely mandrakizay, hotoriny amin'ny mponina eto an-tany, dia amin'ny firenena rehetra, sy amin'ny foko aman-tsamihafa fiteny, mbamin'ny fanjakana rehetra.

7 Izao no nambarany tamin'ny feo mahery: Matahora an'Andriamanitra; omeo voninahitra izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an'ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin'ny ranomasina sy ny loharano. 8 Nanaraka an'io, dia nisy anjely anankiray hafa nanao hoe: Rava, rava, Babilona lehibe, ilay nampisotro ny firenena rehetra ny divaim-pahatezerana tamin'ny fijangajangany.

9 Ary nisy anjely fahatelo nanaraka ireo koa, nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy mivavaka amin'ny Biby sy ny sariny, ka mandray ny mariny eo amin'ny handriny, na eo amin'ny tànany,

10 dia izy no hisotro ny divain'ny fahaviniran'Andriamanitra, izay naidina ao amin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy misy famahony; sady hampijalin'ny afo aman-tsolifara eo anatrehan'ny anjely masina sy ny Zanak'ondry. 11 Ary hiakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian'izy ireo, ka tsy hahita hianinana na andro na alina izay nivavaka tamin'ny Biby sy ny sariny, ary izay nandray ny mariky ny anarany. 12 Fa indro kosa ny valin'ny fandeferan'ny olo-masina, izay nitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesoa.

13 Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin'izao ny maty izay maty ao amin'ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin'ny asany izy, fa ny asany hanaraka azy. 14 Dia nijery aho, ka indro nisy rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin'ny Zanak'olona; satro-boninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tànany.

15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy ao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery, ka nanao tamin'ilay nipetraka tambonin'ny rahona hoe: Alefaso ny antsy fijinjanao, ka mijinjà, fa tonga ny taom-pinjinjana, satria masaka ny vokatry ny tany. 16 Dia nalefan'ilay nipetraka tamin'ny rahona teny amin'ny tany ny antsy fijinjàny, ka voanjinja ny tany. 17 Nisy anjely anankiray hafa koa, nivoaka avy teo amin'ny tempoly any an-danitra, nitana antsy fijinjàna maranitra koa.

18 Dia nivoaka avy eo amin'ny otely ity anjely manam-pahefana amin'ny afo, niantso tamin'ny feo mahery, ka nilaza tamin'ilay nitana antsy fijinjàna maranitra hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin'ny tanim-boaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany. 19 Dia nalefan'ilay anjely tany amin'ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1779